Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:22 )
   
lesona 8 16-08-2008 au 22-08-2008
FAHADALANA NIVADIKA HO FINOANA: NY APOSTOLY PETERA
( Asa.2:4-40 ; Asa. 3 ; 5:1-11 ; 1 Pet. ; 2 Pet. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY

Vakio : "Indray alina teo amin'ny farihy", - IFM, tt. 395-402,

-Tamin "ny fotoana voalohandohany naha-mpianatra    azy, dia nihevi-tena ho natanjaka i Petera. Tahaka ilay Fariseo, raha ny fanombatombanany  ny tey dia "tsy tahaka ny olona sasany"  izy. Rehefa nampitandrina ny mpianany Kristy ny alina  namadihany azy, ka nanan hoe: -Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny Amiko anio alina, dia namaly tamim-pahatokiana Petera hoe "na dia ho tafintohina  avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina". Tsy fantatr'i Petera ny loza miandry azy. Namitaka azy ny fahatokian-tena nananany. Nihevi-tena ho afaka hijoro eo anoloan'ny fakanmpanahy  izy nefa ora vitsivitsy taorian'izany, dia tonga nyfitsapana ka niozonozona sy nianiana izy, namadika ny Tompo.
"Rehefa avy nampahatsiaro azy ny tenin'i Kristy ny fanenon'ny akoho, dia taitra sy voatohina mafy izy noho ny zavatra nataony ary nitodika izy ka nijeiy ny Tompony. Tamin'izay fotoana izay Kristy dia nijery an'i Petera, ary teo ambanin'izany fijery feno alahelo izany, izay
niharoan'ny fangorahana sy fitiavana azy, teo no nahalalan'i Petera ny amin'ny tenany. Nivoaka izy ka nitomany mafy. lo.fijerin'i Kristy io no nanorotoro ny fony. Tonga eto amin'ny fiolahan-dalana i Petera, nibebaka rnafy tamin'ny fahotany  izy. Tahaka ilay mpamory hetra teo amin'ny fahatorotoroany sy ny fibebahany, dia nitaraîna tamin'ny Tompo izy ka nahazo famindrampo.Nanome toky azy ny amin'ny    famelan-keloka ny fijerin'i Kristy. "- HF, ff. 125-126


FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1 Vakio ireo Epistily nosoratan'i Petera ka tadiavo ireo zavatra izay nampiavaka azy manokana tamin'ilay Petera voalazan'ny Filazantsara. Inona no fampaherezana azonao tsoahina avy amin'izany?
2. Mora tokoa ny mitsikera ny tsy fahampian'ny finoan'i Petera rehefa nilentika tao anaty rano izy. Izy irery ihany anefa no mpianatra nanana ny fahasahiana hiala avy tao an-tsambokely, Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahanao "miala avy ao an-tsambokelinao" eo amin'ny fiainana maha-Kristianina anao? Ahoana ny amin'ny fiangonana misy anao manokana? Moa ve mila manao toy izany ihany koa izy?
3. Hoy i EGW ao amin'ny DA, t. 195: "Teraka ho misionera ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ny tena mpianatra marina rehetra". Maro amin'ireo mpanara-dia an'i Kristy no manadino ilay fitiavana voalohany izay hizaràna amin'ny hafa ny fanandramany. Ahoana no hahazoan'ireo mambran'ny fiangonana io fitiavana io indray hizarany ny vaovao mahafaly? Ahoana no hifanampianareo hahatafaverina amin'ny laoniny indray ny faniriana hijoro ho vavolombelona?


FAMINTINANA: Porofon'izay azon'Andriamanitra atao amin'ny alalan'ny mpianatra na dia izay malemy, indrindra aza ny tantaran'i Petera. Nampiasain'i Jesôsy ny hafanam-po sy fikasana tsara tao amin'i Petera ary natanjahany ny finoany mba ho tonga ho andry mafin'ny fiangonana kristianina voalohany izy.

Nampiditra : ranaina, MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net