| lesona 10 | 30-08-2008 au 05-09-2008 | |
|---|---|---|
| VEHIVAVY NANATANTERAKA ILAY IRAKA | ||
| ( Lio. 8:41-55; Jao. 4:1-40; Asa. 16:14, 15; 18:1-3,24-28; Rôm 16:3-5. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
ILAY VEHIVAVY TEO AM-PANTSAKANA: FIZARANA 2
|
Vakio ny Jao. 4:1-40, ny fihaonan'i Kristy tamin'ilay vehivavy. Tamin'ny fomba ahoana no nampifandraisan'i Jesôsy ny fiainan'ilay vehivavy andavanandro sy ny toe-javatra nisy teo aminy tamin'ny fahamarinana ara-panahy tiany hozaraina? Izany hoe ahoana no nahafahany nampita izay zavatra nilainy ara-panahy? Faly dia faly tokoa ilay vehivavy noho ny zavatra efa hitany sy reny, hany ka niverina tany an-tanànany izy sady navelany hatramin'ny sininy (Jao. 4:26). Efa nifanena tamin'ny Mesia izy, ary tsy maintsy nizara ny vaovao tamin'ny hafa. Ny fitaomany azy ireo ho tafahaona amin'llay Lehilahy nahafantatra ny tantaram-piainany no ampahany voalohany tamin'ny fanambarany (and. 29). Hitantsika eto ny fahamarinana tsotra saingy tsy tontan'ny ela mikasika ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy ny hanova ny fon'ny olona no asa nanirahana antsika. Ny asantsika dia ny mamafy voa sy ny mitondra ny olona ho eo amin'i Jesôsy. Eo kosa ny Fanahy Masina no mandray an-tanana ny fibebahany. Vehivavy samaritana no nampiasain'i Jesôsy, sady antsan'ireo izay tsy dia nanan-daza firy loatra teo amin'ny fitondran-tenany, mba ho vavolombelona ho Azy. Toy ny hoe niniany natao mihitsy ny nandika ireo fadin-drazana sy ireo hevttra efa napetraka rehetra tamin'izany fotoana izany. Inona no lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io mikasika izay natao hiasa sy tsy natao hiasa ho an'ny Tompo? |
| Nampiditra : joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net