Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:30 )
   
lesona 12 13-09-2008 au 19-09-2008
NAHAZO FANOMEZAM-PAHASOAVANA HOENTI-MANOMPO: I FILIPO
( Asa.6:3; Asa.8; Rôm. 12:6-8; 1Kôr.12:1-11, 37-31; 1Tim.3:8-12. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

MISIONERA TANY SAMARIA

Rehefa nipoitra indray i Filipo araka izay voasoratra ao amin'ny Baiboly, dia any Samaria, faritra iray ao avaratr'i Jodia, no ahitantsika azy. Efa nilaza mialoha i Jesôsy fa ny mpanaraka Azy dia ho misiônera, tsy ao Jerosalema ihany, fa "eran 7 Jodia sy Samaria ary hatramin 'ny faran 'ny tany " koa (Asa. 1:8).
Tsy ireo mpitarika tsy akory no naniraka an'i Filipo ho misiônera tany Samaria. Tsy tao anatin'ny drafitry ny fiangonana voalohany momba ny fitoriana nahafao-be ny hanatratra ireo faritra mbola tsy nidiran'ny hafatra izy.

Vakio: Asa. 8:1-5. Inona ireo toe-javatra nahatonga an'i Filipo nandositra nankany Samaria. Inona no nataon'ireo mpino izay nieli-patrana rehefa nandositra izy ireo?

Taorian'ny nitoraham-bato an'i Stefana, dia nihamafy ny fanenjehan'i Saoly ny fiangonana kristianina, koa niparitaka ny mpino rehetra, afa-tsy ny apôstôly 12 lahy irery ihany. lo no ohatra voalohany teo amin'ny tantara mikasika fiangonana miafina. Imbetsaka nanomboka hatreo no ahitantsika ireo mpanaraka an'Andriamanitra mahatoky voatery tsy maintsy niafina noho ny finoany. Na dia amin'izao fotoana izao aza any amin'ny faritra maro eto amin'izao tontolo izao dia misy mpino advantista miafina rehefa mivavaka.

Rehefa niely ireo mpino ireo, dia "nitory ny teny izy ireo na taiza na taiza toerana nalehany" (Asa. 8:4, dikan-tenin'ny Baiboly NIV). Toa maneso fa nahatonga ny vaovao mahafaly hiely teny rehetra teny ny fanenjehana. Inona koa ireo ohatra hafa toy izay mitranga eto azonao eritreretina?

Fotoana nampihorohoro tokoa izany ho an'ireo Kristianina voalohany -voatery nandao ny tokan-tranony, niely tany amin'ny faritra tsy fantatra, niaina tao anatin'ny tahotra fandrao nisy famelezana indray. Nanana zanaka vavy 4 i Filipo, ary tsy isalasalana fa fotoana nampiady saina azy mianakavy izany vanim-potoana izany (Asa. 21:9). Na dia teo aza anefa ireny toe-javatraa sarotra niainan'izy ireo ireny dia notohizan'i Filipo sy ireo mpino kristianina hafa hatrany ny fizaràna tamim-pahatokiana ny vaovao mahafaly momba an'i Jesôsy.

Na dia teo aza ireo fitsapana nihatra tamin'ireo mpino, dia nikely aina fatratra izy ireo nampiely ny hafatra. Nahoana? Satria tsapanizy ireo ny iraka nampanaovina azy sy ny tanjona nokendrena. Nahoana ny maro amintsika no tsy manana izany fahatsapana ny iraka ampanaovina antsika izany? Ny antony dia mety hoe sahirana ioatra isika rnijery ny ato anatiny fa tsy ny any iveiany, sahirana ioatra isika misaina ny zavatra iiaintsika fa tsy ny zavatra ilain'izao tontoio izao very? Saino kely izany ary aoka ianao ho vonona hifanakalo hevitra mikasika izay eritreritrao ny amin'izany amin'ny Sabata.

 


Nampiditra : josias
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net