| lesona 12 | 13-09-2008 au 19-09-2008 | |
|---|---|---|
| NAHAZO FANOMEZAM-PAHASOAVANA HOENTI-MANOMPO: I FILIPO | ||
| ( Asa.6:3; Asa.8; Rôm. 12:6-8; 1Kôr.12:1-11, 37-31; 1Tim.3:8-12. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
MANANA FANOMEZAM-PAHASOAVANA HOENTI-MANOMPO
|
Isika tsirairay mpanaraka an'i Kristy dia nomena fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy mba hanatanterahana ny iraka nampanaovin'Andriamanitra antsika. Tena nilaina tokoa teo amin'ny fiainan'ny fiangonana kristianina tany am-boalohany ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy sady mampireaaredaa ny hafanam-pon'ireo mpino vaovao hanao asa misiônera. Nanoratra ho an'ny mpino tany Kôrinto ny apôstôly Paoly nilaza taminy fa tsy tiany tsy ho fantatr'izy ireo ny amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy -1 Kôr. 12:1. Ny teny grika "charismata" ampiasain'i Paoly ilazana ireo fanomezana ireo dia manantitrantitra fa fanomezam-pafiasoavana izy ireo. Tena tsy mendrika izany velively isika. Toy izao no voalaza ao amin'ny foto-pinoana faha-5 tanan'ny Fiangonana Advantista, foto-pinoana izay mifantoka amin'ny asan'ny Fanahy Masina: "Manolotra fanomezam-pahasoavana ho an'ny fiangonana Izy". Foto-kevitra lehibe izany. Na dia omena amin'ny alalan'ny mpino aza ireo fanomezana ireo, dia fanomezana ho an'ny fiangonana, raha ny tena marina. Tsy omena velively mba hahasoa sy hampiorina fotsiny ny mpino tsirairay tsy akory ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy. Mandrakariva dia omena ao anatin'ny tontolon-kevitra manodidina ny iraka ampanaovina sy ny fanompoana izy ireny, Ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy dia omena ny mpino ao anatin'ny tontolon-kevitra manodidina ny fiombonan'ny fiangonana mivelatra kokoa mba hahasoa ny fiangonana eo amin'ny iraka tontolo tontosainy eo amin'izao tontolo izao izy ireny. Ny Rôm. 12:6-8 sy ny 1 Kôr. 12:1-11,27-31 no loharano roa lehibe ao amin'ny Baiboly ahafantarantsika ny amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy. Vakio ireo andalan-teny ireo ary ampitahao amin'izay voalaza ao amin'ny Asa. 8:4-8. Inona ireo fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy nasehon'i Filipo ary tamin'ny fomba ahoana no nampiasany azy ireo? "Rehefa nandre an'i Filipo sy nahita ireo famantarana mahagaga nataony ireo vahoaka marobe, dia nihaino tsara izay nolazainy izy rehetra". (Asa. 8:6, NIV). Na dia tsy mahavita manao fahagagana tahaka an'i Filipo aza isika, inona no foto-kevitra hita eto? Inona mikasika antsika, mikasika ny fiainantsika, mikasika ny fampianarantsika no mety hahatonga ny olona hihaino tsara izay lazaintsika? |
| Nampiditra : josias |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net