Ny misiterin'Andriamanitra dia mihoatra lavitry ny haintsika takarina. Izy dia tsy zavatra azontsika katsahina amin'ny herin'ny tenantsika (Jôba 11:7). Ny Baiboly dia tsy manome antsika famaritana voarindra sy ara-pilôzôfia momba ny maha-Izy an'Andriamanitra. Ny Baiboly dia maneho ilay Andriamanitra izay maneho ny Tenany amin'ny alalan'ny asany sy ny fomba fifandraisany amintsika. Lasa fantatsika hoe iza moa Izy, amin'ny alalan'ny zavatra lazainy amintsika momba ny Tenany; raha tsy izany dia kely fotsiny no haintsika momba Azy.
Ny Soratra Masina dia milaza amintsika fa Andriamanitra dia fitiavana, izany hoe, ny antom-pisiany dia fanolorana ny Tenany, ary miseho amin'ny alalan'ny fiheverany ny mahasoa ny hafa izany.
Inona no ambaran'ireto and. manaraka ireto amintsika momba ny toetra sy ny maha-Izy an'Andriamanitra? Sal. 118:1-4; Rôm. 5:8; 8:37-39; 1 Jao. 4:8,9,16.
Ny fanambarana hoe "Andriamanitra dia fitiavana" no mitondra antsika ho amin'ny ivon'ny avo indrindra ary,milaza amintsika hoe: (1) Ny "Andriamanitra dia fitiavana" dia midika fa ny fiezahana mamantatra ny fanahin'Andriamanitra dia haneho fa izany, ara-natiora, dia fitiavana. Ny fahazoana ny maha-Izy an'Andriamanitra dia zava-dehibe eo amin'ny fototry ny fanavotana. (2) Ny "Andriamanitra dia fitiavana" dia midika fa Izy dia Tena iray izay tia mifandray; ankafiziny amin'ny maha-Izy Azy ny fiarahana amin'ny voariny. Ary ao amin'izany fifandraisany amin'ny olona izany indrindra no anehoany ny fitiavany. Raha tiantsika ho fantatra raha toa Andriamanitra ka tia antsika na tsia, dia tsy mijery ny fahatsapantsika sy ny fihetseham-pontsika isika, fa mijery ny fomba hitondrany antsika na dia mpanota aza , isika; (3) "Andriamanitra dia fitiavana" dia midika fa tsy misy zavatra hafa ankoatra an'Andriamanitra, manetsika Azy ho tia antsika. Koa satria Andriamanitra dia fitiavana, dia tsy ilaintsika akory, eny, tsy vitantsika aza ny manao ny tenantsika ho maha-te ho tia mba hahatonga antsika hoekeny. Ary azo antoka fa tsy misy mihitsy zavatra maneho ny fitiavany amintsika, mihoatra noho ny drafi-panavotana. Tamin'ny fotoana nahalavo indrindra antsika tamin'ny fahotana, i Kristy no lasa Mpanelanelana antsika, Mpanafaka, ary Mpamonjy, dia fanehoana ambony indrindra ny fitiavan'Andriamanitra ny taranaka lavo.
"Raha izany no nitiavan Andriamanitra antsika (dia mba tokony hifankatia kosa isika." - 1 Jao. 4:11. Inona avy ireo fomba azo tanterahina ahafahanao maneho fitiavana amin'ny hafa? Inona no zavatra eo amin'ny fiainanao, izay mety hanakana anao tsy haneho izany fitiavana izany?