Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:27 )
   
lesona 2 04-10-2008 au 10-10-2008
NY FIKORONTANAN'IZAO TONTOLO IZAO: NY FAHARAVAN'NY LAMINA NAPETRAK'ANDRIAMANITRA
( Gen. 3:4,5; Ezek. 28:14-17; Isa. 14:13; Jôba 1:8-11; Apôk. 12:7-9. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FANOHERANA AN'ANDRIAMANITRA


Ahoana no namariparitan'i Isaià ny tena fikasan'ity Kerôbima mpikomy ity? Inona marina no tao am-pony sy tany amin'ny ati-fanahiny tany? Inona no tena antony nanosika azy hanao  izany? Isa. 14:13,14.


Rehefa nihoaran'ny fihetseham-pony hafahafa sady feno fitiavan-tena ny hery sy ny fahendren'ilay Kerôbima dia nanjary nihasahisahy izany izy. Nopotehiny sady tsy nampiasainy araka ny tokony ho izy ilay fahafahana nomen'Andriamanitra azy, eny, fa tonga hatramin'ny faniriany handrombaka ny fahefan'Andriamanitra manokana mihitsy aza izany.
Ao amin'ny Ezek. 28:15 dia ahitana fampitahana mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny toerana nisy ilay Kerôbima, amin'ny maha-voary tsara azy izay nivoaka teo am-pelatanan'ny Mpamorona, sy eo amin'ny mahavoary manan-keloka azy. Tsy nanan-tsiny izy tany am-boalohany, izany hoe tanteraka, tsy nisy fahabangana tao aminy saingy indrisy fa nisy zava-baovao niforona tao anatiny tao: voalaza ao amin'io and. io fa nahitana "heloka" tao aminy. Azo ampiasaina handikana ny hoe fitaka, faniriana tsy masina, lainga ary fivadihana amin'ny finoana io teny ao amin'ny TT io. lzao koa no nambaran'i Ezekiela: "Niavonavona ny fonao " - Ezek. 28:17. Ny teny hebreo hoe "gabah" izay midika hoe ambony, misandratra, no andikana ny hoe miavonavona.
Rehefa miavonavona mantsy dia mahita ny tena ho efa mihoatra ny tokony ho izy na koa mihevi-tena fa ambony kokoa noho ny hafa. Mety hitarika ho amin'ny toe-tsaina tsy te hahalala ny sitrapon'Andriamanitra (Sal. 10:4; Jer. 13:15) sy manohitra an'Andriamantira mihitsy (Ezek. 28:2) izany.
Manao tsoa-kevitra mora foana ny olona ka milaza fa nandika lalàna sady tsy nanaja an'Anddamanitra ilay Kerôbima lavo ka nanohitra Azy, nilaza lainga ary nanao asa famitahana. Fomba ahoana no namitahan'ny menarana an'i Eva raha naneho ny momba an'Andriamanitra taminy izy? (Gen 3:4,5).
Ho fandresena lahatra an'i Eva tsy hankato an'Andriamanitra dia nikaroka hevitra hoenti-manohitra ny toetran'Andriamanitra i Satana. Nolazainy fa tia tena Andriamanitra ka mametra ny fitomboan'ny voariny manan-tsaina sy. feno fahendrena ary mitana azy eo amin'ny toeran'ny fietrena tsy iniana atao amin'ny alalan'ny fandrahonan'ny fahafatesana. Tsy araka ny fihamboany ho Andriamanitra Fitiavana Izy, fa manafina ny , tena toetrany ao amin'ny fanehoana ety ivelany fihetsika feno fitiavana fotsiny. Nafindran'i Satana tamin'Andriamanitra ilay toetrany mpamitaka sy ny fikasan'ny fony efa voaloton'ny ota. Tafafindra eto amin'ity planeta ity ankehitriny ny fanoheran'i Satana an'Andriamanitra tany an-danitra sy ny toetran'Andriamanitra be fitiavana.
"Raha nanam-paniriana marina tokoa ho tahaka ny Avo Indrindra i Losifera, dia tsy ho nilaozany mihitsy ny toerana notendrena ho azy tany an-danitra; miseho aminny.fanompoana tsy misy fitiavan-tena mantsy ny toe-tsain'ny Avo Indrindra. Naniry ny ,fahefan' Andriamanitra i Losifera fa tsy ny toetra amain-panahiny. — IFM, t, 435


Fomba ahoana no tsy hahalavo antsika ao anatin'izany fandrika arapanahy velarin'i Satana izany raha mifamahofaho hatrany eo amin'ny fiainantsika ireny foto-kevitra ireny?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net