Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:51 )
   
lesona 2 04-10-2008 au 10-10-2008
NY FIKORONTANAN'IZAO TONTOLO IZAO: NY FAHARAVAN'NY LAMINA NAPETRAK'ANDRIAMANITRA
( Gen. 3:4,5; Ezek. 28:14-17; Isa. 14:13; Jôba 1:8-11; Apôk. 12:7-9. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY:

 "Fa nisy anankiray nanimba ny fahafahana nomen'Andriamanitra ny zavaboariny. Teraka tao am-pon'ilay anjely iray izay nomen'Andriamanitra haja sy voninahitra lehibe indrindra manarakaraka an'i Jesosy Kristy ny ota. Losifera, ilay "zanaky ny maraina ", masina, tsy nanan-tsiny, nanompo nivantana ny Mpamorona, tamin'ny voalohany dia feno famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra satria anankiray tamin'ireo Kerobima manaloka. – PM. t, 13.

Safidy farany: "Losifera tany an-danitra dia nanota raha teo amin'ny fahazavan'ny voninahitr'Andriamanitra. Tsy nisy voary hafa nomena hahalala nyfitiavan'Andriamanitra tahaka azy. Nahalala ny toetra amam-panahin'Andriamanitra i Satana, nahafantatra ny hatsarany, raha nifidy ny hanaraka ny sitrapony feno fitiavan-tena sy tsy miankina amin'Andriamanitra. Fara-tampony io safidy io. Tsy nisy na inona na inona intsony azon'Andriamanitra natao mba hamonjena azy."– IFM. ft. 821, 822.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

•    Saintsaino ange hoe i Losifera dia voary tonga lafatra nefa nahitana heloka tao aminy! Inona no ambaran'izany amintsika ny amin'ny fahalalahana omen'Andriamanitra ny voariny feno fahendrena? Inona no andraikitra aramôraly apetrak'izany fahalalahana izany eo amintsika tsirairay avy?
•    Raketo ao an-tsainao aloha ny hevitry ny fahalalahana izay omena antsika dia mifanakaloza hevitra mikasika ny anjara asan'ny lalàna. Nahoana no zava-dehibe loatra eo amin'ny fiainan'ny olona nomena fahalalahana ny lalàna? Raha toa àry ka tsy nanana fahalalahana isika, dia mety tsy hisy ilàna ny lalàna intsony ve izany? Nahoana? Izany hoe izao: inona moa no ilàn'ny olona izay tsy manana safidy ara-moràly lalàna?
•    Ivereno jerena ilay fanontaniana ao amin'ny faran'ny lesona tamin'ny Talata. Inona ireo fomba maro samy hafa tadiavin'i Satana hanehoana ny toetrany ao amintsika, na ny isam-batan'olona izany na ny fiangonana? Inona kosa ireo zavatra ataontsika izay mampiseho, indraindray, fa nahomby tokoa i Satana?


FAMINTINANA:

I Losifera, ilay voary nomena fahalalahana, dia nanarampo loatra tamin'izany fahalalahana nomen'Andriamanitra azy izany, ka nanolokolo sain-dratsy tao aminy tao mandra-pivadik'izany ho fihetsika fanoherana ny fitondram-panjakan'Andriamanitra sady fanoherana an'Andriamanitra mihitsy. Ny vokatr'izany: faharavan'ny lamina napetraky ny lanitra. Marina tokoa fa misy fiantraikany any ankoatra ity tanintsika ity ny olana nateraky ny fahotana sy ny fikomiana.


FILETEHAN'NY MASOANDRO (ANTANANARIVO)

  • Zoma 10.10.08 : 5 ora 56mn
  • Sabata 11.10.08: 5 ora 56mn

 
 

Nampiditra : ranaina, MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net