Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:02 )
   
lesona 2 04-10-2008 au 10-10-2008
NY FIKORONTANAN'IZAO TONTOLO IZAO: NY FAHARAVAN'NY LAMINA NAPETRAK'ANDRIAMANITRA
( Gen. 3:4,5; Ezek. 28:14-17; Isa. 14:13; Jôba 1:8-11; Apôk. 12:7-9. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

Tsianjery : " Ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao Aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. - Kôl. 1: 17 "


HEVI-DEHIBE: Ho fanehoana ny niandohan'ny fahalavoan'i Satana sy ny fomba nampidirany ny ady teto an-tany.

Tsy ampy an'i Losifera izay rehetra nananany; tsy noraharahainy akory ny fisandratany tamin'izany fa mbola nikatsaka zavatra hafa ankoatra izany ihany izy. Ary tamin'izany no niantombohan'ny "zava-miafina dia ny  tsi- fankatoavan-dalana - 2 Tes. 2:7, ny fiandohan'ny ota tao amin'ny tontolon'Andriamanitra.
Mijanona ho zava-miafina hatrany ny fototra nipoiran'ny ratsy tao amin'ity voary tonga lafatra ity satria tsy nisy antony nahatonga izany. Raha azo hazavaina izany dia midika fa azo hamarinina ihany koa. Natomboka teo amin'ny dingana kely iray izay nampitsiry fihetseham-po sy faniriana manokana tao amin'i Losifera izany. Ny fihetseham-po nifandrafy tao amin'i Losifera, niaraka tamin'ny tsy fahaizany nampiasa ny fahafahana nomen'Andriamanitra azy no niteraka ny fikorontanana teto amin'izao tontolo izao, ny fikomiana mahery vaika nataony tamin'Andriamanitra no nahatonga ny fahoriana sy ny fahafatesana hihatra tamin'ny voary tsy hita isa.

Ankehitriny dia miaina ao amin'ny vokatr'ity fikorontanana ity isika tsirairay avy,
Aza manary toky anefa! Ho hitantsika amin'ny lesona manaraka fa ho avy hitondra vahaolana mahafa-po sy marina ho an'ireo plana izay nahatonga izao fikorontanana izao eto amin'ity tontolo misy antsika ity i Kristy.

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net