| lesona 3 | 11-10-2008 au 17-10-2008 | |
|---|---|---|
| NY FAHALAVOANA TAO AMIN'NY FAHOTANA | ||
| ( Gen. 1-3; Rôm. 3:9-18; 5:10;-21; 6:16; 2 Pet. 2:19 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FIKOMIANA TAO AMIN'NY SAHA
|
Tsy nentina nilazana ny fahotan'i Adama sy i Eva ny teny hoe fikomiana ao amin'ny Gen. 1-3, kanefa mifono ao anatin'izany ihany io hevitra io. Tsy hoe nandika ny didin'Andriamanitra ihany izy ireo, fa niala tamin'ny fahamarinana ihany koa tao anatin'izany tsy fankatoavana izany. Nihaino ny fandresen-dahatry ny fahavalo i Eva ka nihevitra fa azo itokiana kokoa izany noho ny teny mazava nataon'Andriamanitra. Noheveriny fa voafetra loatra ny didin'Andriamanitra, ka ilainy ny mangataka fahaleovan-tena amin'llay Mpamorona azy mba hahafahany manatratra ny fahaiza-manaony ambony indrindra. Inona no ampahany amin'ireo vokatry ny fahotana miseho avy hatrany, indrindra rehefa raisina ho fikomiana amin'Andriamanitra izany? Isa.59 :2 Namarana ny fifandraisana ety tamin'Andriamanitra izay niainany tamimpifaliana tamin'ny voalohany ny fikomian'i Adama sy i Eva. Lehibe loatra ny fikomiana nataony, hany ka nanelingelina ny fifandraisany izany, tsy tamin'Andriamanitra ihany fa tamin'izy samy izy ihany koa. Nisolo ho fahamenarana (Gen. 3:7) ny tokony ho fifankatiavana sy fifanoloran-tena, vokatry ny fikomiana tamin'Andriamanitra. Tsy nirindra intsony ny fifandraisan'izy ireo manokana (and. 12). Ambonin'izany rehetra izany, nitarika ho amin'ny fisarahan'izy ireo tamin'Andriamanitra io fikomiana io ary nitarika fiheverana fa mahatahotra Izy ka tokony hierena (and. 8-10). Tsy nisy intsony ny fifandraisana feno fitiavana sy firindrana teo amin'Andriamanitra sy ny olona. Asa fampihavanana indray no ilaina. Inona no fanandramana manokana efa niainanao mikasika ny fahotana, ary ahoana ny fiantrailkan'izany amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra sy ny olona hafa? Amin'ny fomba ahoana no ahitanao ny fitoviana eo amin'ny fomba fijery izay niainanao sy izay hita ao amin'ny Genesisy? |
| Nampiditra : ranaina, MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net