Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:44 )
   
lesona 4 18-10-2008 au 24-10-2008
NY FANAVOTANA SY NY FANAPAHAN- KEVITR'ANDRIAMANITRA
( Rôm. 3:19-22; Rôm. 5:6-8; 5:20,21; Efs. 1:4; Kôl. 1:26,27; 2 Tim. 1:8,9; Tit. 1:2. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY:

Famaritana ny atao hoe «fahasoavana»: «Raha tsy lavo izao isika tsy nahafantatra akory ny hevitry ny teny hoe: fahasoavana. Tian'Andriamanitra ireo anjely tsy mba mahalala ota izay manao ny asa asainy tanterahina sady mankato ny baikony rehetra, saingy tsy mba nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahasovana. Tsy mahalala na inona na inona ny amin'ny fahasoavana ireo mponin'ny lanitra ireo; tsy misy ilany izany rahateo satria tsy mba nanota izy ireo tsinona. Ny fahasoavana dia toetran'Andriamanitra aseho ho an'ny olombelona tsy mendrika. Tsy isika no mitady azy fa nalefa mba hitady antsika kosa izy. Mahafaly an'Andriamanitra ny mampitoetra ny fahasoavany amin'izay rehetra mangetaheta izany, tsy hoe satria mendrika izany isika fa noho isika tsy mendrika mihitsy!» - MLT, t. 100.

Fanavotana: Tsy vahaolana tratra aoriana: «Hatrizay no efa nitoetra ny tanjona sy ny drafi-pahasoavana. Talohan'ny nahariana izao tontolo izao no efa nifanarahana tamin'ny tolo-kevitr'Andriamanitra fa hoforonina ny olona ary hanan-kery sy fahefana hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy niafina tamin'ilay mahefa ny zavatra rehetra anefa ny fihodinan'ny olona sy ny vokatr'izany, saingy tsy nahasakana Azy tsy hahatanteraka ny tanjony mandrakizay izany toe-javatra izany, satria hanorina ny seza fiandrianany amin'ny fahamarinana Jehôvah. Fantatr'Andriamanitra hatrany am-piandohana izay hiafarana (...) noho izany dia tsy vahaolana tratra aoriana velively ny fanavotana.» GAG, t. 129.

«Tsy hoe natao ho faty fotsiny Izy fa nahalala marina koa ny henatra sy ny fietrena; tsy maintsy niaritra ny fampahoriana mahatsiravina natao taminy Izy. Tsy nisy fanerena tamin'ny nitondrana Azy hatramin'ny fahafatesana mahamenatra teo amin'ny hazo fijaliana, fa dia natolony ho fanatitra noho ny ota ny fanahiny. Ny sain'Andriamanitra izay vonona hamonjy izao tontolo izao no sain'i Kristy, Ny fitiavana nananan'ny Ray no fitiavana tao Aminy ary io fitiavana io no nanosika Azy.» BE, 25 Nôv. 1895.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  Araka ny fanambaran'i EGW izay hitantsika eo ambony dia nohazavainy tsara fa efa fantatr'Andriamanitra mialoha ny amin'ny hahalavo antsika, ary koa ny vokatra aterak'izany dia fahoriana sy fijaliana. Koa nahoana no mbola namorona antsika ihany Izy? Inona no antony nanaovany izany na dia efa fantany izao aza ny zavatra hitranga? Ahoana no hamalian'ny paragrafy manaraka izany fanontaniana izany? Ahoana no hanampian'ny fahoriana niaretan'i Jesôsy antsika hahafantatra bebe kokoa ny antony hamelan'Andriamanitra ny fahoriana hihatra amintsika?                                                                                                                                                                       Manorata andalan-tehy iray takila hamintinanao izay zavatra nanaitra sy nahasarika anao indrindra tamin'ny lesona tamin'ity herinandro ity. Ento eo amin'ny kilasinao izany dia zarao amin'ny hafa.

FAMINTINANA: Tsy hoe nandray fanapahan-kevitra hamonjy antsika fotsiny Andriamanitra fa nataony an-tsitrapo mihitsy izany noho ny toetrany be fitiavana. Izany fanapahan-kevitra izany, izay maneho ny toetrany mpamindra fo sy feno fahasoavana dia efa nataony hatrizay sy ho mandrakizay, vita talohan'ny namoronana antsika ary nitaky ny fahafatesan'llay Zanak'Andriamanitra, izay natao sorona noho ny ota. Niseho ary tanteraka teo amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny asa nanirahana Azy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty ny drafi-panavotana.

 


FILETEHAN'NY MASOANDRO (ANTANANARIVO)

  • Zoma 24.10.08 : 6 ora 01 mn
  • Sabata 25.10.08: 6 ora 56 mn

 

Nampiditra : ranaina, MYRIAM, joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net