| lesona 6 | 01-11-2008 au 07-11-2008 | |
|---|---|---|
| SARY AN'OHATRA MOMBA NY FANAVOTANA (FIZARANA 1) | ||
| ( Gen3:21 ; 4:3-5 ; Lev 17:11 ; Rom 3:23 ; Efes 2:11-13 ; Pet 1:18-19. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FAHOTANA SY TSY FAHADIOVANA
|
Ny bokin'ny Levitikosy dia milaza an-tsipiriany ny olan'ny fahotana sy ny tsy fahadiovana, kanefa izy io dia manamafy manokana ny lohahevitra mahakasika ny fahadiovana / tsy fahadiovana na fandotoana / fanadiovana. Ny tsy fahadiovana dia heverina ho isan'ny famotehana ny fifanekem-piarahana, toy ny fahotana an'eritreritra ihany. Ny toromarika momba ny tsy fahadiovana dia natao hamolavolana ny isiraelita mba hifady ny zavatra izay mety handoto azy ireo. ny lalàna mahakasika ny fanadiovana dia nampianatra azy ireo momba ny fomba mety hamerenana indray ny fahadiovany eo anatrehan'ny Tompo. Maro ny loharanon'ny tsy fahadiovana, ary tsy azo sorohina ny sasany amin'izy ireny. ohatra, misy fahalotoana izay atrehin'ny vehivavy mandritra ny fiterahana (Lev 12). Eo amin'izay lafiny izay izao ny fahalotoana dia vokatr'ilay rà mivoaka eo am-piterahana (lev 12:4,5,7 ; jereo ihany koa ny Lev 15:19-30 fa misy karazana fahalotoana hafa). Heverina ho maloto ihany koa ny olona izay mitsi-trà (Lev 15:1-15, 16-18). Ny isam-batan'olona amin'ireo tranga ireo dia mpitondra loto avokoa ; noho izany izy dia tsy afaka mikasika na iza na iza na zava-masina. mazava ho azy fa ny fanamafisana ny resaka fisasana dia fampirisihana ho amin'ny resaka fahadiovana. misy tombony ara-teolojika ihany koa anefa izany. Ny olona tsy madio dia tsy mahazo mikasika ny olon-kafa ary tsy mahazo mankao amin'ny fitoerana masina. "Ny tsy fahadiovana" izany dia lasa sary an'ohatra anehoana ny fisarahan'ny olona amin'Andriamanitra sy ny hafa. izany hoe ny tsy fahadiovana matetika dia miaraka amin'ny fahafatesana. Misy ifandraisany amin'ny vatana maty hatrany izy io matetika (Nom 6:6,7,11), aretina (lev 13 sy 14), rà maloto mivoaka (fomba hamerezana ny aina), ary famoahana tsirin'aina izay "voa" an'ny fiainana. Naloto tanteraka ilay boka ary noheverina fa maty (Nom 12:9-12). Efa eo am-baravaran'ny fahafatesana ilay olona maloto ary tsy afaka amin'izany toerana izany raha tsy amin'ny alalan'ny fombafomba fanadiovana. Raha tsy izany izy dia ho tafasaraka tanteraka amin'Andriamanitra sy ny olon'Andriamanitra (Lev 15:31). Ny fomba fijerin'ny baiboly ny fahalotoana dia maneho fa efa ara-boajanahary eo amin'ny olombelona ny fahazoana fahalotoana, avy amin'ny tontolo izay tsy madio raha ara-pototra. Mila fanadiovana izy ireo mba hahafahany manatona maimaim-poana ny Tompo. Tena azo tanterahina izany fanadiovana izany, amin'ny alalan'ny ran'ilay atao sorona (Lev 12:8). Vakio ny Efes 2:11-13. Na dia tsy hita ao aza ny teny hoe fahalotoana dia manao ahoana ny fomba fijery azy, araka ny fanazavana etsy ambony, hita ao amin'ireo and. ireo ? Inona no karazana "fahalotoana" atrehintsika ankehitriny ? Ahoana no fomba hanadiovana antsika amin'izany ? |
| Nampiditra : MYRIAM, sandy, joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net