Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:23 )
   
lesona 6 01-11-2008 au 07-11-2008
SARY AN'OHATRA MOMBA NY FANAVOTANA (FIZARANA 1)
( Gen3:21 ; 4:3-5 ; Lev 17:11 ; Rom 3:23 ; Efes 2:11-13 ; Pet 1:18-19. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FANAISORANA NY FAHOTANA / FAHALOTOANA

Inona no anjara asan'ny mpisorona sy ireo olona eo amin'ny fisoronana voalaza ato amin'ireto and. ireto ? Lev 4:5-7 ; 28-31.

Maro ny fomba amam-panao izay tena zava-dehibe rehefa miezaka mankatra momba ny fanatitra fisoronana. Rehefa entin'ilay mpanota mibebaka ao amin'ny fitoerana masina ilay biby atao fanatitra, dia apetrak'ilay mpanota eo ambonin'ny lohan'ilay biby ny tanany. Amin'ny fanatitra atao isan'andro, ilay fametrahan-tanana dia arahina teny hoe : "hahazoany fankasitrahany izany, hanaovana fanavotana ho azy"  (Lev 1:4), milaza fa misy mihevitra tanteraka ilay mpanota sy ilay biby atao fanatitra. Amin'io fotoana io indrindra ilay atao fanatitra no mijoro ho an'ilay olona, eo anatrehan'Andriamanitra, mitondra ny fahotan'ilay olona.

Ilay olona ihany no mamono ilay atao fanatitra, na izany aza anefa dia misy miavaka kely ihany (Lev 1:14,15 ; 5:8). tena manana ny heviny io asa fisoronana io rehefa apetraka eo amin'ny resaka fahamelohana sy fisarahana izay endrika ahitan'ny mpanota mibebaka ny tenany. Noho ny fandikana ilay fifanarahana dia lasa nitodi-doha ho amin'ny fahafatesana ny olona, kanefa kosa ny fahafatesana dia mihatra amin'ilay atao sorona fa tsy amin'ilay mpanota mibebaka, ilay manana fiainana navotan'Andriamanitra.

Tsy afa-misaraka ny fahotana sy ny sazy. Ny famindrana ilay iray dia mitaky ny famindrana ilay iray ihany koa. Ny fahatanterahan'izany dia hita tamin'ny fahafatesan'i Kristy teo an-kazo fijaliana, izay toerana namindrana ny otantsika taminy ka nitondrany ilay fahafatesana izay tokony ho antsika.

Etsy an-danin'ny fametrahan-tanana sy ny fahafatesan'ilay biby, dia fomba iray hafa ihany koa ny fitondrana ilay rà ao amin'ny fitoerana masina, izay fomba hitondrana ny fahotana ao. Misy fotoana izay hanaparitahana azy ao anatin'ny tabernakely ihany koa (Lev 4:6), ary fotoana izay hanosorana azy eo amin'ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra hodorana (and. 30). Rehefa tsy entina ao amin'ny alalan'izay fomba izay ao anaty tabernakely ny fahotana, dia entina ao amin'ny alalan'ny mpisorona. Amin'izany fotoana izany no tsy maintsy hihinanany ny mofon'ilay fanatitra noho ny ota, ary entin'ny tenany manokana izany ny fahotan'ny vahoaka (Lev 10:17). Andriamanitra no mandray andraikitra noho ny otan'ny mpanota mibebaka. izany no manondro ny asa fisoronana ambony ataon'i Kristy ho antsika.

Eritrereto ny hevitr'ireny fanatitra ireny sy ny zavatra izay tondroiny : Kristy maty teo amin'ny toerantsika noho ny otantsika. Ahoana no tokony ho fiantraikan'ny fahamarinan'ny fahafatesany eo amin'ny fiainantsika ? Mihoatra noho izany, inona no fiantraikan'izany fahafatesana izany ao amin'ny tenanao manokana ?

Nampiditra : sandy
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net