Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:51 )
   
lesona 7 08-11-2008 au 14-11-2008
SARY AN'OHATRA MOMBA NY FANAVOTANA (FIZARANA 2)
( Lev.16; Nom. 18:1-8; Sal. 28:2; 132:7; 138:2. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

ANDRO FANAVOTANA (I)


Maneho ny famahana farany ny olan'ny fahotana sy ny fahatontosan'ny famonjena araka ny hita teo amin'ny fanompoam-pivavahana isan'andro ny fanompoam-pivavahana rehefa Andro Fanavotaria. Tsy maintsy nodiovina ny tabernakely iray manontolo, ny efitra Masina sy ny Masina Indrindra. Tsy maintsy nodiovina izy ireo noho ny "fahalotoan'ny Zanak'lsiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra" - Lev. 16:16. Nafindra tao amin'ny fitoerana masin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo fanatitra nentin'ny mpanota nibebaka ireo fahotana ireo. Voaverina amin'ny fahadiovany sy ny fahamasinany tamin'ny voalohany ny tabernakely mandritra ny Andro Fanavotana. Amin'io andro io izay indray mandeha isan-taona no misy sombin-toerana kely lavitry ny ota sy ny fahalotoana tahaka ny Saha Edena. Nanome fanombohana vaovao ho an'ny vahoaka isiraelita io fiverenana" amin'i Edena io, izay nankalazaina isaky ny faran'ny taona. Nanondro fanombohana vaovao eo amin'ny firindran'izao tontolo rehetra izao izany (ampitahao amin'ny Dan. 10:35).

Vakio manokana ny Lev. 16:16,17,21,30,33,34. Inona no hevitra voasongadina manokana hitanao ao? Ny fahotan'iza no voakasika tamin'io andro io, raha ampitahaina amin'ny fanompoam-pivavahana isan'andro? Lev. 1:1-4.

Ireo and. ireo dia milaza fa mahafaobe izany fanadiovana izany satria ny fahotana rehetra vitan'ny olona rehetra no voaresaka ao anatiny. Isiraely iray manontolo no voakasik'izany. Izany no hetsika farany nataon'Andiamanitra mikasika ny olan'ny fahotan'ny Isiraely tamirïio taona io, ary mampiseho taratra mialoha ny hetsika farany hataony momba ny fahotana amin'ny andro farany izany (Heb. 9:28).

Inona no nandrasan'Andriamanitra tamin'ny vahoakany nandritra io andro io? Lev. 23:26-31.

Marina tokoa fa mahafaoka ny olona rehetra ny Andro Fanavotana ary tafiditra ao ny firenena iray manontolo kanefa tsy maintsy nanana anjara asa ny isam-batan'olona teo amin'ny fanoiorana tanteraka ny momba azy ho an'Andriamanitra, "Hofongoirma tsy ho amin'ny fireneny" (Lev. 23:29) ireo izay hita ho tsy miankina amin'ny Tompo ka manetry tena tanteraka eo anatrehany.

Mety ho henjana ny fandrenesana izany kanefa ny toetry ny famonjena feno haja sy mahatahotra no tiana hasongadina. Mampitombo indrindra ny faharetan'ny fiarahan'ny olona iray amin'Andriamanitra ny fandalovana izany,

Amin'ny heviny iray, ahoana no tokony "hiorian"' ny fanahintsika isan'andro isan'andro? Inona no hevitr'izany? Jer. Mat. 16:24,25; Rôm. 6:1-13; Heb. 12:4.

Nampiditra : josias
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net