| lesona 9 | 22-11-2008 au 28-11-2008 | |
|---|---|---|
| FANOHARANA MIKASIKA NY FAMONJENA | ||
| ( Rom 3:25 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
|
FIANARANA FANAMPINY: Fampihavanana: "Miala avokoa ny sakana rehetra misy eo amin'ny fanahy sy Andriamanitra, ary takatr'ilay mpanota ny fitiavan'Andriamanitra mamela heloka, izany no atao hoe fampihavanana. Afaka mamela ara-drariny ny heloky ny mpandika lalàna izay manaiky ny famendrehan'i Kristy Andriamanitra, noho ny fanatitra nataon'i Kristy ho an'ny olombelona lavo. I Kristy no fantsona nikorianan'ny famindrampo sy fitiavana ary fahamarinana avy ao amin'ny fon'Andriamanitra ka mankamin'ny fon'ny mpanota." - SIM, b. 1,t. 396. Ny fahatezeran'Andriamanitra: "Natao hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra Kristy Izy, izay raha ny tokony ho izy dia nianjera tamin'ny olombelona. Tonga fierena ho an'ny olona Izy, ary na dia mpanao heloka bevava sy mendrika ny fahatezeran'Andriamanitra aza ny olona dia mbola afaka manatona izay fierena izany sy ho voaaro ihany, amin'ny finoana an'i Kristy. Misy fiainana eo amin'ny fahafatesana raha misafidy ny hanaiky izany ny olona." - RH, 24 Feb., 1874. FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA • Iza amin'ireo sary maro samy hafa voaresaka tamin'ity herinandro ity no mety indrindra aminao? Nahoana? Resaho eo amin'ny kilasy ireo sary samihafa ireo ary ifampizarao ny anton'ny safidinareo. • Aza miala amin'io foto-kevitry ny fampihavanana io. Inona no azontsika ianarana avy amin'ny fitantaran'ny olombelona mikasika ny fampihavanana ka afaka hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa izany amin'ny maha-fanoharana ny fanavotana azy? • Amin'ny fomba ahoana no maha-fanehoana sy fanambarana lehibe indrindra ny fitiavan'Andriamanitra ny Hazo fijaliana? Inona no fampaherezana azontsika tsoahina avy amin'ny Hazo fijaliana, mikasika ny toetran'Andriamanitra, ka afaka hanohana antsika mandritra ny fotoan-tsarotra? • Tsy azo novonoina ny fahatezeran'Andriamanitra ny amin'ny fahotana; inona no tokony hambaran'izany amintsika mikasika ny toetry ny ota? Raha lazaina amin'ny teny hafa dia hoe: nahoana no tsy nohadinoin' Andriamanitra fotsiny tamin'izao ny ota fa mbola nampiharany ny fahatezerany ihany? FAMINTINANA Sary maro samy hafa no ampiasain'ny Baiboly mba hanampy antsika hahatakatra ny fahafatesan'i Kristy. Tondroin'ny fanavotana fa nanafaka antsika tamin'ny herin'ny fahotana ny fahafatesany. Namerina amin'ny laoniny ny fifandraisana feno fiadanana tamin'Andriamanitra izany; ary nampihavana antsika tamin'ny nandresena ny fikomiantsika. Amin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy dia voalaza ho tsy manan-tsiny isika eo anatrehan'ny fitsaran'ny lanitra, satria maty ho solontsika Izy. Ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana dia toerana izay ilazan'Andriamanitra amintsika hoe: "Jereo ange e, toy izao no fitiavako anao!" FILETEHAN'NY MASOANDRO (Antananarivo)
|
| Nampiditra : MYRIAM, joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net