Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:53 )
   
lesona 11 06-12-2008 au 12-12-2008
IREO TOMBONTSOA AVY AMIN'NY FANATI-PANAVOTANA NATAON'I KRISTY
( Rôm. 8:34-39; 1 Kôr. 15:16-18; Efes. 1:3; Kôl. 1:16, 17; Heb. 7:25; 1 Pet. 3:21, 22; 1 Jao. 1:9. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

ASA FANELANELANANA ATAON'I KRISTY SY FIAHIANA NY AINA

 

Inona no fiantraikan'ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina ao an-danitra eo amin'ny tontolon'ny zava-boary? Jao. 3:35; Kôl. 1:16,17; Heb. 1:3.
Mety ho lasa tany haolo tahaka ny planeta Marsa ny tany raha tsy ny Hazo fijalian'i Kristy sy ny asa fanelanelanana ataony eo anatrehan'ny Ray. Araka ny efa voalaza dia misy vokany ratsy eo amin'ny tontolon'ny zava-boary ny fahotana ka nampahatonga azy ho fanehoana ny toetra feno fikomian'ny fahotana izany. Tsy mba nandao io tontolo io anefa Andria­manitra. Hoy ny mpanao Salamo: "Tsara amin'ny olon-drehetra ny Tompo, be indrafo amin'ny asany rehetra" - Sal. 145:9, NIV. Voazava ho fanambarana ny fitiavan'Andrimanitra ny fomba fanohanarïny ny Tompo ny tany.
 
Raha misy ny singa manokana eo amin'ny zava-boarin'Andriamanitra ka tandindomin-dozan'ny ota mivantana, dia ny fisian'ny aina eo amin'ny planetantsika. Tapa-kevitra ny hitahiry amin'ny fitiavany ny aina izay nohariany Izy, na dia efa voan'ny aretin'ny fahotana aza izany. Izao no voalazan'i Paoly: "Ao aminy no ivelomantsika sy ihetsiketsehantsika ary isiantsika" - Asa 17:28, NIV. Tsy vokatry ireo lalàna toy ny ahodi-milina ka tsy misy fiankinany amin'Andriamanitra akory ny fitehirizana ny aintsika:
"Eo ambanin'ny fanaraha-mason'Andriamanitra ny fiainan'ny taova ao amin'ny tenantsika, ka tsy toy ny famataranandro fahanana akory izany ary avela handeha ho azy. Mitempo ny fo, manaraka ny fitempo iray ny anankiray hafa, misy fofon'aina mivoaka sy miditra, dia toy izany hatrany, kanefa arahan'Andriamanitra maso tanteraka ny maha-izy ny vatana iray manontolo.... Ny fitempon'ny fo tsirairay, ny fofon'aina indray mivoaka tsirairay, dia samy avy amin'llay nanisy fofon'aina tao amin'ny vavoron'i Adama avokoa - avy amin'llay Andriamanitra nisy hatrizay ka ho mandrakizay, May IZAHO NO IZY lehibe." - MM, t. 9.
 
Amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra no mbola itehirizana ny ain'ny mpanota na dia mendrika azy aza ny fahafatesana. Ny Hazo fijaliana irery ihany no nahazoana manatanteraka izany rehetra izany. Izao no nolazain'i Paoly sy Barnabasy tamin'ny mpanompo sampy sasantsasany: "kanefa tsy navelan'Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin'ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin'ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo" - Asa 14:17, NIV. "Mampaniry ny ahitra ho an'ny biby fiompy Ianao sy mampaniry ny zavatra volen'ny olona, ary mampamokatra hanina ny tany" - Sal. 104:14, NIV. "Fanehoana ny fahasoavana ombam-pitiavan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy ireo rehetra ireo ary tsy mendrika ny zava-boariny velively (Mat. 5:45; Lio. 6:35). Tsy voafetra ho an'ireo izay manompo Azy ihany ny fahatsaran'Ahdriamanitra; fa ny olombelona rehetra no voafaoka ao anatin'izany.
 
Eritrereto ny mety ho vokatry ny lesona androany: Miankina amin'ny fahasoavan'i Kristy ny fisian'ny tsirairay avy. Ahoana no tokony hisian'io zava-misy io akony eo amin'ny fomba fifandraisanao aman'olona? Ahoana no anampian'io zava-misy io anao hahatakatra ny tombam-bidin'ny ain'ny olombelona rehetra?
Nampiditra : joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net