Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:03 )
   
lesona 11 06-12-2008 au 12-12-2008
IREO TOMBONTSOA AVY AMIN'NY FANATI-PANAVOTANA NATAON'I KRISTY
( Rôm. 8:34-39; 1 Kôr. 15:16-18; Efes. 1:3; Kôl. 1:16, 17; Heb. 7:25; 1 Pet. 3:21, 22; 1 Jao. 1:9. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

ASA FANELANELANANA ATAON'I KRISTY SY ASAN'NY FANAHY MASINA

 

Mazàna no miresaka mikasika ny fahasoavana lombonana na ny fahasoavana mahamasina ny teolojiana, mba hahatakarana tsaratsara kokoa ny tena toetry ny fahasoavana. Raha amin'ny fomba fijery Advantista, ny fahasoavana iombonana dia ilay toetran'Andriamanitra feno halemem-panahy izay asehony amin'ny mpanota amin'ny fitehirizana ny aina eto aminïty planeta ity sy amin'ny asan'ny Fanahy ao am-pon'ny olona mba hiantso -antsika hiaky sy hitsotra ny ota vita ary hiova fo. Ilay asan'ny Fanahy ao am-pon'ny olona izay manaiky an'i Kristy ho Mpamonjy azy indray mazàna no hiheverana ny atao hoe fahasoavana mahamasina. Nampiely rivo-pahasdavana manodidina ny planeta ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny Hazo fijaliana:
"Tamin'ny nanomezan Andriamanitra ny Zanany, Ilay fanomezana tsy misy toa azy, dia efa nohodidininy rivo-pahasoavana, toy ny anodidinan 'ny rivotra ny tany rehetra, izao tontolo izao. Izay rehetra mety miaina amin'izany rivotra mahavelona izany, dia ho velona sy hitomho ho lehilahy lehibe sy vehivavy leliibe ao amin '/' Kristy." - TH, t. 81. Fahasoavana iombonana izany, ka azon'izay rehetra manaiky izany horaisina ho an'py tenany.
Inona no nampanantenain'i Kristy ny mpianatra, ary Inona no anjara asan'io fanomezam-pahasoavana io? Jao. 14:16, 17; 16:8-11; Rôm. 8:9-14.
 
Nilaza tamin'ny mpianatra Jesôsy fa aorian'ny fandehanany dia handefa ny Fanahy ho any aminy Izy ka io Fanahy io no "hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana." - Jao, 16:8. Izany no fahasoavana iombonana. Anjara asan'ny Fanahy izany mba hahatonga ny olombelona hahatakatra tanteraka ny fahotany sy ny helony ary ny fisarahany amin'Andriamanitra. Tondroiny amin'izy ireo ihany koa miaraka amin'izany ny Hazo fijalian'i Kristy, izay hany lalan-tokana hialany amin'ny toerana tsy misy fanantenana misy azy. Tsy manan-kery ny Hazo fijaliana raha tsy ny asan'ny Fanahy. Saingy aoka koa ho mazava tsara fa noho ny Hazo fijaliana no mahatonga ny Fanahy hiasa eo amin'izao tontolo izao, ka entiny mandrakariva eo amin'i Jesôsy ny mpanota mba ho famonjena azy ireo.
Tsy manery ny olona handray azy tsy akory ny fahasoavana; izany hoe azon'ny olombelona atao tsara ny manda azy, toy izay ataon'ny maro. Zara raha fahasoavana ny fahasoavana (dia ho izany tokoa ve?) raha terena handray azy ny olona. Manaja ny fahafahan'ny zava-boariny ny Tompo; tsy misy manaporofo izany amin'ny fomba tsara kokoa afa-tsy ny Hazo fijaliana.
Eo amin'ny inona no ahitanao ny tenanao ho manohitra ny bitsiky ny Fanahy? Nahoana no manao izany isika? Nahoana no mampidi-doza tokoa izany fanoherana izany, na dia amin'ny zavatra "bitika" aza? Zava-dehibe mihoatra lavitra noho izany, ahoana no ianarantsika isan'andro ny fanekena hotapahan'ny bitsika avy any ambony?
Nampiditra : joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net