| lesona 11 | 06-12-2008 au 12-12-2008 | |
|---|---|---|
| IREO TOMBONTSOA AVY AMIN'NY FANATI-PANAVOTANA NATAON'I KRISTY | ||
| ( Rôm. 8:34-39; 1 Kôr. 15:16-18; Efes. 1:3; Kôl. 1:16, 17; Heb. 7:25; 1 Pet. 3:21, 22; 1 Jao. 1:9. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
|
FIANARANA FANAMPINY:
"Manolotra ny hatsaran'ny asa fanelanelanana ataony eo anatrehan'ny Ray ny Mpamonjy, ka Izy mihitsy no manao ny asan'ny mpanelanelana manokana. Amin'ny fanaovany ny Tenany ho Mpisolovava antsika.dia iriany raha fantatsika fa apetrany ao anaty fandoroan-ditin-kazo volamena ny famendrehany sy ny fandairan'ny asany, mba hahazoany manolotra azy ireo miaraka amin'ny vavaka ataon'ny olony amin'ny fahitsiam-po tokoa. Tena zava-dehibe tokoa araka izany ny fanaovantsika vavaka betsaka; satria rehefa miakatra eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ny vavaka ataontsika dia mifangaro amin'ny hanitry ny fahamarinan'i Kristy izany. Tsy ny feontsika irery ihany no re. Mialohan'hy hahatongavan'izany eo an-tsofin'Andriamanitra dia efa miharo amin'ny feon'i Kristy izany, izay ren'ny Ray mandrakariva." - MR, b. 7, t, 166.
"Nefa raha mbola manalalana ho an 'ny olombelona ao amin 'ny Fitoerana Masina any ambony koa i Jesôsy, dia mbola hanan-kery amin 'ny mpifehy sy ny vahoaka ny herin 'ny Fanahy Masina Izay miasa hamepetra ny fihetsika. Mbola mifehy ireo lalàna eo amin'ny tany amin 'ny lafiny sasany Izy. Raha tsy misy ireo lalàna ireo dia ho ratsy lavitra noho izao ny toetran 'izao tontolo izao. Na dia maro amin'ireo mpanapaka antsika aza no mpiasa mazoton'i Satana, Andrimanitra koa dia mbola manana ny mpanompony eo anivon'ny mpitarika ny flrenena. Mibitsika amin'ireo mpanompony ny fahavalo mba hanao lalàna izay hiteraka fisakanana makadiry amin 'ny asan 'Andriamanitra; nefa misy mpitondra fanjakana matahotra an 'i Jehôvah hiasan'ny anjely mangina mba hanohitra ireo soso-kevitra ireo amin 'ny alalan 'ny fonjan-kevitra tsy azo ialana. " HM, t. 636.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
• Raha tia antsika Andriamanitra ka nandefa ny Zanany ho faty ho antsika, nahoana no mbola ilain'i Jesôsy ihany ny manao ny asa maha-Mpisoronabe Azy eo anatrehan'ny Ray?
• Avereno vakiana ny bokin'ny Hebreo. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny maha-zava-misy marina ary ny halehiben'ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy ho antsika any an-danitra?
• Ahoana no hamalian'ny maha-zava-misy marina ny asan'i Kristy any an-danitra ity fanontaniana ity: Inona no nataon'i Jesôsy nandritra ireo taona rehetra taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty?
FAMINTINANA:
Manohy ny asam-pamonjeny amin'ny alalan'ny asa fanelanelanana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra Kristy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty. Avy ao no anaovany asa fanelanelanana ho an'ny olombelona mikasika ireo fitahiana ara-nofo, ary koa iahiany ny aina ambonin'ity planeta ity. Amin'ny maha-Mpisoronabentsika Azy dia tanterahany amin'ireo izay mamaly ny antson'ny Fanahy Masina mba handray Azy ho Mpamonjy ny tombontsoa fenon'ny fanavotana nataony teo amin'ny Hazo fijaliana.
FILETEHAN'NY MASOANDRO (Antananarivo)
|
| Nampiditra : MYRIAM, joel |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net