| lesona 13 | 20-12-2008 au 26-12-2008 | |
|---|---|---|
| FANAVOTANA SY FIRINDRANA MANERANA IZAO TONTOLO IZAO | ||
| ( Dan. 8:13,14; 1 Kôr. 4:5; 15:51-54; Heb. 9:23; Apôk. 20:1-4,11-15; 22:3-6. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
|
FIANARANA FANAMPINY "Koa tsy hanandratra ny hazo fijalian'i Kristy àry ve izany isika? Manome hafa sy voninahitra an'i Kristy ny anjely, satria na izy ireo aza dia tsy misy toky azo antoka ho azy raha toa ka tsy mijery ny fahorian'ny Zanak'Andriamanitra izy ireo. Ny asan'ny hazo fijaliana mandaitra aminy no miaro ny anjelin'ny lanitra amin'ny fihemorana. Tsy mihoatra noho ireo anjely talohan'ny nahalavoan'i Satana izy ireo, fa raha tsy eo ny hazo fijaliana dia tsy misy toky azo antoka ho azy ireo hahafahany manohitra ny ratsy. Tsy nahomby ny fahatanterahan'ny anjely tany an-danitra. Tsy nahomby ny fahatanterahan'ny olombelona tany Edena, ilay paradisampahasambarana. lzay rehetra maniry te hanana toky azo antoka eto an-tany na any an-danitra dia tsy maintsy mijery ny Zanak'ondrin'Andriamanitra. Ny drafi-pamonjena, izay mampibaribary ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fitiavany, dia miantoka fiarovana mandrakizay amin'ny fihemorana any amin'ireo tontolo tsy mba lavo tao amin'ny fahotana, ary koa eo anivon'ireo izay havotana amin'ny ran'ny Zanak'ondry. Fitokisana tanteraka ny ran'llay mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany no hany fanantenana ho antsika. Ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana tany Kalvary no hany fanantenana ho antsika eto amin'ity izao tontolo izao ity, ary izany no ho foto-kevitra ijoroantsika any amin'ilay tontolo ho avy. Indrisy! Tsy takatry ny saintsika ny tombam-bidin'ny fanavotana! Fa raha takatry ny saintsika izany dia hiresaka bebe kokoa momba izany isika. Ny fanomezana natolotr'Andriamanitra tao amin'ny Zanany malalany no fanehoana fitiavana tsy takatry ny saina Izay no dingana fara tampony azon'Andriamanitra natao ho fiarovana ny voninahitry ny lalàny, sady nahazoany namonjy ihany ny mpandika lalàna." - ST, 30 Des, 1889.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: • Saintsaino ny hevitra fonosin'ny teniny [tenin'i EGW] hoe na dia ny anjely aza dia tsy manana toky azo antoka raha tsy mijery ny hazo fijaliana izy ireo. Inona no dikan'izany? Inona no tokony hambaran'izany amintsika? Moa tsy tokony ho zava-dehibe indrindra ho an'ny fiainantsika andavanandro sy ny fiarahantsika mandeha amin'ny Tompo ve ny hazo fijaliana? FAMINTINANA: Ny Andro Fanavotana dia mampitodika ho amin'ny fahatanterahan'ny asa famonjena nataon'! Kristy. Fanadiovana izao tontolo izao ho afaka amin'ny ota sy ny ratsy no ho vokatr'izany. Manomboka amin'ny fanomezana rariny ny vahoakan'Andri aman ltra sy ny fanesorana azy ireo tsy ho eo anatrehan'ny ota sy eo anatrehan'i Satana izany fahatanterahan'ny asa famonjena izany. Hodinihina mandritra ilay fitsarana maharitra 1000 taona ny fiantraikan'ny olana momba ny ota nanerana izao tontolo izao, fitsarana izay hiafara amin'ny fandringanana ireo herin'ny ratsy. Aorian'izay dia hisy firaisana maharitra eo amin'Andriamanitra sy ny fianakavian'ny lanitra; izany rehetra izany no tanteraka dia noho ny fahafatesan'i Kristy ho fanavotana. Handresy ny fitiavan'Andriamanitra.
|
| Nampiditra : ranaina, MYRIAM |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net