Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:14 )
   
lesona 6 31-01-2009 au 06-02-2009
FISEDRANA NY MPAMINANY
( Isa 8 :20 ; Jer 18 :6-10 ; Jôna 3, 4 ; Mat 7 :20 ; Ga 2 :11-14. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FAMINANIANA TANTERAKA


Vakio ny Jer. 18:6-10. Inona no fitsipika lehibe hita eto mikasika ny fahatanterahan'ny faminaniana?

Anisan'ny ahafantarana ny tena mpaminany marina ihany koa, ny fahatanterahan'ny faminaniany (jereo ny 1 Sam. 9:6; Jer. 28:9, Fit. 3:37). Mety tsy ho tanteraka ihany koa anefa ny faminaniana raha toa ka niova fo ny vahoaka izay nanaovana izany. Izay ilay antsoina hoe faminaniana misy fepetra, ary zava-dehibe ho antsika ny fahatakarana izany.

Diniho ny Jônà 3 sy 4. Inona no tokony hoheverina tsara eo amîn'ny fanaovana ilay fisedrana ny fahatanterahan'ny faminaniana?

Miankina amin'ny asa sy ny toetry ny olona voakasik'izany ny fahatanterahan'ny ankamaroan'ny faminaniana (afa-tsy ireo faminaniana Daniela momba ny andro farany sy ny Apôkalipsy). Nanan ny fanambaràna mazava tsars, izay nomen'Andriamanitra azy i Jônà, fa "horavana" i Ninive (Jônà 3:4), ao anatin'ny 40 andro. Tsy nitranga mihitsy anefa izany. Mpaminany sandoka ve izany i Jônà? Mazava loatra fa tsia. Nisy fepetra mantsy ilay faminaniana; niankina tamin'ny fomba namalian'ny olona ny hafatra nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahatanterahan'izany faminaniana izany.
Io fitsipika io no mety hanazava ny antony tsy nahatanterahan'ny faminaniana manokana nataon'i EGW tamin'ny taona 1856. Izao mantsy no nambaran'i EGW tamin'ny taona 1856: "Naseho ahy izao fikambanana izao tao amin'ny Foibe. Hot' ilay anjely: "Ny sasany ho sakafon'ny kankana, ny sasany hiharan'ireo loza fito farany, ary ny sasany mbola ho velona sy hitoetra eto ambonin'ny tant' ka hafindra amin'ny fiverenan'i Jesôsy." – TFC, b. 1, ft. 131,132.
Ireo izay velona tamin'izany, dia mazava ho azy fa efa maty amin'izao fotoana izao. Ahoana no hanazavantsika izany? Tsy inc-a io fa ilay faminaniana misy fepetra araka ny hita tery aloha. Tsy maintsy tadidiantsika ny nilazana tamin'i EGW fa ho tonga amin'ny fotoan'androny ny fanjakan'Andriamanitra. Izao no nosoratany tamin'ny taona 1896: "Raha toa ka nanao ny asa voatendry hataony, araka ny nanirahan'Andriamanitra azy ireo, izay milaza azy ho manana fanandramana velona miaraka amin'Andriamanitra, dia efa ho voaomana mialoha izao tontolo rehetra izao fa ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe i Jesôsy Tompo." – RH, 6 Okt. 1896.
Izao no nosoratany ao amin'ny boky faran'ny Testimonies for the Church, izay naely tamin'ny taona 1909: "Raha toa ka nanao ny andraikiny avy ny miaramilan'i Kristy tsirairay, raha toa ka nampaneno ny trômpetrany avy ireo mpiambina ny mandan'i Ziona, dia efa talohan'izao no ho nandrenesan'izao tontolo izao ny hafatra fampitandremana. Saingy mbola ho an-taonany maro tokoa anefa ny asa. Raha mbola natory ny olona dia efa nisongona antsika i Satana." – TF, b. 9, t. 29. Misava ny olana raha toa ka ampiharintsika ny fitsipiky ny faminaniana misy fepetra, momba ilay fahitana azony tamin'ny taona 1856. Jereo ihany koa ny lesona Zoma.

Nampiditra : ranaina
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net