Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:03 )
   
lesona 7 07-02-2009 au 13-02-2009
NY ASAN'IREO MPAMINANY
( Hôseà 12:14 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY:

Vakio "The Messenger of the Lord at Work." (Ny Iraky ny Tompo eo am-perin'asa), tt. 73-89; "Ny lalàn'Andriamanitra tsy azo ovana," HM, tt. 447-463.

Rehefa ireo fiangonana lohandohany any Etazonia, izay miray noho ny amin 'ny foto-pinoana iarahan’izy rehetra manaiky, no hiasa mangina amin'ny fanjakana mba hanamqfy ny lalàna ataony sy hanohana ny asa natsangany, amin 'izay dia ho nanao sarin 'ny ambaratongam-pahefana Romana i Amerika Protestanta ka ny fampiharana sazy ataon'ny fanjakana amin ireo izay misaraka aminy no vokatr'izany tsy azo sakanana." -HM, t. 459.

Efa ho dimampolo amby zato taona mahery izao ny Advantista no nampitandrina izao fontolo izao mikasika io fihavanan'ny Katôlika sy ny Prôtestanta ho avy io - dia tamin'ny fotoana indrindra izay niheverana fa toa tsy ho tanteraka velively izany fihavanana izany raha ireo zava-niseho teo amin'ny tontolon'ny pôlitika sy ny fivavahana no itarafana izany. Marina fa ankehitriny efa tena lasa tsy azo ihodivirana intsony ilay hoe tsy ho tanteraka velively; imbetsaka tokoa izao ny Katôlika sy ireo antokom-pivavahana prôtestanta maro samy hafa no efa mivory miaraka, mikaon-doha mikasika foto-kevitra maro dia maro. Ny tena mahaliana dia ity - ary izany dia mifanaraka amin'izay nosoratan'i EGW zato taona mahery lasa izay - ny Prôtestanta no tena miroso amin'ny marimaritra iraisana, tsy mampino, izany rehetrs izany dia ny mba hahatonga io firaisana amin'i Rôma io ho tanteraka. Na dia maro aza ny zavatra mbola hïtranga, ireo toe-javatra ireo dia mitarika ho amin'ny fahatanterahan'ny faminaniana izay mahagaga tokoa, sy porofo mitohoka amin'ny tenda iray hafa manamarina fa nanana ny FPF i EGW.

 
FANONTANIANA  HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
 
Araka izay mety ho tratranao, manaova fikarohana kely mikasika ny toe-javatra niainana teo amin'ny ara-pivavahana tany Amerika tany amin'ny taonjato faha-18 tany, indrindra indrindra mikasika ny fifandraisan'ny Katôlika sy ny Prôtestanta. Ento eo amin'ny kilasy izay fantatrao momba izany amin'ny Sabata, avy eo dia mifanakaloza hevitra mikasika ny faminaniana nataon'i EGW tamin'izany fotoana izany mikasika an'i Rôma sy ny Prôtestanta.
 
 Miresaha ny amin ny fankahalan’ny olona sasany ny lamina ara-pivavahana. Inona ireo fitarainana ataon'izy ireny ? Mitombina ve ireny fitarainana ireny matetika ? Raha eny no valiny, inona no azontsika atao amin’ny maha -fiangonana voalamina antsika mba hahitana vaha olana araka izay azo atao ho an'ny sasany amin’ireny zavafra ireny  izay mahatonga izany fankahalana izany ?
 
 Fomba ahoana no mety hanararaotana ny asasoratr’i EGW ? Inona ireo foto-kevitra azontsika arahina mba hiarovantsika tena amin'ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy io FP mahatalanjona io ?
 
Mizotra amin'ny lalam-piainana kristianina
 
izany no lohatenin'ny sakafom-panahintsika amin'ny
telovolana faharoa 2009
nomanin'i Reinder Bruinsma,
niaraka tamin'ny Kômity mpanomana
ny Lesona Sekoly Sabata ao amin'ny
Foibe Eran-tany, teo ambany
fitarihan'ny Fanahy Masina
Nampiditra : joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net