Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:45 )
   
lesona 7 07-02-2009 au 13-02-2009
NY ASAN'IREO MPAMINANY
( Hôseà 12:14 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

Tsianjery : " Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy "

Araka ny fanambaràna be dia be hita ao amin'ny Baiboly dia tsy mora velively ny fiainan'ny mpaminany. Tsy naningana tamin'izany i EGW, ary na dia tsy niatrika ireo fitsapana izay natrehin'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly aza izy (naiditra am-ponja, notoraham-bato, sns.), dia maro ireo fitsapana nihatra taminy izay tsy nisy valaka tamin'ireny. Nandritra ireo taona voalohandohany niainany, ankoatra ny ady tamin'ny aretina sy tamin'ireo fanafihan’i Satana maro samy hafa, dia tena nahantra dia nahantra sy voatery niankin-doha tamin'ny hafa izy sy i James teo amin'ny lafiny toeram-ponenana sy fanaka. Maty tanora ny roa tamin'ireo zanak'izy ireo efatra, ary i James dia nanao ny ainy tsy ho zavatra, nandeha nitety toerana maro, nitory teny nanoratra boky, nitarika ilay fiangonana kely tsy mbola ary elatra akory, asa mafy nandreraka aina azy tokoa, ka nitarika ho amin'ny fahafatesany tamin’ny taona 1881, teo amin'ny faha-60 taonany. Nandritra ireo 34 taona farany niainan'i EGW, dia zara raha nahafinaritra indraindray ny tontolo nanodidina azy izay nanohizany ny asany.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny sasany amin'ny asany sy ny fomba itovian'izany amin'ny an'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly.

Indray mltopy maso:
Moa ve ny fitoriana ny filazantsara ao amin'ny TV tsy mitovy amm'ny fanambaràna ny famonjena ao amin'ny TT? Nahoana ireo Advantista nitandrina ny andro fahafito tany am-boalohany, izay nipoitra avy tamin'ny fihetsehana notarihin'i Miller, no tsy nanaiky ny hisian'ny rafitra fandaminana ny fiangonana? Inona ireo fomba sasany nampitan'ireo mpaminany ny hafatr'Andriamanitra tamin'ny vahoakany?
Nampiditra : joel
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net