Fahiny, noho ny havitsian'ny fitaovana enti-manoratra sy noho ny hamaroan'ny olona tsy mahay mamaky teny, dia nanana ny lanjany tokoa ny teny aloaky ny vava. Inona no fiantraikan'ny teny naloaky ny vavan'Andriamanitra tamin'ny olona, araka ny hita ato amin'ireto and. ireto? Jer. 38:1-4; Jao. 3:1-10; 6:51-66; Asa. 16:25-34.
' Manana anjara asa anankiroa ny Tenin'Andriamanitra na naloaky ny vava izany na voasoratra. Noharin'i Paoly tamin'ny sabatra roa lela izany, «ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo» - Heb. 4:12.
Ato amin'ny tontolo-kevitr'ity tenin'i Paoly eto ity, ny «Teny» dia entina hilazana ireo hafatra izay notorina tamin'ny lsiraely fahizay sy ny Kristianina (Heb. 4:2).
Tahaka ny antsikely fampiasan'ny mpitsabo rehefa mandidy, dia afaka hiditra any anatintsika any koa ny teny nolazain'Andriamanitra, hanasitrana sy hampody amin'ny laoniny ny «fahasalamantsika», na mety hampitsiry aretina mahafaty izay hiafara amin'ny fanamelohana mandrakizay. Rehefa tsy arahin'ny finoana avy amin'ny mpihaino azy ny teny notorina dia tsy hitondra voka-tsoa ho azy ireo akory izany.
Na dia tsy ny olona rehetra tao am-piangonana aza no nanam-paniriana sy vonona hanaiky ny fahefan'ny faminanian'i EGW, dia hita kosa fa nihaino ny anatra nomeny ny fiangonana an-kapobeny ary nahita tombontsoa tamin'izany.
Ity tantara manaraka ity dia maneho ireo zava-tsoa azon'ny fiangonana tamin'ny fanarahana ny toro hevitr'i EGW. Ohatra, tsy niova mihitsy ny rafitry ny fiangonana izay napetraka teo anelanelan'ny taona 1863 (fotoana niorenan'ny Foibe Eran-tany) sy 1901. Nohajaina ny rafitra fototra najoro ary tsy novana. Fa rehefa nandroso ny asa teo amin'ireo sehatra samihafa dia nisy fikambanana isan-karazany naorina ho fampivoarana ireo departemanta teo (ohatra tamin'izany ny fijoroan'ny sampana «Medical Misionary» (fitsaboana), «Sabbath School» (Sekoly Sabata), «Religions liberty» (fahafahana ara-pivavahana), «Tract Society», sns). Ary satria fikambanana mahaleo tena izy ireo izay notantanana kômity mahaleo tena ihany koa fa tsy tao anatin'ny fikambanan'ny Foibe Eran-tany, dia nisy fifaninanana matetika teo anivon'izy ireo. Etsy an-danin'izay anefa, ny fanapahan-kevitra goavana rehetra mahakasika ny asa maneran-tany dia andraikitr'olona maromaro tao amin'ny Foibe Eran-tany tany Battle Creek.
Ny andro nialoha ny fivoriamben'ny Foibe Eran-tany tamin'ny taona 1901 dia nihaona tamin'ireo mpitondra fiangonana i EGW ary nampirisika azy ireo hanova rafitra hitondrana ny fiangonana; fiovana miezinezina mihitsy no notakiny hatao teto. Araka izany, rehefa nisokatra ny fivoriana dia napetraka aloha ireo fandaminan-draharaha fanao mahazatra fa nanendry ny kômity (izay nahitana olona teo amin'ny 75 teo) hiasa ho amin'ny rafi-pandarninana vaovaon'ny fiangonana. Vokany, nihanivelatra ny kômitin'ny Foibe Eran-tany satria nanjary anisan'ireo departemanta ireo fikambanana maro samy hafa nahaleo tena teo aloha; naorina ihany koa ny Fivondronambe (Union) mba hahazoan'ireo mpitondra eo amin'ny sahan'asa mandray fanapahan-kevitra eo amin'ny faritra iadidiany ka tsy hiandry foana ireo fanapahan-kevitry ny kômity avy any Battle Creek.
Nekena tamim-piraisan-tsaina tanteraka ary naharitra ny fisedran'ny fotoana ny rafi-panldaminana vaovaon'ny fiangonana. Na nisy aza ireo fanovana madinidinika sy fampivelarana teny an-tsefatsefany teny dia mbola io hatrany ny rafitry ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito mandraka ankehitriny.