Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:24 )
   
lesona 8 14-02-2009 au 20-02-2009
NY FAHEFAN'NY MPAMINANY
( Eks 4:10-16 ; 1 Sam 12:1-14 ; 2 Mpanj 22: 10-13; Jer 36:22-31; Mar 1:21-27; Asa 16:25-34. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY


Tamin'ny taona 1982 dia nanomana fanambaràna mahakasika ny fifandraisan'ny Baiboly sy ny asasoratr'i EGW ny kômitîn'ny Foibe Eran-tany. Izao no voasoratra tao amin'izany fanambaràna izany: «Fanekena: 1) Mino isika fa tenin'Andriamanitra avy any an-danitra ary azo avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina ny SM. 2) Mino isika fa boky 66 ihany izay misy ny TT sy TV no mandrafitra ny «canon»-n'ny SM. 3) Mino isika fa ny SM no fanorenan'ny finoana sy ilay fahefana farany eo amin'ny resaka fampianarana sy fampiharana. 4) Mino isika fa ny SM no Tenin'Andriamanitra amin'ny fitenin'olombelona. 5) Mino isika fa ny SM no mampianatra antsika fa ho hita miharihary eo amin'ny fiainan'ny fiangonana kristianina ny FPF, aorian'ny andron'ny TV. 6) Mino isika fa ny asa nanirahana an'i EGW sy ireo asasorany no fanaporofoana ny FPF, 7) Mino isika fa nanindry  mandry' an'i EGW ny Fanahy Masina, ary ny asa sorany izay vokatr'izany tsindrimandry izany dia azo ampiharina sady feno fahefana ho an'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. 8) Mino isika fa tafiditra ao anatin'ny tanjon'ny asasoratr'i EGW ny tari-dalana ho amin'ny fahafantarana ny fampianaran'ny SM sy ny fampiharana azy, arahin'ny fampirisihan'ny faminaniana ho an'ny fiainana ara-panahy sy ara-môraly. 9) Mino isika fa zava-dehibe eo amin'ny fikolokoloana ny ain'ny fiangonana sy ny firaisan'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny fanekena ny FPF nananan'i EGW. 10) Mino isika fa ny fampiasan'i EGW ireo loharanon-kevitra an-tsoratra na am-bava sy ny fanampin'izany dia ahitana fampitahana amin'ireo asasoratra ao amin'ny Baiboly.


Fandavana: 1) Tsy mino isika fa samy hafa ny endrika (qualité) na ny herin'ny (degré) tsindrimandry tamin'ny asasoratr'i EGW sy ny SM. 2) Tsy
mino isika fa fanampin'ny «canon»-n'ny SM ny asasoratr'i EGW. 3) Tsy mino isika fa fanorenana sy fahefana faran'ny finoana kristianina tahaka ny SM ny asasoratr'i EGW. 4) Tsy mino isika fa azo ampiasaina ho fototry ny fampianarana (doctrines) ny Baiboly ny asasoratr'i EGW. 5) Tsy mino isika fa azo ampiasaina hanoloana ny fianarana ny SM ny asasoratr'i EGW. 6) Tsy mino isika fa amin'ny alalan'ny asasoratr'i EGW irery ihany no hahatakarantsika ny hevitry ny SM. 7) Tsy mino isika fa manamaivana ny hevitry ny SM ny asasoratr'i EGW. 8) Tsy mino isika fa zava-dehibe ary tena ilaina eo amin'ny fanambaràna ny fahamarinana raketin'ny SM ho an'ny fiarahamonina an-kapobeny ny asasoratr'i EGW. 9) Tsy mino isika fa ny asasoratr'i EGW no vokatry ny fahamasinana sy ny fivavahana kristianina tokana. 10) Tsy mino isika fa manda ny fisian'ny tsindrimandry tamin'ireo asasorany ny fampiasany ireo loharanon-kevitra an-tsoratra na am-bava sy ny fanampin'izany.»
Izao no tsoa-kevitra azo sintonina avy amin'izany rehetra izany: ny fahafantarana marina (tsy fisian'ny hevi-diso) ny tsindrimandry sy ny fahefana nisy teo amin'ny asasoratr'i EGW dia hahafahana misoroka ireto toe-javatra roa ireto: 1. ny fiheverana fa mitovy amin'ny «canon»-n'ny SM ny asasorany sy ny fomba fiasan'izy ireo. 2. Ny fiheverana fa literatiora kristianina efa mahazatra, tsotsotra fa tsy manan-danja ny SM sy ny as soratr'i EGW.


FANONTANIANA IFANAKALOZAN-KEVITRA
Diniho ireo lisitra notanisaina teo ambony ireo. Ahoana no hanampian'izany anao mba hampahazava aminao ny mombamomba an'i EGW sy ny asasorany? Inona no fanontaniana mety hipoitra avy amin'izany?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net