Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:36 )
   
lesona 10 28-02-2009 au 06-03-2009
NY HAFATRY NY MPAMINANY
( Eks 20:1-7 ; lev 16; Mat 24:24-31 ; Rom 3:21-28 ; Heb 8:1,2 ; 9:23 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

NY SABATA

Ny  sabata sy ny fanambadiana ihany no tsangambato teo amintsika talohan'ny fotoana nidiran'ny ota teo amin'izao tontolo izao. Noho izany indraindray no niantsoana azy ireo ho mpirahavavy kamban'ny Paradisa. Rehefa mijery ny tontolo misy antsika amin'izao fotoana izao ianao, dia hahita mazava fa efa niasa mafy i Satana mba hanova sy handoto azy ireo.

Vakio ny Eks 20:1-17. Inona amin'ny didy momba ny Sabata no mampiavaka azy amin'ireo hafa ?

Amin'ny heviny iray dia didy fizahan-toetra ny didy fahefatra. Mizaha toetra ny ara-panahin'ny taranak'olombelona izy. Azo andrefesana tsara ny fisainan'ny olombelona ny amin'Andriamanitra izany satria ny fotoana no voaresaka, tsy hita maso mantsy ny fotoana ary tsy  toy ny zavatra azo tsapain-tanana izany. Famantarana ny fihetseham-pontsika manoloana an'Andriamanitra ny fihetseham-pontsika mikasika ny Sabata. Izy irery no hany didy azon'ny olona dikaina, kanefa azo handraisana izay olona mandika azy ho olona tsara eo amin'ny fiaraha-monina kristianina mpitana ny nentin-drazana.

 Mifono jadona ihany ny Sabata amin'ny heviny iray hafa. Nahoana no mihoatra ny andro hafa rehetra ny andro fahafito ? Satria izany no nolazain'Andriamanitra. Misy lôjika betsaka mazava sy miharihary eo amin'ny hoe : aza mangalatra, aza mamono olona, aza mitsiriritra, sy ny sisa. Tsy voatery ho kristianina ianao vao hanaraka ireo fitsipika ireo ; maro mantsy ny tsy kristianina  no manaraka ireo.

 Ny fahatoavana ny Sabatan'ny andro fahafito kosa anefa, izay tsy noho ny toe-javatra voajanahary eo amin'ny fiarahamonina, dia manambara fahavononana hankatô satria asain'Andriamanitra manao izany. Fanehoam-pinoana ny fitandremana ny Sabata ;  mitandrina ny Sabata isika, tsy hoe satria azon'ny fiarahamonina ekena izany, na hoe mamin'ny olona izany, na ihany koa hoe mifanaraka amin'ny toe-javatra voajanahary hafa izany. tsia, mitandrina ny Sabatan'ny andro fahafito isika satria mandidy antsika hanao izany Andriamanitra, ary satria Kristianin'ny TV novonjena tamin'ny fahasoavana isika, dia amin'ny alalan'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra no anambarantsika ny finoantsika (Jak 2:10,11 ; 1 Jao 5:2,3 ; Apok 14:12).

 Amin'ny fitsaharantsika rehefa Sabata mantsy no anambarantsika amin'izao tontolo izao fa tsy resaka fotsiny ihany io resaka mikasika ny fitsaharana ao amin'i Kristy io. Mitsahatra marina tokoa isika ao amin'ny asam-pamonjen'i Kristy ho antsika, amin'ny maha-mpitandrina ny Sabata antsika ; tsy isan'nandro ihany ffa amin'ny fomba manokana isan-kerinandro koa no anambarantsika ny fahafenoan'ny tokintsika ao amin'i Kristy, amin'ny alalan'ny fitsaharana rehefa Sabatra (jereo Heb 4:1-11). Fanambaràna ety ivelany ny fitsaharantsika ao amin'i Kristy ny fitandremana ny Sabata.

Na dia mifono jadona ihany aza ny Sabata amin'ny heviny iray, dia inona ireo tombontsoa azo tsapain-tanana azontsika avy amin'ny  fitandremana ny Sabata ho masina, araka ny nandidian'Andriamanitra izany ? Inona no azonao atao mba hahazoana fahafinaretana bebe kokoa avy amin'ireo tombontsoan'ny fitandremana ny Sabata ?

Nampiditra : sandy
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net