| lesona 10 | 28-02-2009 au 06-03-2009 | |
|---|---|---|
| NY HAFATRY NY MPAMINANY | ||
| ( Eks 20:1-7 ; lev 16; Mat 24:24-31 ; Rom 3:21-28 ; Heb 8:1,2 ; 9:23 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
NY TOETRY NY MATY
|
Inona no ambaran'ireto andinin'ny Baiboly ireo antsika mikasika ny toerana misy ny taranak'olombelona rehefa maty ? Sal 146:4 ; MpitT 9:5,6 ; Jao 11:11-14 ; Asa 2:34. Ambaran'ny tsindrimandry fa Andriamanitra ireny ihany no tsy mety maty (1 Tim 6:16) ary eo ambanin'ny saokan'ny fahafatesana kosa ny taranak'olombelona rehefa misaraka amin'Andriamanitra. Nampianaran'i Jesosy fa torimaso ny fahafatesana, izay mifarana amin'ny anankiray amin'ireo tsangana anankiroa - fitsanganana ho amin'ny fiainana ary fitsanganana ho amin'ny fahamelohana (Jao 5:28,29). Niaky izany i William Temple, arsevekan'i Canterbury, rehefa nanoratra izao manaraka izao izy :"Tsy hoe efa toetry ny olombelona velively na hoe zony ny tsy mety maty, fa afaka ny ho tsy mety maty izy satria efa atolotra azy ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay izay horaisiny avy amin'Andriamanitra." - NMG, t. 472. Ahoana no tokony hahatakarantsika ny Mat 25:46 sy ny Apôk 14:9-11 ? Fampijaliana mandrakizay any amin'ny helo ve no ampianarin'izy ireo ? Samy ahitana ny fiheverana ny tsy fahafatesan'ny olombelona avokoa ireo fivavahana mpanohana fa niainga avy tamin'ny rajako ny olombelona, manana fanahy ny zavatra na ny biby sasany, misy andriamanitra maro samy hafa. Foto-kevi-dehibe ihany koa izany ho an'ny filozofia grika, izay nilaza fa Hades (tontolon'ny maty) ho tontolo feno avelo, mampatahotra, izay iainan'ny fanahy. Ny fahitan'ny Grika ny taranak'olombelona dia "raha" sy "fanahy". rehefa maty ny olona dia misaraka ny "raha" sy ny "fanahy", ka afaka milefa ny tranomaizina izay nihazona azy amin'izay ilay "fanahy", ary velona tsy miankina na amin'iza na amin'iza intsony. Ireo teny navadika ho "mandrakizay" ao amin'ny Mat 25 sy ny Apôk 14, dia tsy voatery hidika hoe tsy misy fiafarany. Ny teny grika aion sy aionios dia milaza halavam-potoana arakaraka ny toetr'ilay resahina. Ao amin'ny Joda 7, ohatra, dia ambara amintsika fa nihatra tamin'i Sôdôma sy Gômôra ny famaizana amin'ny afo mirehitra mandrakizay (aionios). Ny 2 pet 2:6 anefa dia milaza fa nanjary lavenona izy ireo. Rehefa ny ain'ireo voaavotra izay nandray ny tsy fahafatesana no tian'ny teny hoe "mandrakizay" horesahina, dia midika ho fotoana tsy misy fiafarana izany. Rehefa ny famaizana ny ratsy fanahy kosa, izay tsy mandray ny tsy fahafatesana no resahina, dia halavam-potoana voafetra no tian'ny hevitra hambara. Heniky ny spiritisma (fiheverana ny mbola fahaveloman'ny maty ao amin'ny tontolo iray hafa) izao tontolo izao, araka ny ambaran'ny mpitory teny mamy hoditra sy ireo horonan-tsary ankafizin'ny maro. Ahoana no hanomezan'ny fahatakarantsika ny toetry ny maty fiarovana azo antoka amin'io fitaka mahatsiravia io ? |
| Nampiditra : sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net