Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:03 )
   
lesona 11 07-03-2009 au 13-03-2009
FANAZAVANA IREO ASA SORATRA ARA-PAMINANIANA
( Isa 65:17 ; Mar 1:15 ; Rôm 2:14-16 ; Efes 2:8,9 ; Jak 2:14-26 ; 1 Jao 5:12,13 )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FOTOANA SY TOERANA

Fitsipika lehibe eo amin'ny fanazavana ara-Baiboly ny fitsipika mikasika ny fandinihana ny fotoana sy ny toe-javatra, izay nanoratana lahatsoratra voafaritra, ho an'ny olona voafaritra.

Inona no tantarain'i Jeremia ao amin'ny Jer 4:23-26 ?

Rehefa mamaky ireo andininy ireo ny akamaroan'ny Advantista, dia ny arivo taona any an-danitra no ao an-tsainy. Raha nanoratra izany anefa i Jeremia, nanodidina ny 600 Tlk teo ho eo, dia tsy ny arivo taona no noeritreretiny. Ny fandravana an'i Jerosalema amin'ny 586 Tlk no voaresak'io tontolon-kevitra io. Nilaza tamin'ny Isiraely Andriamanitra ao amin'ny and. 1 manao hoe : "Raha hiverina hianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko hianao, dia tsy hivezivezy foana.". Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia hoe mbola nisy ny fotoana hahazoan'izy ireo mibebaka. raha niverina tamin'Andriamanitra izy ireo, dia tsy ho azo babo.

Nitalaho tamin'ny vahoakany tamin'ny alalan'i Jeremia Andriamanitra mba hiala amin'ny lalan-dratsiny, saingy tsy nihaino izy ireo. Hitan'ilay mpaminany tamin'ny fahitana, ao amin'ny and. 23-26, izay hitranga raha toa ka tsy mankatô izy ireo. Amin'ny endrika tononkalo no nitantarany ny faharavana sy ny fanapotehana hiseho amin'ny tanin'i Joda noho ny tsy fankatoavany. Ny tena zava-dehibe dia hoe : rehefa misy andininy iray voasoratra noho ny toe-javatra iray momba izany, dia ilaina ny mijery izany rehefa hanazava azy.

Ilaintsika ihany koa ny mandinika tsara ny fotoana sy ny toe-javatra rehefa mamaky ny bokin'i EGW. Tamin'ny taona 1897, ohatra, dia izao no  nosoratan'i EGW : "Ilàna fiheverana ny vola lany amin'ny bisikileta sy ny fitafiana ary ireo zavatra hafa tsy mahasoa." - TM, t. 398.

Ny bisikileta teo  amin'ny fifaranan'ny taonjato fahasivy amin'ny folo, dia tsy mba fitaovam-pitaterana mitsitsy fa kilalaon'ny manankarena. Ny bisikileta tsara indrindra tany am-boalohany dia nitentina 150 dôlara, ary vola be tokoa izany raha oharina amin'ny fiara lafo vidy amin'izao fotoana izao. Nanao ho antoka amam-bolana maromaro ny vola niditra taminy ny olona mba hividianana izay zavatra nilainy kanefa lafo vidy tamin'izany fotoana izany. Tao anatin'ny taona vitsivitsy monja anefa dia nanjary fitaovam-pitaterana tena mahasoa sady tsy lafo vidy ny bisikileta, koa dia tsy namerina niresaka mikasika izany intsony i EGW.

Niorina teo amin'ny fitsipika ara-Baiboly mikasika ny fitantanam-pananana araka ny tokony ho izy ny foto-keviny mikasika ny bisikileta. raha toa ka mbola velona teo izy amin'izao fotoana izao, dia azo antoka fa hampihariny koa io fitsipika io mikasika ireo zavatra izay anaovan'ny olona fandaniam-poana.

Zava-dehibe tokoa ny fotoana sy ny toe-javatra, tsy eo amin'ny fanazavana ny asasoratra ara-tsindrimandry ihany, fa eo amin'ny lafim-piainana rehetra ihany koa. Manao ahoana ianao eo amin'ny fahamaimaihana hitsara ny zavatra ataon'ny hafa, kanefa tsy fantatrao firy akory ireo antony mahatonga azy hanao izany ? Ahoana no hanatsaranao ny fisainanao eo amin'io lafiny io ?

 

 

 

Nampiditra : MYRIAM, sandy
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net