| lesona 11 | 07-03-2009 au 13-03-2009 | |
|---|---|---|
| FANAZAVANA IREO ASA SORATRA ARA-PAMINANIANA | ||
| ( Isa 65:17 ; Mar 1:15 ; Rôm 2:14-16 ; Efes 2:8,9 ; Jak 2:14-26 ; 1 Jao 5:12,13 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
TONTOLON-KEVITRA MIVELATRA KOKOA
|
Manondro izay lazain'ny andininy hafa mikasika ny lohahevitra iray manokana, ankoatra ilay tontolon-kevitra mivantana, ny tontolon-kevitra mivelatra kokoa. mety hanondro toko hafa ao amin'ny boky iray izy, na ny boky manontolo, na ny SM iray manontolo mihitsy. Amin'ny finoana irery ihany ve no amonjena antsika amin'ny fahasoavana sa ilaintsika ihany koa ny asa ? (Efes 2:8,9 ; Jak 2:14-26). Tsy mifanara-kevitra ve izany i Paoly sy i Jakôba mikasika ny famonjena ? Inona no ambaran'ireto and. ireto mikasika io lohahevitra io ? Rôm 3:21-28, Rôm 4:3, Gal 3:6-12. Rehefa mijery ny tontolon-kevitra mivelatra kokoa ao amin'ny SM isika, sy izay tian'ny andininy hafa holazaina mikasika ilay lohahevitra, dia hita fa tsy ny asa soa hahazoana famonjena no tohanan'i Jakôba. Antitranteriny fa misy karazana roa ny finoana, ny iray manan-kery, ny iray kosa tsia. Ilay finoana manan-kery izay arahin'ny asa soa no resahin'i Paoly. Ilay finoana tsy manan-kery izay mijanona eo amin'ny ara-tsaina fotsiny no tondroin'i Jakôba ; finoana izay fanekena ao an-tsaina fotsiny ihany. Mampiasa ny ohatr'i Abrahama i Paoly mba hanehoana fa amin'ilay finoana manan-kery, ilay tena izy no anamarinana antsika. Asehon'i Jakôba fa tena izy ny finoan'i Abrahama satria niteraka asa tsara izany (fankatoavana). Noho izany, dia tsy misy zavatra hafa ankoatra ny finoana, finoana manan-kery ilaintsika, mba hahazoana famonjena, ary ny fitondran-tenantsika dia hampiseho raha manan-kery ny finoantsika na tsia. Raha mamaky ny bokin'i EGW isika, dia ilaintsika ihany koa ny mijery ny tontolon-kevitra mivelatra kokoa eo amin'ny asasorany ; izany hoe ny zavatra rehetra efa nosoratany mikasika ny lohahevitra iray manokana. Tsy azontsika atao ny maka fanambaràna iray na roa fotsiny. Raisintsika ohatra ny resaka mikasika ny fihinanan-kena, manana fanambaràna hentitra dia hentitra tokoa izy momba izany, kanefa misy ihany koa ireo fanambaràna maro hafa izay misy fiovana ka mila heverina. Ao amin'ny boky Counsels on Diet and Foods (Toro hevitra mikasika ny fomba fisakafoana sy ny sakafo) ohatra, dia izao no lazainy : "Tokony ho tafiditra ao anatin'ny sakafo fihinantsika ny legioma sy ny voankazo ary ny voamaina. Tsy tokony hisy hena na dia kely monja aza ampidirina ao amin'ny vavonintsika. tsy ara-boajanahary ny fihinanana nofom-biby. Tsy maintsy miverina amin'ilay zava-kinendrin'Andriamanitra tany am-boalohany isika, hatramin'ny namoronana ny olona." - t. 380. izay rehetra tsy mamaky afa-tsy io fanambaràna io dia hanatsoaka hevitra fa tsy tokony hihinan-kena na oviana na oviana isika. Izao anefa no fanambaràna manaraka azy io, afaka takila vitsivitsy :"Tsy ny fisakafoana misy hena no fisakafoana mahasalama indrindra, eto anefa aho dia tsy hilaza fa tokony tsy hisy hihinan-kena intsony na iza na iza. Ireo izay manana taovam-pandevonan-kanina mareforefo, dia afaka mihinan-kena matetika ihany, rehefa tsy afaka mihinana legioma izy, na voankazo, na koa irony lasopy vita amin'ny karazam-barim-bazaha.". - tt. 394,395. (Jereo ihany koa ny lesona Zoma.). Rehefa jerentsika manontolo izay nosoratany mikasika ny lohahevitra anakiray, dia zavatra voalanjalanja no ho hitantsika fa sarobidy indrindra ho an'ny kristianina rehetra izay tsy manao tsinontsinona ny fivavahana. Tsy tokony hataontsika tahaka ny hena na ny zava-pisotro ny fivavahantsika, Andriamanitra koa anefa dia efa nanome antsika toro-hevitra mahagaga mikasika ny fomba fisakafoana, izay mety hitera-bokatsoa tokoa ho an'ny fahasalamantsika. Manao ahoana ny fitandremanao ny fomba fisakafonao sy ny fahazaranao rehetra ? nahoana no hiandry ny aretina hamely ianao vao hiova ho tsaratsara kokoa ?
|
| Nampiditra : sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net