| lesona 11 | 07-03-2009 au 13-03-2009 | |
|---|---|---|
| FANAZAVANA IREO ASA SORATRA ARA-PAMINANIANA | ||
| ( Isa 65:17 ; Mar 1:15 ; Rôm 2:14-16 ; Efes 2:8,9 ; Jak 2:14-26 ; 1 Jao 5:12,13 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FIANARANA FANAMPINY
|
Vakio ny "Christ Our Righteousness," tt, 35-39 ; "Ellen White Clearly Draws the Lines," tt. 41-46 ; "Faith and Works," tt. 47-50 ao amin'ny boky Faith and Works, EGW. Toro lalana fanampiny mikasika ny fanazavana ny Soratra ara-sindrimandry. Ankoatra ireo toro lalana hitantsika tao amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity, dia ilaintsika ny (a) mangataka ny fitarihan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fandinihana ny Teniny ; (b) mampiasa dikan-teny ara-dalàna anankiray na mihoatra ; (d) mitady fitsipika fampiasa maneran-tany ary mihatra amin'ny olona rehetra, any amin'ny toerana rehetra, ary amin'ny fotoana rehetra ; (e) manana fahazotoana hankatô ny fahamarinana hitantsika ; (f) manana saina mivelatra ka vonona ny hiala amin'ny hevitra notanana teo aloha ; (g) mitandrina mba tsy handray an-tendrony ; (h) miara-miasa amin'ny olona manana fanandramana ; ary (i) mahay mandanjalanja tsara. Fanambaran'i EGW mikasika ny hoe : "rehefa novonjena dia voavonjy hatramin'ny farany" : "Tsy misy zavatra mampalahelo an'Andriamanitra sy mampidi-doza ny fanahin'ny olombelona tahaka ny avonavona sy ny fiheveran-tena ho ampy. Eo amin'ny fahotana rehetra dia io no tsy misy fanantenana indrindra sy tsy azo sitranina indrindra. "Tsy tampoka akory ny fahalavoan'i Petera fa niandalana. Ny fahatokian-tena dia nitarika azy tamin'ny finoana fa efa voavonjy izy, ka nanao dingana iray niampy dingana iray teo amin'ny fidinana izy, mandra-pahatongany teo amin'ny fandavana ny Tompony. "Na oviana na oviana dia tsy tokony hatoky ny tenantsika isika na hihevitra fa na dia mbola ety am-pitan'ny lanitra ety aza isika, dia ho voaaro amin'ny fakam-panahy. ireo izay manaiky ny Mpamonjy, na dia manana fiovam-po marina toy inona aza, dia tsy tokony hampianarina na oviana na oviana hilaza, na hihevi-tena fa efa voavonjy". Mahavery ny fanizingizinana izany. Ny tsirairay dia tokony hampianarina handala sy hanolokolo fanantenana sy finoana ; nefa, dia amin'ny fotoana anolorantsika tena ho an'i Kristy aza, izay ananantsika toky fa mandray antsika Izy, dia tsy hoe lavita ka tsy ho tratry ny fakam-panahy akory isika"; - HF, t.127. FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA : - Jereo ny tontolon-kevitra iray manontolo misy ny tenin'i EGW etsy ambony. Jereo indray àry izao ilay fanambarany mikasika ny tsy tokony hilazantsika fa voavonjy isika. Mora tokoa ny handray io fanambaràna io tsy an-kijery ny tontolon-kevitra ka hahazo foto-kevitra samihafa mihitsy amin'ilay teny izy. Nahoana no ilaintsika ny mitandrina mandrakariva mba tsy handray fanambaràna ka tsy mijery ny tontolon-kevitra ? Inona ihany koa ny ohatra hafa hitanao mikasika ny olona manao toa izany ? - Inona ihany koa ireo fomba sasany nentina nandisoan-kevitra ireo asasoratr'i EGW ? Inona anefa no azontsika atao mba hialana amin'ny fandrika mety hahatonga antsika tsy handray izany intsony, satria tsy nampiasaina araka ny tokony ho izy izany ? - Hevero izay efa nomena antsika tao amin'ny hafatra mikasika ny fahasalamana, araka ny hisehoany ao amin'ny asasoratr'i EGW. Inona avy ireo fitahiana lehibe azontsika raisina avy amin'izany raha toa ka ampiasaintsika araka ny tokony ho izy izany ? Inona no fandrika tokony hialantsika ? |
| Nampiditra : sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net