| lesona 11 | 07-03-2009 au 13-03-2009 | |
|---|---|---|
| FANAZAVANA IREO ASA SORATRA ARA-PAMINANIANA | ||
| ( Isa 65:17 ; Mar 1:15 ; Rôm 2:14-16 ; Efes 2:8,9 ; Jak 2:14-26 ; 1 Jao 5:12,13 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
Tsianjery : "
Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra. "
|
Inonantsika Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito fa ananan'i EGW ny FPF. Tsara apetraka ihany anefa izao fanontaniana manaraka izao : Ahoana no fomba fanazavantsika ny asasorany ? Na dia inoantsika aza fa mitovy amin'ny an'ireo mpaminanin'ny TT sy ny TV ny tsindrimandry azony, fa tsy ny fahefany, dia tsy maintsy ampiharintsika ny fitsipika enti-manazava ny asasorany tahaka izay ataontsika amin'ny Baiboly, rehefa manazava izany isika. Tena azo ampiasaina hanazavana ny asasoratr'i EGW tokoa ny fitsipika entina hanazavana ny Baiboly. raha atao ny fampitahana avy amin'ny alalàna amerikana, dia mety hampiasa izany fitsipika izany ny olona iray mba hanazavana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambanimbany fahefana tokoa ho tahaka ny fanazavana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana an-tampon'i Etazonia. Amin'ny farany anefa dia ny Fitsarana an-tampony ihany no tompon'ny fahefana farany eo amin'ny fanapahan-kevitra. Indray mitopy maso : inona no maha-samy hafa ny fanazavana ara-tontolon-kevitra ny Baiboly, sy ny toriteny atao amin'ny alalany ? nahoana no zava-dehibe tokoa ny tontolon-kevitra ? mety ho voavonjy ve ny olona izay tsy mbola nandre na oviana na oviana ny filazantsara ? inona no maha-samy hafa ny fanjakam-pahasoavana amin'ny fanjakam-boninahitra ?
|
| Nampiditra : MYRIAM, sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net