Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:29 )
   
lesona 2 04-04-2009 au 10-04-2009
FINOANA
( Efes. 6:10-18; Heb. 11; Jak. 2:18,19; 1 Pet. 1:3-8. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FAMPIASANA NY FINOANA

Nanantitrantitra ireo mpanoratra ny filazantsara, ao amin'ny fitantarany ireo fahagagana, fanasitranana nataon'i Jesôsy Kristy fa ny antony lehibe nahatonga izany dia tsy majika tsy akory fa finoana. Nantsoina ireo olona nositranina ireo hanao fihaikana hampiasa ny finoany. «'Tongava aminareo araks nyfinoanareo'», hot' i Jesôsy (Mat. 9:29). Na izany aza anefa, ireo fanandramana mahatalanjona izay mitondra, tsy azo lavina, ny mariky ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra tamin'ny fomba mahagaga, dia tsy miafara amin'ny finoana foana tsy akory. Raha ny marina dia betsaka ny olona no mahita fomba hafa hanazavana ny anton'ireny fidiran'Andriamanitra antsehatra ireny.

Vakio Lio. 16:30,31 – Inona no zava-dehibe azontsika tsoahina avy amin'izany eto?

Hampahatanjaka ny finoantsika ny fanandramana fahitana an'Andriamanitra miasa eo amin'ny fiainantsika sy eo amin'ny fiainan'ny hafa, nefs ny finoantsika matetika dia mialoha ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra eo amin'ny fiainantsika. Ny finoana dia manantena an'Andriamanitra hampiseho ny tanany. Nampanantena Andriamanitra fa hissa amin'ny alalantsika sy ho antsika Izy raha toa ka manana finoana Azy isika. Amin'ny alalan'izany fahatokia-n'ny finoana izany dia tsy maintsy mihazona Azy amin'ny teniny isika.

Hita taratra ao amin'ireto toko sy and. manaraka ireto ireo endrika samihafa isehoan'io «fiainarn-panandrarnan'ny finoana" lo. Amin'ny fomba ahoana? Rôm. 1.17; Gai. 5:6; Jak. 2:17,18; 1 Jao. 5:4,5.

Inona kosa, etsy an-danin'izany, ny zava-doza mampalahelo hitranga rehefa tsy eo na bangs ny finoana? Rom. 11:20; Heb. 3:19.

Ny tontolon-kevitry ny Rôm. 11:20 dia mampiseho mazava fa ireo Hebreo fahiny, izay nandray ny teny fikasana ny amin'ny famonjena tao amin'ny fanekena nifanaovana Taminy, no tian'i Paoly hambara. Nety ho afaka nanandrana ny fiainana be dia be ao amin'i Kristy, izay entin'ny finoana ho an'ireo rehetra mampiasa izany, izy ireo, saingy indrisy, ny fanandramana nataon'izy ireo, sy ny tsy fahombiazany, dia fampahatsiahivana mazava antsika fa «raha tsy amin'ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy» - Heb. 11:6.

Marina fa ny finoanao dia fanomezana, kanefa inona ireo antony tsara anananao hahazoana azy? Ary koa, mbola zava-dehibe mihoatra noho izany, inona ireo fomba mazava azo ampiharina ahafahanao manatanjaka ny finoanao? Eo ankilan'izay, inona ireo fomba azo antoka hamoizana azy?

Nampiditra : ranaina
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net