Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:41 )
   
lesona 4 18-04-2009 au 24-04-2009
FIAINANA
( Gen 2:7; Ps 139:13-14; Jao 1:1-3; Jao 3; Jn 10:10; 2 Kôr 5:17; Fil 2:1-5. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

NY FANOMEZAN'NY AINA ARA-NOFO


Nanao ahoana no niandohan'ny aina? Ny olona sasany dia milaza ny fisian'ny olombelona ho vokatry ny fivoarana miandalana. Ny olona sasany indray dia milaza ny amin'ny asan'Andriamanitra niroso moramora nandritra ny an-tàpitrisan-,taona, ka nandritra izany fotoana izany dia niseho ny endrika tsotra dia tsotran'ny aina, dia nivoatra io ka nanome endri-javatra sarotsarotra kokoa, ary ao anatin'izany ny olombelona. Io fomba fihevitra io, na dia izany aza, dia niteraka fanontaniana maro kokoa noho izay mety ho valiny (ary eo an-kilan'izahy, tsy misy mihitsy ao anaty Baiboly manolo-kevitra fa nampiasa ny fivoarana miandalana Andriamanitra raha namorona ny olona).
Ankoatra izany, maro  amin'ireo teôlôjianina manam-pahaizana tato ho ato no resy lahatra ary manamafy fa io foto-kevitra voambara teo aloha io dia mandalo fotoan-tsarotra lalina amin'izao fotoana izao. Eny, fa na dia ireo mpanohana mafanavain'ny foto-kevitra evôlisiônisma (fivoarana miandalana) aza dia manaiky fa ny niavian'ny aina dia mitoetra ho mistery hatramin'izao.
Toy izany koa, na dia ireo izay mino an'Andriamanitra ho mpahary izao rehetra izao sy ny voary manontolo aza dia mbola tsy manana valin-teny màzaya, azony omena. Kanefa ny fomba fihevitra "créationiste" (ireo mpomba ny foto-kevitra hoe: Andriamanitra no mpamorona sy fiandohan'izao rehetra izao, ary manara-maso ny fiainan'ny zava-boary) dia mifanaraka amin'ny lôjika kokoasy azo ekena kokoa noho ireo foto-kevitra tsy mari-pototra tanan'ireo mpandàla ny hevitra hoe: ny ain'olombelona dia nipoitra kisendrasendra.

Inona no asehon'ny SM antsika momba ny fiandohan'ny fiainana? Gen. 2:7; Jao, 1:1-3.

 

Izay marina momba ny zava-miafin'ny fiainana amin'ny kapobeny dia tena marina koa raha ny momba ny fiainana tsirairain'ny olona no heverina. Na dia manana fahalalana maro mikasika ny fizotran'ny fananahana sy ny fitomboan'ny ain'olombelona aza. isika, ny ray aman-dreny vaovao tsirariray, na ny lahy na ny vavy, izay mitrotro ny zanany voalohany eny an-tratrany, dia hihevitra avy hatrany fa io zaza io dia nisy manoatra lavitra noho ny fahagagana. Fototry ny faharesen-dahatry ny Kristianina ny finoana fa ny aina, indrindra fa ny ain'olombelona, dia masina.

Teny manao ahoana no nanehoan'i Davida ny maha-zava-mahagagan'ny ain'olombelona sy ny zava-mahatalanjon'ny vatatenan'ny olona ? Sal. 139:13,14

Iza moa no tsy mahalala ilay hira milaza ny momba an'Andriamanitra manao hoe: "izao tontolo izao dia eo am-pelatanany"? Izany dia mahakasika ny voary manontolo sy ny planeta rehetra. Ary dia mahakasika antsika tsirairay koa izany, fa na iza na iza isika ary na aiza na aiza misy antsika, Andriamanitra no mihazona antsika eo an-tanany. Avy Aminy no nahazoantsika-ny aina, izy rehetra, hatrany am-piandohana ka hatramin'ny farany.

Inona no mampiavaka izany hoe Andriamanitra no mpamorona ny aina rehetra, anisan'izany ny aintsika? Nahoana ny fomba fiheverantsika ny fiandohan'ny aina no misy akony lehibe eo amin'ny fomba fijerintsika ny zavatra vitsivitsy toy ny fanamelohana ho faty, ny fanalan-jaza, ary ny fanafainganana ny fahafatesan'olona iray (eotanazia)?

Nampiditra : ranaina
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net