| lesona 4 | 18-04-2009 au 24-04-2009 | |
|---|---|---|
| FIAINANA | ||
| ( Gen 2:7; Ps 139:13-14; Jao 1:1-3; Jao 3; Jn 10:10; 2 Kôr 5:17; Fil 2:1-5. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
NY FANOMEZAN'NY AINA ARA-NOFO
|
Inona no asehon'ny SM antsika momba ny fiandohan'ny fiainana? Gen. 2:7; Jao, 1:1-3.
Izay marina momba ny zava-miafin'ny fiainana amin'ny kapobeny dia tena marina koa raha ny momba ny fiainana tsirairain'ny olona no heverina. Na dia manana fahalalana maro mikasika ny fizotran'ny fananahana sy ny fitomboan'ny ain'olombelona aza. isika, ny ray aman-dreny vaovao tsirariray, na ny lahy na ny vavy, izay mitrotro ny zanany voalohany eny an-tratrany, dia hihevitra avy hatrany fa io zaza io dia nisy manoatra lavitra noho ny fahagagana. Fototry ny faharesen-dahatry ny Kristianina ny finoana fa ny aina, indrindra fa ny ain'olombelona, dia masina. Teny manao ahoana no nanehoan'i Davida ny maha-zava-mahagagan'ny ain'olombelona sy ny zava-mahatalanjon'ny vatatenan'ny olona ? Sal. 139:13,14 Iza moa no tsy mahalala ilay hira milaza ny momba an'Andriamanitra manao hoe: "izao tontolo izao dia eo am-pelatanany"? Izany dia mahakasika ny voary manontolo sy ny planeta rehetra. Ary dia mahakasika antsika tsirairay koa izany, fa na iza na iza isika ary na aiza na aiza misy antsika, Andriamanitra no mihazona antsika eo an-tanany. Avy Aminy no nahazoantsika-ny aina, izy rehetra, hatrany am-piandohana ka hatramin'ny farany. Inona no mampiavaka izany hoe Andriamanitra no mpamorona ny aina rehetra, anisan'izany ny aintsika? Nahoana ny fomba fiheverantsika ny fiandohan'ny aina no misy akony lehibe eo amin'ny fomba fijerintsika ny zavatra vitsivitsy toy ny fanamelohana ho faty, ny fanalan-jaza, ary ny fanafainganana ny fahafatesan'olona iray (eotanazia)? |
| Nampiditra : ranaina |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net