Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:06 )
   
lesona 4 18-04-2009 au 24-04-2009
FIAINANA
( Gen 2:7; Ps 139:13-14; Jao 1:1-3; Jao 3; Jn 10:10; 2 Kôr 5:17; Fil 2:1-5. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

Tsianjery : " Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.Jao 10:10 "


Ny olona ankehitriny dia lava andro iainana raha ampitahaina amin'ny taranaka teo aloha, indrindra ireo olon'ny andro mandroso. Moa tsy tsara ve izany! Ekena fa zava-dehibe ny hoe lava andro iainana, kanefa mba manao ahoana ny toetoetr'io fiainana io? Matetika ireo mpitsabo no manatsara ireo asa fitsaboana amin'ny alalan'ny herim-pon'olombelona mba hitazomana ain'olona, na dia efa kely dia kely aza izany, na tsy misy mihitsy.
Ny toetoetry ny aina anefa dia tsy voafetran'ny fananana toe-batana tomady; midadasika kokoa ny faritra azo resahina momba izany. Inona moa no ampiasantsika ny tanna maro izay nomena antsika? Velona manana tanjona ve isika ary mifanaraka amin'ireo manodidina antsika? Moa miezaka ny hanome fahafaham-po ireo namantsika isika ary indrindra ny 'mpamorona antsika? Ireo fanontaniana ireo dia tena zava-misy mihitsy ho an'izay mahatsapa fa nomena ny fahasoavan'ny fiainana.

Indray mitopy maso:

Ny fiainana dia fanomezana avy am inAnd dama nitra samy irery. Ankehitriny raha manana izany fiainana izany isika, Inona moa ny hevitr'izany ho antsika? Ahoana no fomba hivelomana azy? Satria fanomezana izany, dia eo ambany baikon'Andriamanitra no hikarakaretsika ny fiainantsika, ara-batana sy ara-panahy. Mifanaraka amin'izahy, ny finoantsika an'i Jesôsy dia mitondra antsika hifandray amin'ireo mpino hafa, ary amin'izay dia lasa toy ny ankohonam-baovaon'ny lanitra sy ny tany isika. Izany rehetra izany dia hisy akony amin'ny toetoetry ny fiainana ivelomantsika ety an-tany ankehitriny.

Nampiditra : ranaina
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net