Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:17 )
   
lesona 5 25-04-2009 au 01-05-2009
FANAMBARANA
( Eks. 7:1-6; Sal. 19:1-4; Rôm. 1:18-20; 2 Tim. 3:14-16; Heb, 1: 1 -3. Tsianjery: )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIANARANA FANAMPINY:

FIANARANA FANAMPINY:

-Maro no fomba izav entinAndriamanitra hampahalala antsika ny tenany sy hampiray antsika Aminy. Mitory amin'ny saintsika tsy an-kijanona ny zava-boahary. Ny fo misokatra dia hahita ny fitiavana sy ny voninahitr'Andriamanitra asehon'ny asan'ny tanany. Ny sofina mitongilana hihaino dia hahare
sady hahafantatra ny feon'ANDRIAMANITRA amin'ny alalan'ny zava- boahary. Ny lohasaha maitso mavana, ny hazo mijoalajoala, ny tsimoka sy ny voninkazo, nv rahona mandalo, ny orana milatsaka, ny renirano migororoanal, ny voninahîtry ny habakabaka, dia initorv amin'ny  fontsika sady mitaona antsika mba hahalala an'ilay nanana azy rehetra. "DHK, t. 100.
Vakio manontolo ny toko ao amin'ny DHK, izay mitondra ny lohateny hoe: Tahalalana an'Andriamanitra"(tt. 100-108).


FANONTANiANA IFANAKALOZAN-KEVITRA:
•    Hatraiza ny fetra anampian'ny zava-boary antsika hahita an'Andriamanitra? Mampianatra antsika zavatra momba ilay Andriamanitra voalaza ao amin'ny Baiboly ve ny zava-boary, sa manaitra ny saintsika fotsiny izy fa tsy maintsy nisy zavatra na olona tao ambadik'izany?
•    Resaho eo amin'ny kilasy ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny feon'ny fieritreretana. Resaho avy eo ny amin'ireo zava-doza tafiditra ao anatin'izany. Inona avy ireo fomba ahafahantsika manampy ny hafa hahafantatra raha afaka mitoky amin'ny bitsiky ny eritreriny izy, na koa ny fotoana ahafahany manao izany?
•    Inona no anjara asan'ny kolontsaina sy ny fanabeazana eo amin'ny famolavolana ny feon'ny fieritreretanao? Amin'ny fomba ahoana no ananan'ny kolontsainao hery eo amin'ny fahalalanao ny mety sy ny tsy mety? Ahoana no fomba tsy hianteheranao amin'ny kolontsaina rehefa ilaina izany, izany hoe rehefa mampianatra zavatra izay manohitra ny fampianarana mazava omen'ny Tenin'Andriamanitra izy?
•    Raha toa ka fanomezam-pahasoavana nomena ny fiangonana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, tokony hantenaintsika ve fa hanana anjara toerana ambony eo amin'ny androntsika sy ny vaninandro misy antsika izany? Azontsika atao ve ny manantena fa mbola hanangana mpaminany hafa toy izay niantsoany an'i EGW Andriamanitra taonjato iray mahery izay?
•    Inona avy ireo fomba ahafahantsika mandinika ny Baiboly ka hahafantarantsika bebe kokoa an Andriamanitra? Inona avy kosa ireo fomba fandinihana ny Baiboly ka hahatonga antsika tsy hahalala intsony an'Andriamanitra, noho ny tamin'ny fotoana voalohany nanombohantsika namaky izany?


FAMINTINANA: Maniry ny hifandray amintsika Andriamanitra. Nataony tamin'ny alalan'ny zava-boary sy ny feon'ny fier itrereta ntsika izany. Nampiasa ny mpaminany izy nanerana ny fotoana rehetra, ary nataony nanan-kery hatrany ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, na dia ho an'ny fiangonana amin'izao fotoana izao aza. Mitoetra ho boky mpitari-dalana antsika eo amin'ny fivahinianantsika ety an-tany ny Baiboly, izay Tenin'Andriamanitra voasoratra. Mifantoka amin'izay nataon'Andriamanitra ho antsika izany, indrindra indrindra tamin'ny nidirany teto amin'izao tontoio izao tamin'ny alalan'ny Zanany, izay ambaran'ny SM rehetra.

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net