Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:58 )
   
lesona 6 02-05-2009 au 08-05-2009
FAHOTANA
( Isa 14:12-14; Mat 23:23; 25:45; Fil 2:6-8; Heb 1:1-5; Apôk 5:9-12. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIKOMIANA NY OTA


Inona no maha-ota ny ota? Ahoana no fomba amaritan'ny Baiboly azy? Milaza mazava ny 1 Jao. 3:4 (NIV) fa "Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota dia tsy fisian-lalàna." Izao no voalazan'ny dikan-teny New Living Translation: «Manohitra ny lalàna ny ota," ary ny KJV dia mamaritra ny ota ho "fandikàna ny lalàna." Tsy lalàna fe lalàna nodikain'olombelona fotsiny ihany anefa izany, fa lalàn'Andriamanitra mihitsy. Nihodina tamin'ny Mpanao azy ny olombelona, ka nihevitra ny tenany ho fara tampon'ny zavatra rehetra izy fa tsy mba nanetry tena kosa hilefitra eo ambanin'ny fahendrena sy ny fitiavan'Andriamanitra.

Inona no ambaran'ireto andininy ao, amin'ny Baiboly manaraka ireto mikasika ny maha-ota ny ota? Gen. 3:1-7; Isa. 14: 12-14; Apôk. 12: 7-9.

Nahoana no nofaizin'Andriamanitra i Adama sy Eva noho ny zavatra izay toa tsy dia misy heviny akory? Mety ho tsy dia zava-dehibe loatra izany, kanefa fitsipika lehibe dia lehibe tokoa no tafiditra ao anatiny. Tsy ilay voankazo tsy akory no nisy poizina, ary tsy ny mahatonga fitsiriritana azy fotsiny ihany no fahotana. Ny tsy fitokisana ny fahatsaran'Andriamanitra, ny tsy finoana ny teniny, ary ny fandavana ny fahefany no nahatonga ireo ray aman-drenintsika voalohany ho mpandika lalàna, ary izany no nitondra ny fahalalana ny ota teto amin'izao tontolo, izao. Io no namoha varavarana ho an'ny lainga sy ny hadisoana." — Ed., t. 25.

Inona ireo toetra famantarana lehibe indrindra ny vahoakan' Andriamankra amin'ny andro farany? Apôk. 14:12. Aiza ho aiza ny toerana misy ny olan'ny fankatoavana eto?

Efa nataon'Andriamanitra ho antsika rehetra izay azon'ny fitiavana tsy misy fetra atao. Angatahiny amintsika kosa ho solon'izany ny fitiavana sy ny fankatoavana. Amin' ny fotoana izay mampahazo laka ny fandikan-lalàna sy ny filôzôfia momba ny tsy fahatomombanan'ny fahalalana eto amin'izao tontolo izao, - izay milaza fa miankina amin'ny toe-javatra ara-kolontsaina sy ny safidy iraisan'ny maro sy ny isam-batan'olona ny ratsy sy ny tsara - dia tsy maintsy hisy ary hisy ny vahoaka izay hanohana amim-pahitsiana ny fanevan'Andriamanitra mikasika ny fahamasinana, dia ny Didy Folo izany.

Mitady hihevitraisika fa famelezana sy fandavana tsy ara-drariny ny fahefana no atao hoe fikomiana. Mety ho tonga amin'ny endriny maro samy hafa misoko mangina anefa izany.Ahoana no ahafantaranao raha mety ho efa ao anatinao ny toe-tsaim-pikomiana amin'Andriamanitra?

Nampiditra : ranaina
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net