Matetika no heverina ho zavatra kely monja ny maha-zava-doza ny fahotana. "Tsy misy tonga lafatra anie isika rehetra e!" hoy ny olona. Raharaha mampidi-doza tokoa anefa ny fahotana, "Rehefa takatsika ny fahafenoan'izay mety ho zava-bitan'ny olombelona araka ny namoronana azy ho araka ny endrik'Andriamanitra, dia amin'izay vao hiharihary ny maha-zavadoza tanteraka ny fahotana." - PCT, t. 238.
Tsy ny fanaovana zavatra tsy mety ihany no tafiditra ao anatin'ny atao hoe: ota. Anisan'izany ihany koa ny faniriana lalina sy ny fanonofinofisana zavatra izay fantatra fa tsy azo atao (Mat. 5:28).
In ona no zavatra izay efa nonofinofisinao tao anatin'ny 24 ora lasa izay?Ho menatra ve ianao raha haharihary ho hitan'ny maro izany eritreritra
izany? Inona no tokony holazain'ny valin-teninao anao mikasika izay misy ny fonao? Jereo ny Rôm. 8:6.
Misy ihany koa ny sokajim-pahotana izay mazàna antsoina hoe: "otan'ny fanadinoana." Voalaza amin'izany ny fanaovana an-tsirambina iniana atao ny andraikitra, izany hoe, mandà ny hanao zavatra izay fantatry ny sainy fa tokony hataony ny olona iray.
Hitantsika ao amin'ny Mat. 23:23 sy ny Mat. 25:45 ny fanambaran'i Jesôsy mikasika ny otan'ny fanadinoana. Vakio ireo andininy ireo ao anatin'ny tontolon-kevitra misy azy. Inona no fonosin'ireo fanambaràna ireo?
Hitantsika ao amin'ny Filazantsaran'i Matio ihany koa ,ny fanoharana momba ny talenta (and. 14-28). Inona no nitranga tamin'ilay mpanompo nandevina ny talenta tokana nananany? Inona no hevi-dehibe tsara hodinihintsika mikasika izany?
Efa nomena talenta avokoa isika. Tafiditra ao anatin'ny fitantanampiainana kristianina ny fampiasantsika ny talentantsika amin'ny fahafenoany. Tsy maintsy mahita havaly an'Andriamanitra isika ny amin'izay tsy nampiasantsika ny zavatra efa nomeny antsika. Andeha hotsaroantsika ny tenin'ny apôstôly Petera: "Samia mifanompo araka ny fanomezampahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy- hafa izay an Andriamanitra 1 Pet. 4:10.
Otan'ny fanadinoana, ota amin'ny eritreritra - iza moa no tsy efa meloka tamin'ireo rehetra ireo? Mitoera eo amin'ny teny fikasana momba ny famelan-keloka, izay ananantsika, ao amin'i Jesôsy. Nahoana no tokony hidika ho zava-dehibe tokoa izany ho antsika?