Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:56 )
   
lesona 8 16-05-2009 au 22-05-2009
FITSAHARANA
( Gen. 2:2,3; Deo. 5:12-15; Isa. 58:12-14; Ezek. 20:12; Heb. 4:9-11. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

MANEHO AMIN'IZAO TONTOLO IZAO NY FOMBA FITSAHARANA REHEFA SABATA

Vakio ny Isa. 58:12-14. Inona no fitsipika azontsika tsoahina avy amin'ireo andininy ireo, mikasika ny fitandremana ny Sabata, ka mety hanampy antsika hanao fanandramana tsaratsara kokoa ny fitahian'Andriamanitra antsika, raha toa ka tsaroantsika tsara araka ny tokony ho izy ny Sabata?

Zava-misy marina tena mampalahelo dia mampalahelo tokoa ity: Maro amin'ny Advantista no tsy tena maka fahafinaretana amin'ny Sabatan'i Jehôvah. Mahatsiaro amin-tahotra ireo fomba nitandremana ny Sabata tany an-tokantranon-dray aman-dreniny ny olona sasany. Eny, fa na dia eny amin'ireny sekoly sy trano fiasana advantista samihafa ireny aza dia zara raha vita ny fitandremana ny Sabata. Natao hahazoana mitandrina ny Sabata tsara araka ny maha-"masina" azy ny lalàna sy ny fitsipika. Miorina amin'ny fitsipika ara-Baiboly ny sasany amin'izany lalàna izany, saingy maro amin'izy ireo kosa no misy ifandraisany betsaka amin'ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina noho ny hoe: "ary izao no nolazain'i Jehovah". Tsy tokony ho andro feno fameperana sy fanakantsakanana velively ny Sabata. Raha mitady ny ohatra tokony harahina isika, dia aoka ny ohatra navelan'i Jesôsy no horaisintsika.

Jereo tsara ireto andininy ireto ka fantaro ny fomba nitandreman'i Jesôsy, llay ohatra fara tampony ho antsika, ny Sabatan'ny andro fahafito ho "masina". Mar. 2:23- -3:6; Lio. 4:16; 6:1-11.

"Tsy mitsahatra na oviana na oviana ny asan 'ny lanitra, ary ny olona koa tsy tokony hitsahatra na oviana na oviana hanao soa. Tsy notendrena ho fotoana tsy iasana sy tsy ahavitana zavatra mahasoa ny Sabata. Raran'ny lalàna ny asa ara-nofo amin 'ny andro fialan-tsasatry ny Tompo; ny asa ahazoam-pivelomana dia tsy main tsy ajanona; tsy misy asa itadiavana fahafinaretana araka izao tontolo izao na totnbontsoa araka ny lalàna azo atao amin 'io andro io: fa tahaka ny nijanonan 'Andriamanitra tamin 'ny asam-pamoronany, ka nitsahatra Izy tamin 'ny andro Sabata sy nitahy izany andro izany. dia toy izany koa, ny olona dia tokony hatnela ny asany andavanandro, ka hanokana ireo ora masina ireo ho amin'ny fialan-tsasatra mahasoa. ka hanokana ireo ora masina ireo ho amin'ny asa fanasoavana. Ny asan'i Kristy tamin'ny fanasitranana ny maraiy.dia mifanaraka tanteraka amin 'nv lalàna. Nanome voninahitra nv Sabata Izv " - IFM, 1207.                   '

Ezaho alaina sary an-tsaina ny hoe hanao ahoana izany Sabata "tonga lafatra" izany. Ahoana no ho fitandremanao azy? Inona no zavatra ho azortao amin'io fotoana io, kanefa tsy mety ho azonao mandritra ireo andro fiasana? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata.

Nampiditra : MYRIAM, josias
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net