Hitantsika ao amin'ny Gen. 11 ny fitantarana ny fanandraman'ny olona tamim''ny nanorenany ilay fonenana hiaraha-monina, izay tsy nankasitrahan' Andriamanitra velively satria tsy nifanaraka tamin'ny sitrapony. Taorian'ny safodrano izay nanenika ny tany manontolo dia nanapa-kevitra ny taranak'ireo sisa velona tamin'izany (izany hoe ny taranaky ry Nôà) fa tsy hisara-mianakavy ary hanorina tanàna misy tilikambo avobe amin'ny tapany atsimon'ny faritra izay fantatsika amin'ny hoe Iraq ankehitriny. Tezitra mafy Andriamanitra noho izao toe-javatra izao; tsy izao mihitsy mantsy no fikasany.
Ao amin'ny toko manaraka anefa, dia ny Gen. 12 izany, dia nohantintranterina indray ny amin'ilay fonenana hiaraha-monina saingy nanana ny heviny manokana sy mitombina kosa teto. Nilaza tamin'i Abrahàma (mbola Abràma no niantsoana azy tamin'izany) Andriamanitra fa maniry ny hanorina firenena izay tiany hantsoina hoe vahoakany Izy,
Inona no fahasamihafana lehibe nisy teo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra hanorina ny tilikambon'i Babela, ho fonenana hiarahamonina, sy ny planin'Andriamanitra mba hahatonga an' i Abrahàma sy ny taranany ho olony?
Ampitahao amin'ny Gen. 11:1-4 ny Gen. 12:1-3.
Nanomboka teo amin'ny tantaran'ny niantsoana an'i Abrahàma hankany amin'ny tany tsy fantany akory dia mampivohitra ny fanandraman'ny olon'Andriamanitra sy ny tsy fahombiazany ary ny fandreseny ny TT. Nomena iraka hampahalala amin'ny firenena rehetra ilay Andriamanitry ny fanekena ny vahoaka Isiraely. Natao hanomana lalana ho amin'ny fiavian'ny Mesia izy ireo. Fantatsika tsara ny tsy fahombiazan'ny Isiraely amin'ny maha-vahoaka azy tamin'ny nanatanterahany io andraikitra io.
Rehefa tonga ny Mesia dia nolavin'ny mpitondra fivavahana sy novonoiny toy ny olo-meloka; izy ireo indrindra anefa no tokony ho niarahaba sy nandray an'i Kristy amin'ny maha-mpanavotra Azy. Maro ihany koa anefa tamin'izany ireo nitoetra ho mahatoky tamin'ny Tompo ary namorona antoko izay nanjary fiangonana kristianina.
Vakio 1 Pet. 2:9,10. Inona no hafatra ho antsika ankehitriny?
Ny Jiosy sy Jentilisa, ny lehilahy sy vehivavy avy amin'ny firenena rehetra ary ny antokon'olona samy hafa fiteny, ireo no vahoakan'Andriamanitra ao amin'ny TV. Tahaka ny Isiraely ao amin'ny TT dia manana ny anjara andraikiny amin'ny fampianarana ny hafa momba ny fahasoavan'Andriamanitra koa izy ireo. Tahaka ny Isiraely fahizay dia tafiditra ao anatin'ny fiarahamonin'ny mpino koa izy ireo.
Inona no fampitahana azonao sintonina avy amin'ny flainan'ny vahoaka Isiraely fahizay sy ny fiangonana ankehitriny? Inona no lesona azontsika hianarana avy amin'izy ireo? Inona no fahadisoana tokony hialantsika?