Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 08/09/2010 02:52 )
   
lesona 12 13-06-2009 au 19-06-2009
FIARAHA-MONINA
( Gen. 11:1-4; 12:1-3; 1 Kôr. 12:12-27; Efes. 4:1-13; Apôk. 22:1-6. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIRAISANA AO ANATIN'NY FAHASAMIHAFANA


Kristianina marobe no mikiry fatratra, manao izay hisian'ny firaisana lehibe eo amin'ireo antokom-pivavahana maro isan-karazany. Resahin'izy ireo amin'izany ny maha-ratsy ny fisaratsarahana sy ny tsy firaisana, ary mampahatsiahy antsika izy ireo fa mamerimberina hatrany ny antso ho amin'ny firaisana eo amin'ny mpanara-dia Azy i Kristy.
Lohahevitry ny fiangonana Advantista koa ny firaisana, izay voahozongozon'ny fandrahonan'ny fisaratsarahana sy ny fifampiandaniana avy ao amin'ny fiangonana ihany. Izao anefa: tsy tokony hirona any amin'ny firaisana ara-pikambanana na fitoviam-pomba amam-panao fotsiny eo amin'ny fanompoam-pivavahana na fanao hafa ny firaisana katsahin'ny Advantista fa tsy maintsy miroso ho amin'ny lalindalina kokoa.


Inona ireo fepetra fototra takin'ny firaisana kristianina tena izy? Jao. 14:6; Efes. 4:3,13.


Ny "iray ao amin'i Kristy" dia midika hoe "iray ao amin'ny fahamarinana". Nambaran'i Kristy fa Izy tenany mihitsy no Fahamarinana. Tsy midika akory izany hoe tsy ahitana ny tena firaisana marina ao amin'ny olona samy hafa fomba fijery eo amin'ny resaka teôlôjia na eo amin'ny fandraisana ny hevitry ny teny ao amin'ny SM, fa mitaky ary tena mitaky fanekana iombonana io firaisana io, dia fanekena ny SM ho Tenin'Andriamanitra; fanekena ny fampianarana fototra raketiny, ary koa mitaky faniriana iombonana, dia faniriana hampihatra izay ampianarin'ny Teny, Tsy mitaky kosa anefa izy hoe tsy maintsy manana fisainana mitovy sy manao fanompoam-pivavahana mitovy tanteraka ny mambra rehetra. Tsy natao hanafoana ny fahasamihafana mahafinaritra eo amin'ny lafiny arakolontsaina izay mampiroborobo aok'izany ny fiarahamonin'ny fiangonana maneran-tany ny firaisana.


Ny famariparitana ny amin'ny Jerosalema vaovao dia maneho ny fahasamihafana misy eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra? Apôk. 21; 22:1-6; diniho manokana ny 21:12-14,19,26 ary ny 22:2.


Oharina amin'ny zavatra mivaingana azo tsapain-tanana, tena izy i Jerosalema vaovao, izay tanàna namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, eny, fa na dia sary an'ohatra be mihitsy aza no namaritana ny mombamomba azy io. Ny manohina antsika Izao rehefa mamaky azy ity isika dia ny fanamafisana ny amin'ny fahasamihafana. Tsy mahagaga izany satria avy amin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra ny voavonjy. ( Apôk. 5:9; 7:9)
Ny olona rehetra izay hiditra ny vavahadin'i Jerosalema ary honina any an-tany vaovao dia toy ny sampana marobe mipoitra avy eo amin'ny voaloboka iray.
"Ahitana fahasamihafana eo amin'ireo sampam-boaloboka marobe, kanefa ao amin'izany fahasamihafana izany no ipoiran'ny firaisana, Mitambatra eo amin'ny tahobeny ireo sampana rehetra ary misintona ny sakafo ivelomany eo amin'ny fototra iray ihany, Koa raha sampan'llay Tena Voaloboka isika dia tsy tokony hahitana fifandrafiana eo amintsika, na ady amin'ny fikatsahana fahamboniana, na fifanimbazimbana, – GCB.


Raha misy fahasamihafana toy izany ihany any an-danitra, dia nahoana no ahitana adim-poko sy firazanana ao anatin'ny fiangonana ankehitriny? Nahoana isika no mitady hikambana amin'ireo izay "mitovy" amintsika, izay mifanohitra amin'ny hafa? Karazana hafatra toy inona no ampitaintsika amin'ny fanaovana izany?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net