.
Efa an-taonany maro dia maro ny teôlôjianina no niady hevitra raha hamonjy ny olona rehetra ihany Andriamanitra amin'ny farany na tsia. Misy olona sasany milaza fa noho ny fitiavan'Andriamanitra, dia azo antoka fa tsy hisy ho very ny olona amin'ny farany na dia iray aza. Milaza kosa ny sasany fa hanana ny tombontsoa hino an'i, Kristy ihany aorian'ny fahafatesany ireo izay tsy mbola nandre na oviana na oviana ny momba Azy. Dia mbola ao ihany koa ireo manohana tsangan-kevitra isan-karazany hafa. Ny olana mikasika ny tsangan-kevitra anefa na izany aza, dia ny fiezahan'ireo olona ireo hanazava ny zava-drehetra, kanefa isika dia tokony hionona amin'izay, efa nambaran'Andriamanitra tamintsika. Misy ny fanontaniana izay tsy hain-tsika ny mamaly azy. Fantatsika kosa anefa fa tena marina tanteraka Izy amin'izay rehetra ataony, sady tsy misy fetra ny fitiavany. Efa nilaza mazava ihany koa Izy fa manana safidy malalaka ny olona, ary mety hiseho tokoa ny fahaverezana. Amin'ny farany dia hisy ny fisarahana eo amin'ny olona voavonjy -sy ny olona hiatrika ny fahafatesany mandrakizay, Fantatsika rahateo ihany koa fa tsy maintsy tonga haingana araka izay àzo atao sy amin'ny olona maro araka izay tratra ny filazantsara.
Inona no ambaran'ireto andininy ireto amintsika mikasika ny maha-zavadehibe ny fitoriana ny filazantsara amin'izao tontolo izao iray manontolo? Jao. 14:6; Asa. 4:12; 1 Jao. 5:11,12
Anankiray amin'ireo andininy malaza indrindra ao amin'ny Baiboly ny
Jao. 3:16. "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao , nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra moni Az,fa hanana ny fiainana mandrakizay" Miresaka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay nasehony teo amin'ny nanirahany ny Zanany ho ety ambonin'ny tany io andininy io. Mampanantena ny fiainana mandrakizay amin'izay rehetra mino Azy izany. Manondro mazava ilay lafiny ankilany koa anefa io andininy io, Ho very izay tsy mihaino ny antson'ny filazantsara ka mandà ny hanaiky an'i Kristy. Tsy antsika ny fanapahan-kevitra mikasika izay ho very na izay hahazo ny fiainana mandrakizay. Mety ho tena hisy zavatra tsy ampoizintsika tokoa rehefa hahita ny lisi-piantsoana ireo voavonjy isika. Hanao izay rehetra vitany Andriamanitra mba hampîhenana ny isan'ny olona ho very, kanefa tsy hanitsakitsaka ny safidiny Izy amin'izany. Mahagaga tokoa àry fa noho ny fahendreny, dia nomeny anjara isika amin'izany asa izany.
Inona no anjara asanao eo amin'ny asa nanirahana ny fiangonana? Manca ahoana ny fahamatoranao eo amin'ny fanekenao ny antso hizara ny filazantsara amin'ny hala? Inona ihany koa no mbola azonao atao?