Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:14 )
   
lesona 2 04-07-2009 au 10-07-2009
MANANDRANA NY TENY FIAINANA
( : Deo. 4:1-4; 1 Kôr. 15:4-8: 1 Jao, 1:1 - 4, 5; Apôk. 19:13, )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

FIRAISAN'NY OLONA MASINA

Nisy olona nilaza fa tsy manana zafikely Andriamanitra fa zanaka ihany. Tsy fanandramana lovaina ny fanandramana kristianina, Mila mandray fanapahan-kevitra ao am-pontsika hanolotra ny tenantsika ho an'i Jesôsy isika. Ny hafa tsy afaka manao izany ho antsika tahaka ny tsy ahafahan'ny hafa mievina misolo antsika. Isika no tsy maintsy misafidy, ary tsy maintsy fanoloran-tena feno sy tanteraka ho Azy izany, Amin'izay heviny izay, ny hoe  Kristianina dia tena fanandramana manokana ataon'ny isam-batan'olona samirery,
Etsy an-danin'izay dia misy velarana iray hafa anampin'i Jaona ny dikan'izany atao hoe Kristianina izany ao amin'ireo andininy voalohany vitsivitsy ireo. Manasa antsika i Jaona mba hanaiky ny fanambarana ataony mikasika an'i Jesôsy ka amin'izany fomba izany no hahatonga ny firaisana aminy sy amin'ny kristianina hafa ho fanandramana iainantsika. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao, ny fanambarana an'i Jesôsy dia fanorenana fiaraha-monina, Ny hoe manaiky an'i Jesôsy ho Tompo sy Mpamonjy ary Mpanome fiainana mandrakizay dia midika fa miampy anao ny isan'ny fianakavian'ny mpino.


Araka ny voalazan'ny 1 Jao. 1:3, inona ireo velarana amin'izany firaisana izany?


1 Jesôsy mihitsy no nanangana ny fiaraha-monin'ny mpino Azy na ny fiangonany (Mat. 16:18), ary miahy azy toy ny mpiandry ondry miahy ny andian'ondriny Izy (Jao, 10:14-16), Mifanentana i Jesôsy sy ny fiangonany. Mitondra ny olona ho amin'ny firaisana amin'ny Ray sy ny Zanaka ary koa amin'ny mpino hafa ny fanambarana an'i Jesôsy sy ny filazantsara. Tsy fifandraisana tsy hita maso amin'ny lanitra fotsiny no misy fa misy koa fifandraisana tena hita maso tokoa eo anivon'ireo mpino ireo. Voatahy ny Kristianina satria tsy voatery hifehy ny fiainany samirery sy mitoka-monina tsy miaraka amin'ny hafa izy, fa tonga mpikambana ao amin'ny fiaraha-monin'i Kristy sy ny fianakaviany ety ambonin'ny tany.


Manao ahoana io firaisana kristianina io araka ny endrika tonga lafatra anehoan'ny TV azy? Jer. Asa. 2:42.47, Rôm. 12:3-17.


Mifarana eo amin'ny andininy fahefatra ny ampahany nodinihintsika ao amin'ny 1 Jaona. Ny tanjon'i Jaona dia tsy ny ifalian'ny olona amin'ny firaisana amin'ny Tompo sy amin'ny mpino hafa fotsiny fa ny mba ho tanteraka koa ny fifaliany.
Manao jery*todika amin'ireo and. teo alohany angamba ny and, faha-4. Tanteraka ny fifaliantsika satria efa niseho i Jesôsy, llay fiainana mandrakizay". Io and, faha-4 io koa dia mety mitodika sahady amin'ny andininy sisa rehetra ao amin'ny epistily voalohany nosoratan'i Jaona, dia ireo andininy izay manambara miharihary an'i Jesôsy sy ny famonjena amin'ny alalany, ary koa ny fiainana miaraka amin'Andriamanitra, izay fiainam-pitiavana. Ary farany mety mitsinjo sahady ny fisehoan'ny Tompontsika amin'ny hoavy io and, faha-4 io. Koa ny 1 Jao. 1:1-4 âry izany dia mahafaoka ny fotoana nanomboka hatrany amin'i Kristy nisy taloha tany am-boalohany tany ka hatramin'ny farany amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany.


Manao ahoana ny fanandramana nataonao manokana mikasika ny firaisana kristianina? Inona no azonao atao, raha tsy izany? Fomba ahoana no ahafahanao mifaly tsara kokoa sy hanampianao ny hafa hifaly amin'ny fiarahana ao amin'ny firaisan'ny mpino, izay tombontsoa ho antsika Kristianina ny manana azy?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net