Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:28 )
   
lesona 3 11-07-2009 au 17-07-2009
MANDEHA EO AMIN'NY MAZAVA:Miala amin'ny ota
( Jao 3:19; 8:12; Rôm 3:1O-20; 1 Tim 1:15; 1 Jao 1:5-22. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

Tsianjery : " Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.1Jao.1:9 "

Tamin'ny taona 1982 dia nisy fampirantiana asan-taozavatra môderina tsy dia mahazatra loatra. Tsy inona izany fa basy iray napetaka teo amin'ny seza iray, ka izao no fomba ahafahana mijery ilay sangan'asa: Mipetraka eo ambonin'ilay seza sady mijery ny vavan'ilay basy. Ny olana dia efa voafahana ilay basy ary misy fotoana hipoahany tsy voafaritra hoe rahoviana, ao anatin'ny zato taona manaraka. Ny mahagaga dia ny mahita ny olona milahatra mba hipetraka eo amin'ilay seza, mijery tsara ny lalan'ilay bals, na dia fantatr'izy ireo aza fa mety hipoaka amin'ny fotoana tsy fantatra io basy io.
    Izany ka tena manao sangy ratsy amin'ny anjara!
    Indrisy fa toy izany koa no ataon'ny olona amin'ny fahotana. Mihevitra ny olona fa afaka mifanatrika tsara amin'ny fahotana ary ho afa-miala amin'izany soa aman-tsara tsy maninon-tsy maninona. Tsy mba toy ilay basy anefa ny fahotana, fa tena hamono azy tokoa – raha tsy hoe angaha misy vaha olana.
     Amin'ity herinandro ity i Jaona dia mijery ny olan'ny fahotana sy ny vahaolana amin'izany ao amin'i Jesôsy Kristy.


Indray mitopy maso:
Inona no tian'ny Baiboly hambara rehefa milaza izy hoe Andriamanitra dia "mazava"? Inona no fahadisoan-kevitra mikasika ny fisian'ny ota notadiavin'i Jaona horesahina eo amin'ireo andininy voalohandohany eo ireo? Inona ireo teny fikasana atolotr'i Jaona antsika ho fanafodin'ny fahotana eo amin'ny fiainantsika? Nahoana no ilaintsika ireny teny fikasana ireny?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net