Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 10:18 )
   
lesona 6 01-08-2009 au 07-08-2009
MANDEHA EO AMIN'NY MAZAVA: MITSIPAKA NY ANTIKRISTY
( Jao. 15:4-10; Asa. 2:15-17; Heb. 1:1, 2; 2 Tes. 2: 3, 4; 1 Jao. 2:18-29; 4:1-6. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

ORA FARANY ( 1 Jao. 2:18)

"Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro ny antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany" - 1 Jao. 2:18

Ao amin'ny fiafaran'ny 1 Jao 2, dia manomboka miresaka misimisy kokoa amin'ny tsipiriany mikasika ny antoko na ireo antoko niteraka olana teo amin'ny mambran'ny fiangonany i Jaona. Ary teo amin'ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo no nahatsapany fa tonga "ny ora farany.

Nanodidina ny fiafaran'ny taon-jato voalohany taorian'i Kristy 1 Jaona no niresaka mikasika "ny ora farany". Ahoana no tokony ho fahazoantsika ny tiany hambara amin'izany, isika izay velona efa ho roa arivo taona aty aoriana? Asa. 2:15.17; Heb. 1:1 t 2; 1 Pet. 1:20; 1 Jao. 2:18.

Eto ihany no isehoan'ny fomba fiteny hoe "ora farany". Ny mifanohitra amin'izany, ao amin'ny TV ny mpanoratra hafa dia mampiasa ny andalan-teny hoe "andro farany" mba hilazana ny vanim-potoana nanomboka teo amin'ny fiavian'i Jesôsy voalohany.
Vanim-potoana vaovao no tonga niaraka tamin'i Jesôsy. Ny vanimpotoana manontolo eo anelanelan'ny fotoana niavian'i Jesôsy voalohany sy ny fotoana hiaviany fanindroany no heverina ho "andro farany". Raha jerena ny tontolon-kevitry ny asa soratr'i Jaona, ny teny hoe "ora farany" dia mety ho fomba ilazany tsotra toe-javatra iray ihany, dia ny "andro farany" izany, dia ny vanim-potoana eo anelanelan'ny fiavian'i Jesôsy voalohany sy ny fiaviany fanindroany.
I Jesôsy mihitsy no nampiasa ny teny hoe "ora" ao amin'ny Jao. 4:23 sy 16:2 ("fotoana" no andikana izany any amin'ny dikan-tenin'ny Baiboly sasany), ka vanim-potoana amin'ny hoavy voafaritra mazava tsara, mialoha ny fiverenany, no tondroiny amin'izany. Toa min'izay heviny izay koa no ampiasan'i Jaona ny teny hoe "ora farany".
Ny zava-dehibe tsara marihina anefa dia izao: Tsy manondro daty i Jaona na manoritsoritra amin'ny tsipiriany ny fifandimbiasan'ireo toe-javatra izay tsy maintsy hiseho mialoha ny fiavian'ny Tompo. Tsy izany no tiany hahatongavana. Ny tanjony dia ny mba hahamailo sy hahamalina antsika, satria efa tonga eto amintsika ny mpampianatra sandoka, araks izay efa nolazain'i Jesôsy mialoha.


Raha taitra i Jaona tamin'izany fotoana izany ka nampitandrina mikasika ny zava-doza hitranga amin'ny "ors farany", ahoana ny amintsika ankehitriny? Karazana fampianarana manao ahoana no atrehintsika isan'andro, na ato anatin'ny fiangonana izany na any ivelan'ny fiangonana, fampianarana-izay hitarika antsika hiala an-daharana, raha toa ka ekentsika? Ahoana no hiarovantsika tena amin'ireo famitahana ireo?

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net