Lesona sekoly sabata


Flux RSS flux rss ( 10/09/2010 11:18 )
   
lesona 6 01-08-2009 au 07-08-2009
MANDEHA EO AMIN'NY MAZAVA: MITSIPAKA NY ANTIKRISTY
( Jao. 15:4-10; Asa. 2:15-17; Heb. 1:1, 2; 2 Tes. 2: 3, 4; 1 Jao. 2:18-29; 4:1-6. )
Sabotsy Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma

MITOETRA AO AMINY


Inona no lohahevitra iraisan'ireto andininy ireto? Nahoana no zavadehibe loatra ho antsika io hafatra io? Jao. 5:38; 6:56; 8:31; 15:4.10; 1 Jao. 2:14, 28; 2 Jao. 9.

Ny teny nadika hoe "mitoetra" dia efa nadika ihany koa hoe: "maharitra", "mipetraka ao", "monina". Foto-kevitra lehibe izany ao amin'ny filazantsaran'i Jaona sy ao amin'ny epistily nosoratany. Miseho in-25 izany ao amin'ny 1 Jaona ary in-2 kosa ao amin'ny 2 Jaona.
Antitranterin'io foto-kevitra io fa zava-dehibe ny mitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray ary ny Fanahy Masina. Ny fifandraisana tsars amin'Andriamanitra Telo izay Iray dia tena zava-dehibe tokoa. Zava-dehibe ihany koa ny mitoetra ao amin'ny foto-pampianarana marina sy ao amin'ny Teny, satria hisy fiantraikany amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra izany. lzany mihitsy no toa lafiny iray lehibe indrindra amin'ny epistilin'i Jaona, satria natahorany ny zavatra mety hafitsok'ireo mpampianatra sandoka sy ny fomba fijery diso, nananan'izy ireo amin'ny finoan'ny mpino.

Anankiray amin'ireo teny fikasana natao ho an'ireo mitoetra ao Aminy ny teny fikasana mampanantena ny fiainana mandrakizay. Nahoana no tena zava-dehibe ho antsika ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay? Inona no homen'ny finoantsika antsika raha toa ka tsy manana io teny fikasana io isika? Inona no ilàna ny maha-Kristianina raha izany? Jer. 1 Kôr. 15:1-19.

Tsy isalasalana fa ny lafiny lehibe indrindra amin'ny finoana kristianina, ho an'i Jaona, dia ny mitoetra ao amin'ny Tompo. Fomba iray hafa tsotra fotsiny izany ilazana fa mila "mandeha eo amin'ny mazava" isika, ary mila miaina ao amin'ny fifandraisana ety amin'i Jesôsy, izay midika fanoiorana isan'andro ny sitrapontsika hotapahin'ny sitrapony, araka izay ambaran'ny Teny sy ny Fanahy Masina miasa eo amin'ny fiainantsika. Raha vao manomboka tsy mankato ny Tompo isika, raha vao manomboka misaina isika fa afaka mahataka-javatra tsy misy an'Andriamanitra, raha vao manomboka manana fisainana ratsy mikasika fanambarana itsy na iroa ao amin'ny Baiboly izay tsy tiantsika isika, dia miroso ho amin'ny lalana izay hahatonga antsika

Fomba ahoana no "Itoeranao" ao amin'i Kristy? Inona ireo zavatra nataona tao anatin'izay 24 ora lasa izay ka nahafahanao "nitoetra" tao Aminy? Ataovy lisitra ireo zavatra azontsika atao izay anisan'ilay hoe "mitoetra" ao amin'i Kristy, ary resaho amin'ny mambra ny lisitra nataonao amin'ny Sabata.

Nampiditra : MYRIAM
.

Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net