Ny 1 Jao. 3:1 dia teny fampidirana ny hevitra izay velabelarina ao amin'ireo andininy sisa natokana hodinihina amin'ity herinandro ity. Miresaka mikasika ny vokatr'io fifandraisan'ny Ray sy ny zanaka io izy, ary tafiditra ao anatin'izany koa ny andraikitra aterak'izany. Vokatry ny fifandraisany amin'Andriamanitra, dia mivelona amin'ny fiainana madio tsy anjakan'ny ota ny mpino (and. 3-10). Ny hizingizinina voalohany anefa dia ny hoe hahita Azy isika ary ho tahaka Azy,
Satria fantatsika ny toetsika ankehitriny amin'ny mahazanak'Andriamanitra antsika, dia fantatsika koa fa hahafinaritra lavitra ny hoavy, na dia mety tsy ho takatry ny saintsika amin'ny fahafenoany aza izany. Ny hoe hahita ny Tompo ary ho tahaka Azy isika dia tokony hameno fifalîana sy fahatokiana antsika fa tsy tokony hitondra tahotra sy fitalanjonana.
Inona no mahasamy hafa ny fanirlan'! Eva sy ny an'i Satana mba ho tahaka an'Andriamanitra (Gen. 3:5; Isa. 14:14; Ezek. 28:2) sy ny teny fikasana ao amin'ny 1 Jao. 3:2 mampanantena fa ho tahaka Azy isika?
Te ho tahaka an'Andriamanitra i Satana teo amin'ny fahefana ka mety niriny fatratra ny fiankohofan'ny voary rehetra. Fa toa tsy mba nahaliana azy ny ho tahaka an'Andriamanitra teo amin'ny toetra. Ny faniriany mba ho tahaka an'Andriamanitra teo amin'ny fahefana dia tsy nahatonga ny fifandraisany tamin'Andriamanitra hihalalina hatrany, fa mifanohitra amin'izany, nanapaka sy nandrava azy.
Na dia lasa hitovy amin'Andriamanitra aza ny Kristianina dia tsy maniry haka ny toeran'Andriamanitra izy ireo. Te hitovy Aminy izy amin'ny fitiavany ny hafa, amin'ny fanompoana tsy mihevitra ny tena, amin'ny fanehoana fahadiovam-pisainana sy fahamarinan-toetra eo amin'ny zavatra atao. Manaja ny fahasamihafana fototra misy eo amin'ny maha-mpamorona sy ny mahavoary izy ary tsy te hanafoana izany. Ho azy ireo dia ny fitiavana no zavadehibe fa tsy ny fahefana. Tahaka izay nasehon'i Jesôsy tamintsika, ny hoe mitovy amin'Andriamanitra dia fanoloran-tena tanteraka tsy misy fitiavan-tena ho amin'ny fanasoavana ny hafa. Tonga i Jesôsy mba haneho amintsika ny Ray. "Hoy Jésôsy, taminy: izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? 1zay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: asehoy anay ny Ray?"- Jao. 14:9.
Eritrereto ny fifanoherana tsy mampino misy eo amin'ny toetran'i Jesôsy sy ny toetran'i Satana. i Satana, na dia voary aza, dia nikatsaka toerana ambony kokoa noho izay nananany, noho ny fitiavan-tena, fa i Jesôsy kosa, Ilay mpamorona, dia nisafidy ny "hanafoana ny tenany" (Fil. 2:7), mba hanasoavana ny hafa. Inona no fironana ao aminao, ny ho tahaka an'i Kristy, sa ny ho tahaka an'i Satana. Raha ity farany no valin-teninao, ahoana no ahafahanao miova?