| lesona 8 | 15-08-2009 au 21-08-2009 | |
|---|---|---|
| TIA NY RAHALAHY SY NY ANABAVY | ||
| ( Mar. 12:28-31; Jao. 14:15; 1 Jao, 3:11-24; 4:7-5:4;Jak.2:15,16 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
OLANA MOMBA NY TSY FANANANA TOKY
|
Vakio ny 1 Jao 3:19-21. Inona no hevitra tian'i jaona havoitra eto ? Inona no lazainy amintsika ? Iza no tsy mbola nahatsapa ireo fihetseham-po resahin'i Jaona eto ireo ? Vakio ihany koa ny 1 Jao 4:17,18. Inona ihany koa no olana vahany eto ? Mipetraka indray ny fanontaniana, iza no tsy mbola nahatsapa an'io tebiteby io ? Kristianina iza no tsy efa nahatsiaro ho meloka sy manan-tsiny, ary very mihitsy aza, rehefa mijery ny tenany, ny fahalemeny, ny tsy fahampian'ny fitiavany ary ny kilemany ? Koa zava-dehibe tokoa àry ny mahatsiaro fa Andriamanitra dia lehibe lavitra noho isika, noho ny helontsika sy noho ny fontsika. Tena ilaina indrindra ny mahafantatra isan'andro isan'andro fa tsy maintsy miorina eo amin'i Jesosy sy ny asa nataony ho antsika ny fanantenantsika famonjena. Amin'ny fianteherantsika Aminy sy amin'ny fahamendrehany ihany, fa tsy amin'ny antsika, no hahazoantsika toky sy antoka. Antitranterina im-betsaka ao amin'ny 1 Jaona ny hoe toky. Tian'i Jaona ny mpino hanana toky rehefa manantona an'Andriamanitra amin'ny fivavahana (1 Jaona 3:21,22), hanana toky eo anatrehan'ny fiavian'i Kristy (1 Jao 2:28), ary hatoky ny fitsaran'Andriamanitra (1 Jao 4:17). Tsara indrindra ny fikasan'Andriamanitra ho antsika zanany. Manaisotra ny tahotra rehetra ny fifaharana amin'ny fitiavany. "Fantatr'i Satana fa izay mangataka famelan-keloka sy fahasoavana amin'Aandriamanitra dia hahazo izany, ka dia ataony eo anoloan'izy ireo ny fahotany mba hahakivy azy. Tadiaviny mandrakariva ny hirika hisian'ny fitarainana ao amin'ireo izay miezaka hakatô an'Andriamanitra. Eny fa na dia ny fanompoana tsara indrindra sy azo ekena indrindra ataony aza, dia ezahiny haseho ho lomorina. Miezaka mafy izy amin'ny alalan'ny teti-dratsy tsy tambo isaina, feno hafetsana sy tsimifaditrovana indrindra, manao izay hahavoaheloka azy ireo. Tsy afa-miaro tena samirery amin'ny herin'ny tenany manoloana ny fiampangana ataon'ilay fahavalo ny olona. Amin'ny fitafiana voapentim-pahotana, sady miaiky fahadisoany no ijoroany eo anatrehan'Andriamanitra. Indro anefa i Jesosy, ilay Mpisolovava antsika, fa miaro amin'ny fomba mahomby tokoa izay rehetra manankina ny fanahiny Aminy amin'ny fibebahana sy ny finoana. Miaro azy ireo amin'ny fiampangana atao aminy izy, ary mandresy ilay mpiampanga amin'ny alalan'ireo porofo mahery vaika teo Kalvary. Ny fankatoavany tanteraka ny lalàn'Andriamanitra no nahazoany ny fahefana rehtra any an-danitra sy ety an-tany, ka takiny amin'ny Ray ny famindram-po sy ny fampihavanana ho an'ilay olona meloka." _ GAG, t.316. Inona no fanantenana azonao raisina ho an'ny tenanao avy amin'ireo teny azo tamin'ny tsindrimandry ireo ?
|
| Nampiditra : MYRIAM, sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net