| lesona 8 | 15-08-2009 au 21-08-2009 | |
|---|---|---|
| TIA NY RAHALAHY SY NY ANABAVY | ||
| ( Mar. 12:28-31; Jao. 14:15; 1 Jao, 3:11-24; 4:7-5:4;Jak.2:15,16 ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FITIAVANA IAINANA
|
1 Jao 3:17, 18 ; 4:19-21. Tsy nianina fotsiny tamin’ny fanaovana resabe momba ny fitiavana I Jaona. Ampahafantariny antsika fa tian’Andriamanitra hiainantsika ny fitiavana. Ambarany mazava àry fa tsy afa-miaraka velively amin’ny toe-tsaina feno fitiavana ny fankahalana, ary lazainy aza fa endrika famonoana olona mihitsy izany (1 Jao 3:15). Lazainy koa fa tsy tokony ho tia amin’ny teny fotsiny isika fa amin’ny asa ihany koa (and. 18). Izany akory tsy milaza fa tsy mankasitraka ny fifanaovantsika teny mamy sy mampahery I Jaona. Ampahany lehibe eo amin’ny fanehoam-pitiavana ny teny. Mba ahoana re no ho fihetseham-pon’ny vady, ny zanaka, ny Na izany aza anefa dia hoterin’I Jaona ny fanambarana fitiavana ivelambelany fotsiny fa tsy arahina asa. Mitantara toe-javatra iray tahaka izay hita ao amin’ny Jak 2:15, 16 izy ao amin’ny Jao 3:17. Ao anatin’ny fahasahiranana ny mambran’ny fiangonana anankiray. Manana ny enti-manana hanampiana azy tokoa ny mambra sasany saingy tsy manao afa-tsy ny mampahery izany olona izany amin’ny teny mahafinaritra fotsiny. Tsy ampy izany. Tsy vitan’ny hoe nampahafantatra ny fitiavany antsika fotsiny Andriamanitra ; fa nalefany ho faty nisolo antsika mihitsy ny Zanany. Ny olona be fitiavana dia manao zavatra be anehoana izany, satria ny tena fitiavana marina dia miasa. Vakio ny 1 Jao 3:16 sy 17. inona amin’ireo didy ireo no mafimafy kokoa ny manaraka azy, ary inona no Tsy hita angamba amintsika antsoina mba ho faty ho an’ny mpino hafa. Saingy azo antoka kosa fa antsoina haneho fitiavana amin’ny olona sahirana isika. Mety ho afaka hanolotra asa isika, na sakafo, na fitafiana, na fanabeazana kristianina, na toeram-pialofana na izay toy izany. Aleontsika anefa miaina tsy voaelingelina ao anatin’ny fiadanantsika. Nifampizara ny fananany ireo Kristianina voalohany. Fihaikana ny fitiavana ny hafa, indrindra indrindra satria mitaky fahafoizan-tena avy amintsika izany. Amin’ny toerana rehetra dia ny tokatrano no ilaina hanehoana fitiavana be indrindra (na dia sarotra indrindra azan y fanatanterahana izany indraindray). Tsy misy fetra ireo fomba ahazoantsika maneho fitiavana amin’ny mambran’ny fianakaviantsika. Na dia ny zavatra bitika indrindra aza indraindray dia afaka mandefa hafatra mitory fitiavana sy fanekena mahery vaika : fanampiana amin’ny raharaha ankoatra ny mahazatra, sakafo mahafaapo, fiarahan’ny mpianakavy mandeha mitsangatsangana, sy ny sisa. Maro ireo fomba azontsika hanehoana fitiavana. Ny fitiavana dia mihevitra ny hafa aloha voalohany indrindra ; ary indrindra indrindra tanterahiny amin’ny asa izany fiheverana izany. Alaivo sary an-tsaina izany hoe miaina ao anatin’ny tokatrano anjakan’ny tena fitiavana marina izany. Inona ny fiovana tokony hataonao mba hanatonga izany filamatra iznay ho zava-misy iainana ao an-tokantranonao ?
|
| Nampiditra : admin, sandy |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net