| lesona 10 | 29-08-2009 au 04-09-2009 | |
|---|---|---|
| FAHATOKIANA | ||
| ( Jao. 3:36; Asa. 4:29; 1 Kôr. 9:27; Heb. 4:16,1 Jao. 5:13-21; Apôk. 12:9. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
MANANA FAHATOKIANA. 1 Jao. 5:13-21.
|
Hita ao amin'ny 1 Jao. 5:14 ny teny hoe fahatokiana, izay midika koa hoe antoka, na fahasahiana (Asa. 4:29, 31) na fahatsoram-po (Jao. 16:25, 29) any amin'ny tontolon-kevitra hafa. Araka ireto and. manaraka ireto, inona no azontsika atao ny matoky azy? 1 Jaona 5:13, 15, 18, 19, 20. Azonao atao ny mahafantatra sy miresaka mikasika ny fahazoana antoka ny famonjena, hoy ny apôstôly ao amin'ny' 1 Jao. 5:13. Manomboka eo amin'ny and. 15 no mankany kosa dia mampiasa ny teny hoe "fantatsika" izy. Hizingizininy ao amin'ny 1 Jao. 5:15 fa henoina ny fivavahantsika. Mahazo matoky isika. Ao amin'ny and. 18 ny teny hoe "fantatsika" dia arahin'ny teny fikasana mampanantena ny fiarovan'Andriamanitra. Ao amin'ny and, 19 io teny hoe "fantatsika" io dia mampiditra ny foto-kevitra mahagaga mikasika ny maha-an'Andriamanitra, ary ny and, 20 dia manantitrantitra fa fantatsika i Jesôsy ka noho izany dia fantatsika amin'ny alalany Andriamanitra ary ao Aminy isika. Araka izany ny Kristianina dia matoky ny fifandraisany amin'Andriamanitra, ny fiainam-bavaka ivelomany, ny toe-piainany ankehitriny sy ny anjarany amin'ny hoavy. Impiry ianao no efa nandiso fanantenana ny tenanao tamin'iny volana lasa iny, tamin'iny herinandro iny, na tamin'ity andro androany ity? Hoy izahay hoe: "Raketo an-tsoratra ireny fa hadisoarn-pananten ana ireny", kanefa mety ho tena hahakivy loatra izany. Fomba ahoana no anampian'ny fahalemenao anao hahatonga anao hahatsapa fa ilainao ny mahazo antoka hoe ao amin'i Jesôsy fa tsy ao amin'ny tenanao no ipetrahan'ny fahatokianao? |
| Nampiditra : ranaina |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net