| lesona 11 | 05-09-2009 au 11-09-2009 | |
|---|---|---|
| IREO LOHAHEVITRA MANAN-DANJA AO AMIN'NY 1 JAONA | ||
| ( Mat. 5:13; Jao. 14:6; Efes. 4:25-5:21; 1 Tim. 3:15; 1 Jaona. ) | ||
| Sabotsy | Alahady | Alatsinainy | Talata | Alarobia | Alakamisy | Zoma |
|---|
FAHAMARINANA SY LAINGA
|
Hatramin'ny fotoana taloha ela be tamin'ny andron'ny Grika ka mandraka ankehitriny aza, dia misy ny fiheverana hoe tsy tomombana ny fahamarinana fa miovaova arakaraka ny toe-javatra, sy ny fiheverana hoe tsy misy izany fahamarinana tena tanteraka tsy miovaova izany, ary ny fiheverana fa lavitra ny olombelona izany hoe manana filamatry ambony tena tanteraka tsy miovaova izany, izay hitari-dalana azy sy hitarika azy eo amin'ny zavatra Vak. ny Jao. 14:6. Inona no ambaran'i Jesôsy eto mikasika ny toetoetry ny fahamarinana tena tanteraka tsy miovaova? Araka ny fahitana azy dia tsy eken'i Jesôsy ny hevitra hoe tsy tanteraka ny fahamarinana fa miovaova. Amin'ny teny tena mazava sy tsy mihambahamba no anehoan'i Jesôsy amintsika ny fisian'ny tena fahamarinana ary ao Aminy, naseho tao amin'ny tenany, no ahitantsika izany! Inona no ampianarin'i Jaona mikasika ny fahamarinana? 1 Jao. 2:4, 21; 3:19;4:6;5:20. Fantatr'i Jaona fa misy ny tena marina tanteraka; mihoatra noho izany, hazavainy tsara fa misy fahasamihafana tena mazava tsara eo amin'ny marina sy ny lainga, fahasamihafana izay mitady hanjavozavo raha ny fomba fijehn'izao tontolo izao mandala ny foto-pisainana miorina amin'ny tsy fahatomombanan'ny fahalalana no arahina. Misy ny tena marina. Marina Andriamanitra. Fahamarinana i Jesôsy sy ny Fanahy Masina. Etsy an-kilany kosa, ny mpandainga dia olona manao fanambarana tsy voaporofo fa marina, milaza fa tia kanefa tsy mitandrina ny didy, ary tsy manaiky an'i Jesôsy ho Kristy. Ny mifanohitra amin'izany, ny Kristianina tso-po dia mahalala ny fahamarinana, tia ny fahamarinana ary an'ny fahamarinana. Araka izany tsy inona ny fahamarinana fa ny fahalalantsika izay sady ara-tsaina no ampiharintsika eo amin'ny fiainana. Tsy isalasalana: Misy ny tena fahamarinana, araka ny Baiboly. Moa ve ny zavatra rehetra tena tanteraka tsy misy tomika? Moa tsy misy ve ny zavatra tsy dia tena mitombina loatra, fa toa mîankina amin'izay toe-java-mitranga, miankina amin'ny isam-batan'olona sy ny kolontsaina, ary miovaova? Fomba ahoana no ianarantsika manavaka ny zavatra tsy maintsy tena marina ary tsy miova amin'ny zavatra mety miova ka tsy tomombana fa miovaova arakaraka ny toe-javatra? |
| Nampiditra : ranaina |
Nos partenaires : Annuaire RSS | iDago (hébergement gratuit) | echangedelien.net