Telovolana 4 : Commencements et appartenance. Le livre de la Genèse

Lesona faha 13 : Ny fiafaran'ny fanombohana

Daty : 23-12-2006 hatr@ 29-12-2006. Toko dinihina : Gen. 41:41==>50:26

Tsianjery : "Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany,fa hamelona anareo @ famonjena lehibe" Gen.45:7

Sabotsy 23-12-2006 : Fampidirana

"Teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao, matetika no ahitantsika zavatra hafa miseho avy amin'ny asan'ireo olona izay tsy nanao drafitra ny hisehoan'izany tany am-piandohana". Namboarina avy tamin'ny "Ny filôzôfian'ny tantara" PH, tt. 16, 17.

Amin'ity herinandro ity dia ho hitantsika ireo zavatra sasany amin'ny foto-kevitra asehon'ny fanambarana etsy ambony. Tsy mampaninona izay fisehon'ny fahadisoam-panantenana sy ny fahotana ary ny olana. Dia tena ho hitantsika fa misy zavatra hafa miseho avy amin'ny asan'ireo olona izay tsy nanao drafitra ny hisehoan'izany tany amp-piandohana. Io "zavatra" io dia ny Tompo manatanteraka ny drafitra nataony eo amin'ny tantaran'olombelona.
Ireo izay mandray anjara amin'ny tantara dia mila finoana lehibe tsy takatry ny saina hoentina mino fa Andriamanitra dia afaka hanatanteraka ny zavatra rehetra araka izay anmpanantenaina. Tsy mahagaga raha milaza ny Heb. 11 fa "finoana no (...) Abrahama", "finoana no (...) Saraha", "finoana no (...) Isaka", "finoana no (...) Jakoba". Niankina tanteraka tamin'ny teny fikasan'Andriamanitra izy ireo.

Alahady 24-12-2006 : Miseho ny fitarihan'andriamanitra ( gen.41:41-->42:23)

Nandritra ny alina iray no nandehanan'i Jakoba niala teo amin'ny fonja nankany amin'ny toerana faharoa amin'ny mpitarika ambony indrindra tao Egipta.Inona no fihaikana atolotr'izany mikasika ny fahatokian'i Josefa an'Andriamananitra? Gen.41/45.

Ny Gen 41:50,52 no manoritsoritra ny fipetrahan'i Josefa teo amin'ny fiainany vaovao.Ny anarana nomen'i Josefa ireo zanany roalahy no maneho ny fanandraman'ny tenany manokana.Ny anarana hoe:Manase dia avy amin'ny matoateny hebreo midika hoe: "mampanadino" ary maneho ny fiheverana fa ny zanany lahimatoa no hanampy azy hanadino ny lasany mahatsiravina.Efraima, anaran'ny zanany lahy faharoa, dia midika hoe:"feno vokatra indroa".Izany no maneho ny fifalian'ny fihetseham-pon'i Josefa sy ny fisikafan'ny toko vaovao eo amin'ny fiainanany.
Ny Gen.42/1-17 no maneho ny fisokafan'ny fitarihan'Andriamanitra.Tanteraka amin'ny fomba izay Andriamanitra irery ihany afaka nandamina azy ireo nofin'i Josefa.

Inona ireo teny nifampiresahan'ireo rahalahiny izay maneho fa mbola mahatsiaro ho meloka izy ireo na dia taona maro aty aoriana aza?

Ny fahorian'ny rain'izy ireo no nahatonga ireo mpirahalahy ireo hahatsapa ny maha-zava-doza ny fahotany.Ny ratsiratsy kokoa noho izany aza, tsy afaka nilaza tamin'ny rainy izy ireo fa tsy maty i Josefa.Tsy tsapany ny alahelo hateraky ny zavatra nataony.

Raha mila manapa-kevitra manan-danja ianao dia mangalà fotoana hieritreretana ireo mety ho vokatry ny fanapahan-kevitrao dia tsy mandika ireo fitsipika ao amin'ny Baiboly?

Alatsinainy 25-12-2006 : I josefa sy ny rahalahiny (gen.42 sy 43)

Ny drafitra nataon'i Josefa ho an'ny rahalahiny no maneho fa nampianatra lesola ho azy ireo izy no sady niezaka hahafantatra misimisy kokoa ny amin'ny fianakaviany.

Inona no asehon'ny fihetsik'ireo rahalahin'ny Josefa mikasika ny finoany rehefa hitany tao anatin'ny lasakany ny vola(Gen.42:25-28)?

Inona no ambaran'ny Gen.42:36-38 amintsika mikasikany toetran'i Rôbena?

"Nandritra ireo taona maro izay nathatafasaraka an'i Josefa tamin'ireto rahalahiny dia niova ny toetran'ireo zanaka lahin'i Jakoa.Tamin'ny voalohany dia feno fialonana izy ireo mpikomy, tsy marina, lozabe, sy mpamaly faty.Kanefa ankehitriny,dia tsy tena izy ireo, nifanao ny marina, nahatoky tamin'ny rainy, ary na dia samy zokiolona avokoa aza izy, dia nahay nankato tsara ny baikon-drainy".Namboarina avy tamin'ny PM, t.220.

Ny valin-tenin'i Jakoba tamin'ny fototra nataon'i Robena no manampy hahafantatra ny fahoriana niaretany tamin'ny fahalasanan'i Josefa.Kanefa tena nihamafy ny mosary, koa tsy nana-tsafidy izy ireo(Gen.43:8) Tamin'izay vao nanaiky izy ny hamela ny zanany faralahy hiara-miverina aminy.

Nahoana i Josefa no nanao fanasana(Gen.43:31-34)?

Nomen'i Josefa sakafo be dia be i Benjamina.Nataony izany mba "hahitany raha mbola hialona an'i Benjamina ireto rahalahiny na ho loza be aminy tahaka izay nataony tamin'i Josefa".Namboarina avy tamin'ny PM, t.224.Kanefa dia nisotro sy nihinana niaraka tamin'i Benjamina izy ireo(Gen43:34).Izany no naneho tamin'i Josefa fa tena niova tokoa izy ireo.

Ny fahoriana lehibe no nanova ireto rahalahiny ireto.Amin'ny fomba ahoana no ititondran'ny fahoriana zavatra mahasoa ho an'ny olona sasany?

Talata 26-12-2006 : Fivoriam-pianakaviana ( gen.44->47)

Ny fahavononan'i Joda haka ny toeran'i Benjamina no porofo fa olona niova ireo rahalahin'i Josefa (Gen. 44). Rehefa izany no vao nilaza i Josefa hoe iza moa izy.

Vakio ireo tenin'i Josefa tamin'ireo rahalahiny ao amin'ny Gen. 45 : 1-13. Inona no zavatra nolazainy izay maneho fa nihamatanjaka ny finoany.

Novaliana soa ankehitriny ny finoan'i Josefa an'Andriamanitra nandritra ireo taona manjombona. Ireo tsy hitany teo aloha dia tampoka teo annjary nazava taminy. Niasa tamin'ny fomba izay tsy noeritreretin'ny sainy Andriamanitra. Izany no lesona tsara ho antsika rehetra. Raha mitoetra mho mahatoky mandrakariva isika, hanatanteraka ireo zavatra ireo Andriamanitra amin'ny farany, eny, na dia hatramin'ny tena farany aza (Apôk. 21 : 1). Vak. Gen. 45 : 14-28 sy Gen. 46.

Inona no antony nanirian'i Josefa ny hilazan'ny fianakaviany amin'ny Egiptianina fa mpiompy izy ireo, asa izay tsy tian'ny Egiptianina ( Gen. 46 : 31-34) ?

Tamin'ny alalan'ny fitehirizany ny fianakafiany hisaraka amin'ny Egiptianina no niarovan'i Josefa ny fahadiovana ara-panahin'ny fianakaviany. Fantany mazava tsara ny zavatra mikasika ny andraikitra ara-panahin'ny fianakaviany. Ny naha-tafakambana indray an'i Josefa sy ny fianakaviany no nilaza taminy fa tena zavatra misy izany andraikitra ara-panahy izany.

 

Alarobia 27-12-2006 : Ireo fitahian'i jakoba ray (gen.47 : 28 -> 49:28)

Rehefa nandany 17 taona mahafinaritra tany Egipta niaraka tamin'ireo malalany indrindra i Jakôba dia tsapany fa manakaiky ny fahafatesana. Nantsoiny ho eo aminy ireo zanany lahy ho firarian-tsoa farany.

Vakio indray ireo teny fikasana nomen'Andriamanitra an'i Jakôba nandritra ireo taona maro. Gen. 28 : 12-15; 35-15; 46:2-4.

Nolazain'i Jakôba mialoha ny hoavin'ny fianakaviany mialoha ny fahafatesany (Gen? 46). Ny herin'Andriamanitra no nitarika an'i Jakôba hilaza ny marina, tsy mampaninona na mangirifiry aza izany. Nesorin'i Jakôba tamin'i Rôbena ireo zon'ny lahimatoa ary nilaza ozona ho an'ny heloka bevava nataon'i Jevy sy Simeôna. Ny tantaran'ny ankohonan'i Levy taty aoriana no maneho ny fomba mety hivadihan'ny ozona ho fitahiana.
Nasehon'i Jakôba ny hoavin'ny fianakaviany. Tafiditra ao anatin'izany hoavy izany ny tsirairay miaraka amin'ny sitra-po sy safidy malalaka. Mitovy amin'izany ihany koa, manandrana ny sitra-po malalaka ny tsirairay avy amintsika. Ny fahalalan'Andriamanitra mialoha ny safidintsika dia tsy mitovy amin'ny fameran'Andriamanitra mialoha ireo safidy ireo. Isika irery no manao ireo safidy ireo.

Ahoana ny fahazoanao ny fiheverana fa "ny toetranao no hiafaranao" ? Amin'ny fomba ahoana no hananan'ny toetran'ny tenanao manokana fiantraikany eo amin'ireo fanapahan-kevitra nataonao? Inona no fiovan-toetra tianao hatao eo amin'ny fiainanao? Amin'ny fomba ahoana no hahafahanao manatanteraka ireo fiovana ireo?

Alakamisy 28-12-2006 : Ny fiafaran'ny fanombohana (gen.49:29 ->50:26)

Gen. 50 no fiafaran'ny fanombohana. Niainga avy teo amin'ny famoronana ny Genesisy , nankany amin'ny fahalavoana, ny safo-drano, ireo fanekana teny fikasana nifanaovan'Andriamanitra tamin'i Abrahama sy ny taranany. Tamin'ny voalohany toa tena sarotra ny hahita ny fomba mety hahatanterahan'ireo teny fikasana ireo. Kanefa amin'ny fotoana izay hifaranan'ny Genesisy dia afaka mahita isika ny fototra napetraka ho an'ny zavatra rehetra nampanantenain'Andriamanitra.

Inona no fihetseham-po amin'ny maha-olombelona nasehon'i Josefa sy ny rahalahiny ? Gen. 50.

Mazava fa rehefa namela azy ireo hatry ny ela i Josefa. Ankehitriny, tena hitan'izy ireo tamin'ny farany ny maha-tena marina ny famelan-kelony. Amin'io fomba io dia tandindon'i Kristy i Josefa.

Vakio ny valin-tenin'i Josefa tamin'ny rahalahiny ao amin'ny Gen. 50: 19, 20. Inona no fitsipika fototra lehibe aseho eto ? Inona no fanantenana tokony ho azontsika avy amin'izany ?

Matetika, sarotra amintsika amin'ny maha-olombelona ny mahita izany. Tahaka izany koa, sarotra amin'i Abrahama teo an-tendrombohitra Moria sy Josefa tany an-tranomaizina ihany koa izany. Kanefa Andriamanitra manatanteraka ny drafitra ataony hitondra "soa sy hamonjy aina maro" Gen. 50 : 20) . Na iza na iza isika, na manao ahoana na manao ahoana toerana misy antsika, dia tsy maintsy tadidintsika fa ny Andriamanitry ny Genesisy ihany no mbola Andriamanitry ny Apôkalipsy. Ny Apôkalipsy dia boky iray mikasika ny vanim-potoanantsika sy ny tantarantsika (Apôk. 12 : 17) .
Farany, nanomboka tamin'ny fahagagan'ny famoronana ny Genesisy. Fahagagana no namoronana izao tontolo izao. Tahaka izany koa, tsy maintsy ho fahagagana no hamonjena azy. Hitantsika io fahagagana io nambara voalohany ao amin'ny Gen. 3 : 15 sy Gen. 22. Ny fahagagan'i Jes^psy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty ary ho avy indray.

Zoma 29-12-2006 : Fianarana fanampiny : vak. pm, tt. 219-237; famakafakana ny gen. 41 : 41->50 : 26, sdabc, b.1.

"Ny fahotany dia niteraka fijaliana mafy ho an'i Jakôba. Taona maro feno asa sy tebiteby ary fahoriana no nolalovany noho ilay fahadisoana lehibe vitany dia nahatonga azy nandao ny tranon-dray aman-dreniny. Nirenireny sy tsy nanam-panorenana izy, voatery nisaraka tsy fidiny tamin'ny reny malalany izay tsy hitany intsony izy. Rehefa niasa fito taona izy mba hahazoany ilay vady malalany dia mbola niasa roapolo taona indray nanompo ilay lehilahy fatra-pitia harena izay nanambaka azy. Koa na dia izany aza anefa, dia nitomo ihany ny fananany ary nialehibe teo anatrehany ny zanany. Kely ny fifaliana mba hitany tao an-tokantranony noho ny fifandirana nanjaka tao. Nifanontona namely azay avokoa ny fahafaham-barakan'ilay zanany vavy, na ny valifaty natitsok'ireo zanany lahy, na ny fahafatesan-dRahely, na ny ota mahatsiravina vitan-dRobena, na ny fahotan'i Joda, na ny fahasiahana izay nandrombaka an'i Josefa teo am-pelatanany. Tena fiainana nanjombona tokoa ny fiainany ! Noho ilay fahadisoana voalohany, dia nijinja fahoriana be izy. Impiry impiry koa moa izy no nahita ny zanany namerina ny fahadisoana efa nataon'ny tenany ! Izany rehetra izany anefa dia samy nahatratra ny fetra nikendrena azy avokoa, ka nioty ny "vokatry ny fahamarinana hiadanana" i Jakôba. Namboarina avy tamin'ny PM, tt. 234-235.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA

1. Raha misy lohahevitra anankiray manan-danja azonao alaina avy ao amin'ny bokin'ny Genesisy, izay azonao ampiasaina amin'ny fiainanao, dia inona ieany lohahevitra izany ?

2. Maro amin'ireo fahoriana hitantsika tao amin'ny Genesisy no nateraky ny zavatra nataon'ny tenan'ireo olona ihany. Tahaka izany koa ankehitriny. Moa tokony hisy fahasamihafana ve ny tokony hitondrantsika ireny olona ireny ? Tohany ny hevitrao.

www.advantistalyon.com
Herinandro 51 taona 2008
Herinandro 50 taona 2008
Herinandro 49 taona 2008
Herinandro 48 taona 2008
Herinandro 47 taona 2008
Herinandro 46 taona 2008
Herinandro 45 taona 2008
Herinandro 44 taona 2008
Herinandro 43 taona 2008
Herinandro 42 taona 2008
Herinandro 41 taona 2008
Herinandro 40 taona 2008
Herinandro 39 taona 2008
Herinandro 38 taona 2008
Herinandro 37 taona 2008
Herinandro 36 taona 2008
Herinandro 35 taona 2008
Herinandro 34 taona 2008
Herinandro 33 taona 2008
Herinandro 32 taona 2008
Herinandro 31 taona 2008
Herinandro 30 taona 2008
Herinandro 29 taona 2008
Herinandro 28 taona 2008
Herinandro 27 taona 2008
Herinandro 26 taona 2008
Herinandro 25 taona 2008
Herinandro 24 taona 2008
Herinandro 23 taona 2008
Herinandro 22 taona 2008
Herinandro 21 taona 2008
Herinandro 20 taona 2008
Herinandro 19 taona 2008
Herinandro 18 taona 2008
Herinandro 17 taona 2008
Herinandro 16 taona 2008
Herinandro 15 taona 2008
Herinandro 14 taona 2008
Herinandro 13 taona 2008
Herinandro 12 taona 2008
Herinandro 11 taona 2008
Herinandro 10 taona 2008
Herinandro 09 taona 2008
Herinandro 08 taona 2008
Herinandro 07 taona 2008
Herinandro 06 taona 2008
Herinandro 05 taona 2008
Herinandro 04 taona 2008
Herinandro 03 taona 2008
Herinandro 02 taona 2008
Herinandro 01 taona 2008
Herinandro 52 taona 2007
Herinandro 51 taona 2007
Herinandro 50 taona 2007
Herinandro 49 taona 2007
Herinandro 48 taona 2007
Herinandro 47 taona 2007
Herinandro 46 taona 2007
Herinandro 45 taona 2007
Herinandro 44 taona 2007
Herinandro 43 taona 2007
Herinandro 42 taona 2007
Herinandro 41 taona 2007
Herinandro 40 taona 2007
Herinandro 39 taona 2007
Herinandro 38 taona 2007
Herinandro 37 taona 2007
Herinandro 36 taona 2007
Herinandro 35 taona 2007
Herinandro 34 taona 2007
Herinandro 33 taona 2007
Herinandro 32 taona 2007
Herinandro 31 taona 2007
Herinandro 30 taona 2007
Herinandro 29 taona 2007
Herinandro 28 taona 2007
Herinandro 27 taona 2007
Herinandro 26 taona 2007
Herinandro 25 taona 2007
Herinandro 24 taona 2007
Herinandro 23 taona 2007
Herinandro 22 taona 2007
Herinandro 21 taona 2007
Herinandro 20 taona 2007
Herinandro 19 taona 2007
Herinandro 18 taona 2007
Herinandro 17 taona 2007
Herinandro 16 taona 2007
Herinandro 15 taona 2007
Herinandro 14 taona 2007
Herinandro 13 taona 2007
Herinandro 12 taona 2007
Herinandro 11 taona 2007
Herinandro 10 taona 2007
Herinandro 09 taona 2007
Herinandro 08 taona 2007
Herinandro 07 taona 2007
Herinandro 06 taona 2007
Herinandro 05 taona 2007
Herinandro 04 taona 2007
Herinandro 03 taona 2007
Herinandro 02 taona 2007
Herinandro 01 taona 2007
Herinandro 00 taona 2007
Herinandro 52 taona 2006
Herinandro 51 taona 2006
Herinandro 50 taona 2006
Herinandro 49 taona 2006
Herinandro 48 taona 2006
Herinandro 47 taona 2006
Herinandro 46 taona 2006
Herinandro 45 taona 2006
Herinandro 44 taona 2006
Herinandro 43 taona 2006
Herinandro 42 taona 2006
Herinandro 41 taona 2006
Herinandro 40 taona 2006
Herinandro 39 taona 2006
Herinandro 38 taona 2006
Herinandro 37 taona 2006
Herinandro 36 taona 2006
Herinandro 35 taona 2006
Herinandro 34 taona 2006
Herinandro 33 taona 2006
Herinandro 32 taona 2006
Herinandro 31 taona 2006
Herinandro 30 taona 2006
Herinandro 29 taona 2006
Herinandro 28 taona 2006
Herinandro 27 taona 2006
Herinandro 26 taona 2006
Herinandro 25 taona 2006
Herinandro 24 taona 2006
Herinandro 23 taona 2006
Herinandro 22 taona 2006
Herinandro 21 taona 2006
Herinandro 20 taona 2006
Herinandro 19 taona 2006
Herinandro 18 taona 2006
Herinandro 17 taona 2006
Herinandro 16 taona 2006
Herinandro 15 taona 2006
Herinandro 14 taona 2006
Herinandro 13 taona 2006
Herinandro 12 taona 2006
Herinandro 11 taona 2006
Herinandro 10 taona 2006
Herinandro 09 taona 2006
Herinandro 08 taona 2006
Herinandro 07 taona 2006
Herinandro 06 taona 2006
Herinandro 05 taona 2006
Herinandro 04 taona 2006
Herinandro 03 taona 2006
Herinandro 02 taona 2006
Herinandro 01 taona 2006