Tsy ilaina hoe mahira-tsaina be isika izay vao hahatakatra fa tsy misy tena fahafaham-po maharitra eto amin’ity tany ity : ny fahafinaretantsika dia zava-poana ihany ; ny zava-mahory antsika dia tsy tambo isaina ; ary farany, ny fahafatesana, izay mandondona antsika isa-minitra isan-tsegondra, dia tsy azo ihodivirana fa mametraka antsika – ao anatin’ny taona vitsivitsy – amin’ny toerana mampatahotra hoe ho foana mandrakizay sa ho sambatra mandrakizay.
I Pascal eto, izay nanoratra io boky io tamin’ny taon-jato faha-17, dia maneho amin’ny fomba filazany ny sasany amin’ireo hevitra asehon’i Sôlômôna ao amin’ny bokin’i Mpitoriteny. Amin’ity herinandro ity isika dia hanaraka misimisy kokoa hatrany amin’ireo eritreritra mampahory an’i Sôlômôna, mikasika ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fahamarinana ary ny tsy rariny amin’ny fiainanaeto amin’ity izao tontolo izao lavo tamin’ny fahotana ity.
Tany amin’ny taona 1930 tany ho any, nisy tamin’ireo mpandinika manna-tsaina indrindra teto amin’izao tontolo izao, sahiran-tsaina momba ny hoavy, nanao izay hahitana toerana iray noheverin’izy ireo fa toerana azo antoka indrindra eto an-tany. Izany hoe, aiza eto amin’ity planeta ity no misy toerana tsy hisy ady mananontanona ny mponina ao aminy ? rehefa nampiasain’ireo olo-malaza amin’ny ara-tsaina ireo ny fomba tsara indrindra sy ny filazalazana tsara indrindra momba ny faritra samy hafa ary ny fanadihadihana mazava indrindra momba azy ireo dia hitan’izy ireo ilay toerana tonga lafatra, ilay toerana azo antoka indrindra eto amin’izao tontolo izao tany amin’ny taona 1930 tany ho any : Nosy iray tany amin’ny faritry ny Ranomasimbe Pasifika ilay izy. Ny anarany ? Okinawa.
Nampalahelo anefa fa io Okinawa io no anankiray tamin’ireo toeram-piadiana nisian’ny ra mandriaka be indrindra tamin’ny Ady Lehibe Faharooa.
Ny hevitra tiana hampitaina amin’izany ? Tsotra. Tontolo lavo tamin’ny fahotana ity izao tontolo izao misy antsika ity. Manerana ity planeta ity ny fahotana sy ny fahafatesana ary ny fahoriana. Tsy araka izay tokony ho toetrany izao tontolo izao ity, amin’izao endrika ahitantsika azy izao. Tsy misy na inona na inona “aty amban’ny masoandro” azontsika ianteherana tanteraka. Na dia io tany ambany faladianatsika io aza. Na iza na iza efa nandalo fotoana nisian’ny horohoron-tany dia afaka hilaza izany aminao.
Amin’ny lafiny iray anefa dia mety ho tsara izany. Satria nahoana ? Satria tsy ity izao tontolo izao ity, amin’izao toetrany ankehitriny izao, no fonenantsika. Toerana efa voalahatra fa horavana ity ( 2 Pet. 3:10-13) ; ho levona avokoa ny zavatra rehetra eto (Lio. 21:33 ; Apôk. 21:1). Ny fanadinoantsika an’izany no anankiray amin’ireo loza lehibe indrindra atrehintsika : Babon’izao tontolo izao loatra isika na raiki-pitia amin’izao tontolo izao loatra hany ka ny hiafarantsika dia ho levona miaraka aminy.
Vak. Sal. 115:1-7 sy Isa. 44:9-17 ary Isa. 45:20-22. Na dia tamin’ny fotoana lasa ela be tany aza no nanoratana ireo andininy ireo, inona no hafatra ho antsika ankehitriny ? Loza inona no resahin’I Jehovah eo amin’ireo and. Ireo, izay tokony hahamailomailo antsika koa ?
Maro amin’ny fanambarana ao amin’ny TT no fitantarana ny fiezahan’I Jehovah hampitodika ny olony hanalavitra an’izao tontolo izao sy ny fomba amam-panaony ary ny fampianarany mbamin’ny andriamaniny, zavatra izay, rehefa dinihina, tsy mahavonjy azy ireo akory. Mbola ratsy noho izany aza fa tsy vitan’ny hoe tsy mahavonjy azy ireo akory ireny zavatra ireny, fa tsy mahafa-po azy ireo ihany koa.
Inona ny sasany amin’iro zavatra ireo amin’izao tontolo izao ity izay mahatonga ny fiainana eto ho sarotra ? Mety ho fitahiana ireny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana ireny. Amin’ny lafiny ahoana ? Izany hoe, amin’ny fomba ahoana no hanampian’izy ireny anao hahatonga anao hahatsiaro fa tsy ity izao tontolo izao ity no fonenanao farany ?
Nanomboka tamin’ny volana oktobra 1929 ny fahasahiranana ara-toe-karena lehibe, rehefa nitotongana haingana ny tsenam-bola tany Etazonia. An’arivony ny olona mpametra-bola hampiasaina („investisseurs“) no very an’alinkisa. Fananana maro no rava ; olona maro, na mahantra izy na manan-karena, no namoy ny zavatra rehetra nananany tao anatin’ny iray alina monja. Nisy mpandraharaha nanan-karena iray nanao trano telo, lasa nipetraka tany ambany tetezana izy sy ny fianakaviany, naharitra saika ho roa taona ; nivarotra fitafiana sy zavatra madinidinika isan-karazany no nahafahan’izy ireo nivelona. Roa taona talohan’izao anefa izany fianakaviana izany dia handeha nitsangatsangana sy nanao fialan-tsasatra tany Erôpa nandritra ny fotoana lava be.
Vak. Mpit.T. 6:1,2. Inona no hevitra tian’I Sôlômôna havoitra ? Amin’ny lafiny ahoana no ahitanao fa miseho amin’ny zavatra hafa eo amin’izao tontolo izao io foto-kevitra io ? inona no tokony ho hafatra farany eto ho antsika ?
Isika rehetra dia samy efa nandre tantara mikasika olona nanangona harena be, kanefa dia nafoy manontolo izany tamin’ny fomba itsy na iroa. Vao mainka manampy trotraka an’izany ny hoe, amin’ny olona rehetra I Salômôna dia nahafantatra fa tsy voavidy vola ny hasambarana na ny fiadanan-tsaina, na dia hay aza ny mihazona izany vola izany. Ary eo koa ny fahoriana lehibe mahazo rehefa afoy lasan’ny hafa izany.
Ary tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka harena izy ity. Firifiry akory ny olona no mihevitra ny fahefana, ohatra, na ny laza, na ny anarana tsara, hozava-dehibe, kanefa dia very tanteraka izany ? izany dia tokony hilaza amintsika ny antony tokony hitandremantsika fandrao isika tia fatratra ity izao tontolo izao ity ; satria indray andro any, ny ankamaroan’ny zavatra eto amin’ity izao tontolo izao ity dia ho levona mandrakizay.
Noforonin’Andriamanitra mba ho fitahiana ny fianakaviana. Ray sy reny mifankatia, mampiseho fitiavana lehibe amin-janany. Ny fitiavana sy ny fifandraisana ety ary ny fahafoizan-tena ao amin’ny fianakaviana no anankiray amin’ireo fifaliana lehibe indrindra azon’ny olombelona fantarina hatramin’izay ka hatramin’izao.
Tena misy tokoa I Satana, ary tena toraka izany koa ny ota ; ny vokatr’izany dia izao : ny fianakaviana ; izay loharanom-pifaliana lehibe, dia mety ho loharanom-pahoriana sy alahelo lehibe ihany koa.
Jereo ireto toko sy andininy ireto : olana ao amin’ny fianakaviana toa inona no aseho eto ? Gen. 4:1-8 ; Gen. 37:19-36 ; 2 sam. 13 : 1-14 ; Mat. 10:35-37 ; 1 Kor. 5:1.
Eny , ny ankamaroan’ireo toe-javatra miseho eo amin’ny fianakaviana aseho ao amin’ireo toko sy andininy eo ambony ireo dia tena mampalahelo tokoa. Sarin’ny fianakaviana filamatra, izay mifanohitra amin’izany, noasehon’I Solômôna ao amin’ny Mpit.T 6:3 : olona efa velona sy maro anaka. Kanefa any amin’ny farany, na izany aza dia tsy mahafa-po ireo filàna ao anatiny lalina indrindra ao; ireo “zavatra tsara” ireo – dia tsara tokoa – saingy tsy mbola ampy izany. Noforonin’Andriamanitra hanana izay faniriana izay isika, faniriana tsy mety ho afa-po amin’ny zavatra eto amin’ity izao tontolo izao ity, na inona izany na inona, na dia ny fianakaviana maro anaka be fitiavana aza.
“Ny voary dia tsy teraka miaraka amin’ny faniriana ao anatiny ao raha tsy efa misy ny zavatra afaka manome fahafaham-po ireny faniriana ireny. Mahatsiaro noana ny zazakely ! misy ny atao hoe sakafo. Te hilomano ny ganagana kely ! misy ny atao hoe rano. Manana faniriana hanao firaisana ny olona ! misy ny atao hoe firaisana ara-nofo. Raha misy faniriana ao anatiko ao, ka tsy misy fanandramana eto amin’ity izao tontolo izao ity afaka manome fahafaham-po, ny fanazvana tsara indrindra azo omena amin’izany angamba dia izao : noforonina hipetraka amin’ny tontolo hafa aho”. MC, t. 121.
Marina fa ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy ny fanantenantsika sy ny toerana zo antoka ho antsika, saingy mbola manana ny lanjany foana ny fianakaviana. Inona no azonao atao hampahatanjaka ny rohim-pianakaviana ? miezaha mandà tena, amin’ny alalan’ny vavaka, mba hahafahanao manokan-tena bebe kokoa ho an’ny fianakavianao.
Alaivo sary an-tsaina ity toe-javatra tsy tena misy ity fa foronin’ny saina fotsiny : misy olona roa avy any amin’ny tontolo hafa miresaka. Hoy ny anankiray tamin’ilay namany : “hainao, tsy azoko mihitsy ny dikan’ny fiainana. Inty aho izao mandroso fahanterana. Tsara ny fiainako hatramin’izay, fa ankehitriny manakaiky ny fiafarany izany. Jereo ireo teo alohako, ary jereo ireo mbola ho avy aty aoriana. Eto isika izao, dia avy eo isika lasa. Ary haingana dia haingana ny fandehan’izany rehetra izany. 5.000 taona aho izao amin’ny tsingerin-taonako manaraka. Ohatra ny vao omaly aho anefa no feno 4.000 taona. Inona no dikan’izany rehetra izany ?”.
Io resaka foronin’ny saina io dia mamoaka izay lazain’I Sôlômôna eto amin’ny Mpit.T 6:1-7. mitaraina ny amin’ny tsy rariny misy eo amin’ny fiainana I Sôlômôna eo ; sary an’ohatra hafa no ampiasainy tamin’ity indray mandeha ity : zaza maty eo am-pahaterahana (ampitahao amin’ny Mpit.T 4:1-3) ; lazainy fa aleo maty toy izany, toy izay mahita ny fahoriana mianjady eo amin’ny fiainana sy ny maha-tsy misy dikany ny fiainana. Eto indray, na dia ratsy aza izany fisainana izany, raha jerena ity tontolo ity sy ny zava-misy rehetra eo aminy, ary eritreretina hoe tsy misy na inona na inona ao ambadik’izao, dia sarotra ny miady hevitra amin’ny olona manana izay fisainana izay : inona tokoa moa no dikan’izany hoe miaina fiainana tsy misy dikany ?
Vakio Mpit.T 6:6. Inona no tiany ambara eo ?
Mirimorimo tokoa ny fiainana, kanefa fitahiana ho antsika angamba izany eo amin’ity tontolo lavo ao amin’ny fahotana ity. Ho tianao ve ny hiaina 5.000 taona eo amin’ny tontolo iray hanjakan’ny ota, feno fangirifiriana sy fahoriana ? na mafy toy inona aza ny fankahalantsika ny fahafatesana, dia fanamaivanana izany ho an’ilay maty, na dia tsy fanamaivanana ho an’ny velona izay nilaozana aza izany.
Manan-kambara mikasika ny olana ateraky ny fahafatesana ve ireto toko sy andininy ireto ? inona no fanantenana hita ao amin’izy ireo ho antsika ? Jaona 5:28,29 ; 6:54 ; 10:28 ; 2 Tim. 1:10 ; Heb. 2:14 ; Apôk. 21:4.
Tohizan’i Sôlômôna ao amin’ireo andininy enina farany ao amin’ny Mpit.T 6 ny fitarainany mikasika ny anjara miandry ny taranak’olombelona. Amin’ny fomba hafa (andininy 7) no ilazany ny zavatra tefa nolazainy foana hatramin’izy ka hatramin’izao, dia ny hoe : tsy misy fahafaham-po maharitra sy fara tampony eo amin’izao fiainana izao. Fahamarinana hantantsika loatra izany.
Anontanio ny tenanao hoe, fa nahoana no marina izany ? nahoana tokoa no tsy mahafa-po antsika ny zavatra eto amin’ity izao tontolo izao ity ? Jereo koa Gen. 3:19 ; Sal. 104:29 ; Isa. 57:12, 13 ; Jao. 8:34 ; Rom. 7:5 ; Efes. 2:12.
Nanoratra I Alexander Pope, pôeta anglisy, indray mandeha fa “eo antanantsika na eo amin’ny masontsika ny fahafinaretana,” nefa rehefa tanterahantsika tokoa izy ireny, dia tsy manome antsika ny fahafinaretana noeritreretintsika ho azo akory. Eo am-paminavinana ny fanatanterahana azy ireny fotsiny no toa kanto ery izy ireny ; fa ny tena marina [ rehefa tanteraka izy ireny ] dia tsy manome antsika ny zavatra nantenaintsika fa homeny akory.
Ny andininy 8-12 ao amin’ny Mpit.T 6, na dia sarotra aza, dia miresaka indray mikasika ny maha-tsinontsinona ny fiainana. Tsy afa-po amin’izay ananantsika isika ; na Hendry isika na adala, misy dikany inona moa izany, isika tsy afaka miady amin’izay mahery noho isika ; matetika no tsy misy dikany ny teny ; ary farany iza no mahalala hoe fomba ahoana no iainana izao fiainantsika fohy eto izao ? kanefa, rehefa jerena ny tontolon-kevitra manodidina ny zavatra lazainy (fiainana iainana mitokana tsy miaraka amin’Andriamanitra), dia mitombina ny azy.
Na dia tsy fantatsika marina aza ny tian’I Sôlômôna hambara amin’ilay fanontaniana, inona no tombony ananan’ny olona hendry amin’ny olona adala ? valiany ao amin’ny Ohabolana ho antsika ireo fanontaniana ireo ? jereo Ohabolana 1:5-7 ; 3:35 ; 10:1,14 ; 12:15 ; 14:1-3 ; 15:7 ; 17:10-12 ; 21:20.
Fomba ahoana kosa no anehoan’I Jesosy ny maha-samy hafa ny hendry amin’ny adala ? matio 7:24-27 ; 25:1-13.
“Ny fianarana sy ny tanjona ambony kendren’izao tontolo izao anefa dia ny hahazo tombon-tsoa ara-nofo, momba izao fiainana izao, fa tsy mba ny zavatra ara-panahy izay ataony tsirambina. Toy izany ny zava-misy ho an’ny mambran’ny fiangonana sasany. Rehefa antsoina izy ireo amin’ny farany, hampamoahin’Andriamanitra, dia tsy hoe ho menatra fotsiny izy ireo, fa ho gaga koa tsy nahazo an-tsaina ireo tena harena, ka tsy nihary harena ho azy ireo any an-danitra. Natokany ho an’ireo fahavalon’ny fahamarinana ny fanomezany sy ny fanatiny, ary andrandrain’izy ireo ery ny fotoana ho avy handraisany eo amin’izao fiainana izao ny tombom-barotra avy amin’ireo petra-bola nataony”. SM, b. 2, t. 134.
Fiangonana ny fianakaviana tsirairay, ary ny ray aman-dreny no filoha mpitarika azy. Ny hiasa ho famonjena ny zanany no tokony ho vain-dohan-draharahan’ny ray aman-dreny. Rehefa ny ray sy ny reny, amin’ny mahampisorona sy mpampianatra ny fianakaviana azy, no miandany tanteraka amin’I Kristy, dia hisy hery miasa mangina tsara hivelatra ao an-tokatrano. Ho tsapa ao amin’ny fiangonana io hery miasa mangina masina io, ary ho fantatry ny mpino tsirairay. Fa sakana lehibe tokoa ho an’ny asan’Andriamanitra ny fahabangana lehibe ao ana-tokatrano, dia ny tsy fisian’ny fitiavam-bavaka sy fanamasinana. Tsy misy olona afaka hitondra ao am-piangonana hery miasa mangina tsy ampiasainy ao amin’ny fiainan-tokan-tranony sy eo amin’ny fifandraisany arak’asa amin’ny olona”. – CG, t. 549.
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :
1- Vakio mafy ireo paragirafy natambatambatra ao amin’ny faran’ny fizaran-desona Alakamisy. Lazao ny eritreritrao rehefa voavakinao izy ireo.
2- Aoka hisy mpianatra vitsivitsy ao amin’ny kilasinareo hizara ny fanandramana nataony, nahatsapany fa mandalo sy tsy azo itokiana ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Inona no lesona azonareo sintonina avy amin’ireny fitantarana ireny.
3- Dinihonareo iray kilasy ity fanontaniana ity : isika rehetra, amin’ny maha-kristianina antsika, dia mahalala fa mandalo ihany, tsy maharitra, ny zavatra eo amin’izao tontolo izao tiy. Nahoana anefa isika no mora babon’izy ireny, ary mety ho tonga hatramin’ny fanaovana kinanga ny fanahintsika mihitsy aza izany ? resaho koa hoe inona no vaha olana ho an’io olana io.